03/05/2023
🔴 ⚠️⚠️⚠️ | Betsaka no tsy mahay manavaka ny HJRA sy BEFELATANANA. Ka maro ireo marary no very hoe aiza no haleha raha izao no aretiko.
✅ Ny Hôpitaly Joseph Ravoahangy Andrianavalona, dia eo Anosy no misy azy.
❌ Ao amin'ny HJRA no hoentina ny marary raha toa ka mila fandidiana, na tratran'ny lozampifamoivoizana, na ratra mila zairina.
_____
IRETO NO MAMPIAVAKA AZY :
👉 Service d'Urgences ⭐(fandraisana ny vonjy aina)
👉 Service de Traumatologie et Orthopédie ⭐(fitsaboana ny taolana tapaka sy olona may)
👉 Service de Réanimation médicale et Toxicologie ⭐(famelomana ireo marary be tsy mila fandidina sy ireo voapoizina)
👉 Service de Réanimation chirurgicale ⭐(famelomana ireo avy nodidiana)
👉 Service de Neurochirurgie ⭐(fandidiana loha sy ny hazondamosina)
👉 Service de Chirurgie viscérale ⭐(fandidiana ny kibo sy ny taova rehetra ao)
👉 Service de Chirurgie pédiatrique ⭐(fandidiana zazakely)
👉 Service d'Urologie ⭐(fitsaboana ny taovampananahany sy famaniany lehilahy-vehivavy)
👉 Service de Réanimation néphrologique ⭐(fitsaboana ny voa marary sy dialyse)
👉 Service d'Ophtalmologie ⭐(fitsaboana sy fandidiana maso)
👉 Service de Chirurgie thoracique ⭐(fandidiana ny tratra sy ny avokavoka)
👉 Service de Chirurgie cardiovasculaire ⭐(fandidiana ny fo sy ny lalandrà)
👉 Service d'Oncologie adulte ⭐(fitsaboana ny homamiadany olondehibe)
👉 Service d'Oncologie pédiatrique ⭐(fitsaboana ny homamiadany zaza)
👉 Service de Laboratoire d'analyse médicale ⭐(biochimie, hématologie, bactériologie, immunologie)
👉 Centre de traitement des Hémophiles et des Drépanocytaires ⭐(fandraisana an- tanana ny marary tratry ny hémophilie sy ny marary tratry ny drépanocytose : faingosela)
👉 Centre régional de la transfusion sanguine ⭐( izay mamoaka rà ho an'ny Hôpitaly eto Antananarivo sy ny manodidina)
👉 Service d'Anatomo-pathologie ⭐(fitiliana @ microscope ny foto-traretina)
👉 Service d'Imagerie médicale ⭐(fitiliana @ radio, echo, scanner, irm)
👉 Service d'Obstétrique ⭐(Pavillon Sainte Fleur, fiterahana sy fandidina bevohoka)
👉 Service de Rééducation fonctionnelle ⭐(fitsaboana ireo manana kilema).
SAMIA.MIZARA
____
Page : Inona vaovao Dokotera 🥕