20/10/2025
𝗙𝗜𝗥𝗔𝗜𝗦𝗔𝗠𝗕𝗘𝗡’𝗡𝗬 𝗠𝗣𝗜𝗧𝗦𝗔𝗕𝗢 𝗦𝗣𝗘𝗦𝗜𝗔𝗟𝗜𝗦𝗧𝗔 𝗘𝗧𝗢 𝗠𝗔𝗗𝗔𝗚𝗔𝗦𝗜𝗞𝗔𝗥𝗔
✅𝗙𝗔𝗡𝗔𝗠𝗕𝗔𝗥𝗔𝗡𝗔
Ho an'ny vahoaka sy ny manampahefana ara-pahasalamana
➡️ Taorian'ny hetsika fitokonana ataon’ireo 𝗺𝗽𝗶𝘁𝘀𝗮𝗯𝗼 𝗺𝗽𝗶𝘇𝗮-𝗱𝗿𝗮𝗵𝗮𝗿𝗮𝗵𝗮 sy ireo 𝗺𝗽𝗶𝗼𝗳𝗮𝗻𝗮 𝗵𝗼 𝗺𝗽𝗶𝘁𝘀𝗮𝗯𝗼 𝗺𝗮𝘁𝗶𝗵𝗮𝗻𝗶𝗻𝗮, ny Fikambanamben’ny Mpitsabo spesialista eny anivon'ny hopitalimpanjakana manerana an'i Madagasikara dia mampahafantatra ny rehetra ny toe-draharaha ankehitriny eo anivon’ireo rafitra misahana ny fitsaboana.
➡️ Hatramin’ny nanombohan’ity fitokonana ity, dia voafetra ny fahafahana manao ny asa fanao mahazatra amin’ny fitsaboana. Noho izany, voatery manao izay faran’izay kely indrindra amin’ny fandraisana marary ny mpitsabo spesialista, mba hahafahana manome fitsaboana kalitao. Ny tena tranga maika "𝘃𝗼𝗻𝗷𝘆 𝘁𝗮𝗶𝘁𝗿𝗮" ihany no ho raisina an-tanana.
➡️ Ampatsiahivina fa 𝘁𝗲𝗻𝗮 𝗶𝗹𝗮𝗶𝗻𝗮 𝘁𝗼𝗸𝗼𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗶𝘀𝗶𝗮𝗻’𝗶𝗿𝗲𝗼 𝗺𝗽𝗶𝘁𝘀𝗮𝗯𝗼 𝗺𝗽𝗶𝘇𝗮-𝗱𝗿𝗮𝗵𝗮𝗿𝗮𝗵𝗮 𝘀𝘆 𝗶𝗿𝗲𝗼 𝗺𝗽𝗶𝘁𝘀𝗮𝗯𝗼 𝗺𝗽𝗶𝗼𝗳𝗮𝗻𝗮 𝗵𝗼 𝗺𝗮𝘁𝗶𝗵𝗮𝗻𝗶𝗻𝗮 amin'ny fikarakarana ireo marary. Hatramin'izay, ny fanolorany tena dia nahafahan'ireo hopitalim-panjakana miodina, na dia teo aza ny toe-javatra sarotra isankarazany nolalovan'ny firenena.
➡️ Maneho ny 𝗳𝗶𝗿𝗮𝗶𝘀𝗮𝗻𝗸𝗶𝗻𝗮 amin'ireo mpitsabo mpiza-draharaha sy ireo mpitsabo mpiofana ho matihanina, ary manamafy ny andraikitra manoloana ny marary sy ny fiahiana ny kalitaon’ny fitsaboana. Na izany aza, ny asa be loatra ankehitriny dia manasongadina ny filana maika hifampiresahana sy hitadiavana vahaolana maharitra mba hiantohana ny fandehanana tsara ny rafi-pitsaboana.
Miangavy maika ireo manampahefana mahefa handray ny fepetra ilaina rehetra mba hahafahana miverina amin’ny ara-dalàna sy hisorohana ny fahasimbanan'ny kalitaon’ny tolotra ara-pitsaboana eny amin’ny hopitaly.
Manantena ny fahatakarana avy amin'ny tsirairay.
Natao teto Antananarivo, ny 13 Oktobra 2025
Firaisamben’ny Mpitsabo spesialista