Santé C3M

Santé C3M Médecine générale et Procréation Médicalement Assistée à Antananarivo
Conseiling en ligne et sur place

NY MIKAJY NY JOUR D'OVULATION💡 Fantatrao ve fa tsy dia azo antoka foana ny fanaovana kajy andro hahitana ny ovulation ?👉...
12/09/2025

NY MIKAJY NY JOUR D'OVULATION

💡 Fantatrao ve fa tsy dia azo antoka foana ny fanaovana kajy andro hahitana ny ovulation ?

👉 Mety tsy régulier ny cycle 🌀
Ohatra : indraindray mandeha 28 andro, indraindray mandeha 32 andro.

👉 Velona andro maromaro ny tsirinaina lahy 🧬
Ohatra : afaka miaina 3–5 andro aorian’ny firaisana.

👉 Miovaova arakaraka ny vehivavy ny ovulation satria miovaova ny cycle ✨
Ohatra : misy manao ovulation amin’ny andro faha-14, fa ny hafa kosa amin’ny andro faha-11 na faha-18.

👉 Ny ovule an'ny vehivavy dia maharitra 24 ora, misy latsak'izay

➡️ Noho izany, mety ho sarotra ny mamantatra ny andro marina

Maro ny fomba hijerena ny jour d'ovulation, fa ny test d'ovulation no tsara indrindra, na amin'ny p**i, na @ prélèvement sanguin (rà)

⏳ Raha tsy bevohoka aorian’ny 1 taona (na 6 volana raha efa >35 taona ny vehivavy), dia azo heverina ho infertilité ary ...
10/09/2025

⏳ Raha tsy bevohoka aorian’ny 1 taona (na 6 volana raha efa >35 taona ny vehivavy), dia azo heverina ho infertilité ary tsara ny manatona dokotera 🧑‍⚕️👩‍⚕️.

🔍 Antony mety ho ao ambadika :

- Tsy fahampian’ny tsirinaina amin’ny lehilahy 🧬
- Tsy fivoahan’ny atody (anovulation) ❌🥚
- Trompes mihidy na simba 🚫
- Endométrioses
- Ny karazana kystes
- Ny fikorontanan'ny hormonina ⚖️

✨ Ny fitsaboana ny "Infertilité" dia tsy mitovy amin’ny olona tsirairay. Zava-dehibe ny fitiliana sy ny torohevitra ara-pitsaboana, satria ny vahaolana dia miankina amin’ny antony izay samihafa amin'ny tsirairay

Depuis plus de 40 ans ...
27/08/2025

Depuis plus de 40 ans ...

💊 LA PILULE DU LENDEMAIN : PEUT-ON LA PRENDRE PLUSIEURS FOIS DANS L’ANNÉE ?Beaucoup de personnes pensent qu’il est dange...
23/08/2025

💊 LA PILULE DU LENDEMAIN : PEUT-ON LA PRENDRE PLUSIEURS FOIS DANS L’ANNÉE ?

Beaucoup de personnes pensent qu’il est dangereux de prendre la pilule du lendemain plus de 2 fois par an. 👉 En réalité, ce n’est pas risqué pour la santé.

🔹 La pilule du lendemain contient une forte dose d’hormones (lévonorgestrel ou ulipristal) qui agit en retardant ou en bloquant l’ovulation.
🔹 Elle ne provoque pas de stérilité, n’abîme pas l’utérus et ne « détruit » pas les ovaires.
🔹 Les effets indésirables sont le plus souvent passagers : maux de tête, nausées, règles un peu décalées.

⚠️ Cependant, ce n’est pas un moyen de contraception régulier :

Elle peut dérégler le cycle menstruel si on la prend souvent.

Elle est moins efficace qu’une contraception classique (pilule quotidienne, stérilet, implant, préservatif).

"Il n'existe aucune contre-indication médicale absolue à l'utilisation de la contraception d'urgence" selon l'OMS - 9 Novembre 2021

✅ Donc, prendre la pilule du lendemain plus de 2 fois par an n’est pas dangereux, mais ce n’est pas pratique ni fiable pour se protéger à long terme.

NAHOANA NO ILAINA NY MANAO VAKSINY NY ZAZA, NA DIA TSY MARARY AZA IZY ?Ny vaksiny dia manampy amin’ny fiarovana amin’ny ...
23/08/2025

NAHOANA NO ILAINA NY MANAO VAKSINY NY ZAZA, NA DIA TSY MARARY AZA IZY ?

Ny vaksiny dia manampy amin’ny fiarovana amin’ny aretina lehibe toa ny kitrotro (rougeole) sy ny kohaka mahery (coqueluche).

Tsy mbola matanjaka tsara ny hery fiarovan’ny zazakely ka tsy afaka miady amin’ny aretina sasany.

Ny fandaharam-panaovana vaksiny dia natao mba hahazoana antoka fa omena amin’ny fotoana tena mahomby sy ilaina indrindra ny vaksiny.

✨ INONA ILAY ANTSOINA HOE "PRÉSENTATION FRANK" AMIN’NY FITERAHANA ?Misy karazana fiterahana iray izay ahatongavan’ny zaz...
19/08/2025

✨ INONA ILAY ANTSOINA HOE "PRÉSENTATION FRANK" AMIN’NY FITERAHANA ?

Misy karazana fiterahana iray izay ahatongavan’ny zazakely, ny dodosiny no aloha, ary ny tongony roa miakatra any ambony, toy ny manao yoga kely 😄

👉 Io no antsoina hoe présentation Frank.
👉 Mitranga amin’ny zazakely 1 amin’ny 25 eo ho eo izany amin’ny fiterahana.
👉 Matetika dia césarienne no safidin’ny mpitsabo ho fiarovana ny reny sy zazakely.

🍼 Ny aorian’ny fiterahana ?

Tsy mampatahotra raha mbola mijanona amin'izay position “tongotra mihainga” mandritra ny andro vitsivitsy aorian'ny fiterahana.

✅ Tsy misy fanaintainana
✅ Tsy misy tokony hampikorapaka
✅ Fa mila miandry fanitsiana voajanahary fotsiny ataon’ny vatany

❤️ Samy manana ny style ahatongavany ny zazakely, hain'ny mpitsabo ny mandray an-tanana izany amin'ilay fotoana ahatongavany

🟦 NÉCROSE DIGITALE AMIN’NY ZAZA VAOVAO TERAKA : INONA NO TOKONY HO FANTATRA ?Tsy fahita firy ity aretina ity, ary miantr...
18/08/2025

🟦 NÉCROSE DIGITALE AMIN’NY ZAZA VAOVAO TERAKA : INONA NO TOKONY HO FANTATRA ?

Tsy fahita firy ity aretina ity, ary miantraika amin’ny rantsan-tanan’ny zaza vao teraka. Vitsy dia vitsy no tranga voarakitra eran-tany !

🔹 Inona no mety mahatonga azy ?
Misy antony maro mety hahazoana an’ity aretina ity, toy ny :

▶️ Fiterahana aloha loatra (prématurité)
▶️ Fahazoana infection mandritra ny vohoka
▶️ Diabeta na fiakaran’ny tosidrà amin’ny reny
▶️ Aretin’ny fo sasantsasany amin’ny zaza
▶️ Tsy fahampian’ny protéine C (olana amin’ny fahalefahan’ny rà)

🔹 Ahoana no ahafantarana azy ?
Rehefa teraka ny zaza dia mety miloko marron na mainty ny rantsan-tànany noho ny olana amin’ny fivezivezen’ny rà.
Ny IRM no tena manamarina ny aretina

🔹 Ahoana no hisorohana azy ?
Ny fanaraha-maso tsy tapaka ny vohoka, ny famantarana ara-potoana ny aretina ary ny fifehezana ny diabeta sy ny tosidrà amin’ny reny no fisorohana.

👉 Zava-dehibe ny fanabeazana sy fanairana ny ray aman-dreny ary ny mpitsabo, mba hahafahana mamantatra haingana sy misoroka izany

Dès le ventre maternel, l’ouïe est le sens le plus développé chez le fœtus.Entre la 25ᵉ et la 27ᵉ semaine de grossesse, ...
12/08/2025

Dès le ventre maternel, l’ouïe est le sens le plus développé chez le fœtus.

Entre la 25ᵉ et la 27ᵉ semaine de grossesse, il commence à percevoir les sons. D’abord, ce sont surtout les bruits internes qui l’accompagnent en continu : les battements du cœur de sa maman, les mouvements du sang, et les gargouillements du système digestif.

Vers 5 à 6 mois, son univers sonore s’élargit. Il entend certains sons extérieurs : la voix humaine (dont il capte surtout les intonations), le rythme d’une musique, les basses, ou encore le bruit d’un moteur.

Il est particulièrement réceptif à la voix humaine — surtout à celle de sa maman, qui lui parvient à la fois de l’extérieur et par résonance interne. Les variations de rythme et d’intonation attirent son attention.

Les sons graves franchissent plus facilement la paroi abdominale, ce qui rend la voix paternelle et les notes basses plus audibles. Les sons aigus, eux, sont atténués avant d’arriver à ses petites oreilles.

10/08/2025

💙 ZAZALAHY sa ZAZAVAVY 🩷 ?

Maro no mihevitra fa amin'ny insémination artificielle dia mora kokoa ny misafidy hoe lahy na vavy ny zaza.

Raha ny marina, raha tsy mampiasa teknika manokana hampisaraka ny "spermatozoïde" lahy sy vavy, dia mbola mitovy ihany ny taha amin’ny fahazoana lahy na vavy — manodidina ny 50/50.

Misy fomba manokana afahana mampitombo izany taha izany, saingy matetika lafo, sarotra, ary voarara amin’ny firenena sasany.

IREO SORITRARETINA AMIN'NY TSY FITERAHANA AMIN'NY MPIVADY🧠 Ny tsy fiterahana dia mahazo mpivady 1 amin’ny 6 maneran-tany...
01/08/2025

IREO SORITRARETINA AMIN'NY TSY FITERAHANA AMIN'NY MPIVADY

🧠 Ny tsy fiterahana dia mahazo mpivady 1 amin’ny 6 maneran-tany. Tsy voasokajy ho aretina tanteraka, fa famantarana fa misy zavatra tsy mandeha ara-dalàna ao amin’ny vatana na amin’ny lehilahy, na amin’ny vehivavy, na amin’ny roa tonta.

🔹Soritraretina amin’ny vehivavy :

🟣 Tsy ara-dalàna ny fadimbolana (lava loatra na tsy tonga)

🟣 Fanaintainana mafy amin’ny fotoanan'ny fadimbolana

🟣 Fivoahan-drà amin’ny fotoana tsy tokony hivoahany

🟣 Fikorontanana hormonina miseho amin'ny acné be, mitombo tampoka ny lanja, volo maniry be amin’ny faritra sasany

🔹 Soritraretina amin’ny lehilahy :

⬜ Fikorontanan’ny filàna ara-nofo

❗ Rahoviana no tokony hijery dokotera ?

Rehefa ampy taona iray no tsy nahazoan’anaka, na 6 volana raha mihoatra ny 35 taona ny vehivavy, dia tsara ny manatona mpitsabo.

💬 Misy fo vonona hihaino sy hanampy ♥️

FERTILITÉ ou INFERTILITÉ : quelle différence ?Un bilan de fertilité est un ensemble d’examens préventifs permettant d’év...
28/07/2025

FERTILITÉ ou INFERTILITÉ : quelle différence ?

Un bilan de fertilité est un ensemble d’examens préventifs permettant d’évaluer la capacité d’un couple à concevoir, même sans problème particulier. Il aide à :

✅ Connaître la réserve ovarienne et la santé des ovaires.

✅ Vérifier la qualité des spermatozoïdes.

✅ Anticiper les éventuelles difficultés.

En revanche, un bilan d’infertilité est prescrit après 12 mois de tentatives de conception sans succès. Il vise à identifier les causes précises :

▶️ Anomalies hormonales, tubaires, ou ovulatoires chez la femme.

▶️ Problèmes de concentration ou de mobilité des spermatozoïdes chez l’homme.

Pourquoi c’est important ?
Plus un problème est détecté tôt, plus les solutions (traitements, procréation médicalement assistée) sont efficaces.

INONA NY ENDOMÉTRIOSE ?Ny endométriose dia fiforonana "tissu" ivelan’ny tranonjaza, mitovitovy amin’ny ao anatiny. Mety ...
27/07/2025

INONA NY ENDOMÉTRIOSE ?

Ny endométriose dia fiforonana "tissu" ivelan’ny tranonjaza, mitovitovy amin’ny ao anatiny. Mety hiteraka :

🟤 Fanaintainana mafy mandritra ny fadimbolana.

🟤 Fahasarotana amin’ny fitadiavana zaza.

🟤 Ary indrindray harerahana tsy mihato (fatigue chronique)

Betsaka ny vehivavy mihevitra fa ara-dalàna ny fanaintainana amin’ny fadimbolana, kanefa mety ho famantarana ny endométriose izany.

Ny fitiliana mialoha amin’ny alalan’ny échographie na IRM dia manampy amin’ny fanaraha-maso sy ny fitsaboana.

Raha marary tafahoatra ny fadimbolanao, manatona mpitsabo na gynecologue. Ny fahaizana mamantatra ny endométriose aloha dia afahana mandray fepetra ho an'izay hoavy

Address

Antananarivo

Opening Hours

Monday 09:00 - 17:00
Tuesday 09:00 - 17:00
Wednesday 09:00 - 17:00
Thursday 09:00 - 17:00
Friday 09:00 - 17:00
Saturday 09:00 - 17:00

Telephone

+261320345911

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Santé C3M posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Practice

Send a message to Santé C3M:

Share

Share on Facebook Share on Twitter Share on LinkedIn
Share on Pinterest Share on Reddit Share via Email
Share on WhatsApp Share on Instagram Share on Telegram