08/10/2025
Salama daholy indray isika mpanaraka ny pejy♥️ satria moa ao anaty volana octobre isika izao izay volana manokana amin’ny fampahafantarana sy fisorohana ny homamiadan’ny nono (cancer du sein) — antsoina hoe🩷 Octobre Rose.🩷
🎯 Ireto misy zavatra azo resahana sy zava-dehibe tokony ho fantatra momba azy:
🎗️ 1. Inona ny cancer du sein
Homamiadana miseho ao amin’ny sela na lalan-drano (canaux) ao amin’ny nono. Rehefa mitombo tsy voafehy ireo sela, dia mety hifindra amin’ny taova hafa.
💗 2. Antony sy loza mety mampitombo azy
Fahanterana (miakatra ny risika rehefa mihoatra ny 40–50 ans)
Fiovana hormonale (raha nanomboka t@ fotoana aloha na tara ny règles, na tsy niteraka mihitsy)
Antécédent familial (raha misy havana tratra cancer du sein)
Fihinanana toaka, sigara
Fiainana mipetraka tsy mihetsika, sakafo tsy ara-pahasalamana
Fampiasana hormonale maharitra (pilule na traitement hormonal)
💗3. Soritr’aretina tokony hitandremana
Fivontosana na kista amin’ny nono (na kely aza)
Fiovana endrika: misy fery, misintona na manova loko ny hoditra
Famotsorana ranon-javatra amin’ny nono (indrindra raha misy rà)
Fanaintainana tsy voazava ao amin’ny nono
Fiovana amin’ny endriky ny nono na nonon-jaza
‼️ Raha misy amin’ireo miseho dia mila mankany amin’ny mpitsabo haingana.
💗 4. Fitsaboana
Miankina amin’ny dingana misy ny aretina:
Chirurgie (fanalana ny fivontosana na ny nono manontolo)
Radiothérapie
Chimiothérapie
Hormonothérapie
Thérapie ciblée (raha hita génes BRCA, sns)
🎀 🩷OCTOBRE ROSE🩷 : Arovy ny nononao, arovy ny ainkao.
Ny cancer du sein dia aretina mety hiseho amin’ny vehivavy rehetra, na tanora na lehibe.
Fa tsara ho fantatra: raha hita aloha, dia sitrana tsara!
👉🏽 Ataovy isan-bolana ny fanamarinana ny nononao (auto-examen).
👉🏽 Mandehana manao mammographie raha efa 40 taona miakatra.
👉🏽 Mitandrema amin’ny fiainana andavanandro: mihinàna ara-pahasalamana, manao fanatanjahan-tena, ary aza mifoka sigara.
Aza miandry soritr’aretina vao mikarakara.
Ny fitsaboana aloha dia fiainana voavonjy. 💪🏽
🎗️Ensemble, protégeons la vie. 💗
Arahiho tsy tapaka ny pejy ,asio j'aime sy partageo ny post MBA ho itany hafa Clinique Hygeia Ambatomirahavavy mivoaha 7/7 24h / 24
☎️034 88 691 65