Centre médical FJKM Soamanandrariny Miaradia

Centre médical FJKM Soamanandrariny Miaradia "Ary ny marary rehetra dia nositraniny avokoa". Matio 8:16d

Ce samedi 25 janvier 2025 a été une journée mémorable pour les activités sociales de la FJKM SOAMANANDRARINY MIARADIA  c...
25/01/2025

Ce samedi 25 janvier 2025 a été une journée mémorable pour les activités sociales de la FJKM SOAMANANDRARINY MIARADIA car elle a vu la transformation de son dispensaire en un Centre Médical complétant ainsi les diverses prestations qui y sont déjà prodiguées à savoir :

- Santé maternelle et infantile : accouchement à moindre risque ( y compris l'échographie),
- Vaccination, Consultation près-natale, planning familiale
- Dentisterie
- Médecine Générale
En effet, ce jour a vu l´inauguration de l´unité Maternité grâce à l´assistance financière de Ambassade d'Allemagne Antananarivo qui a été convaincue du bien-fondé de cette extension. Des efforts ont été consentis pour que la maternité se conforme aux normes requises par le Ministère.

Plusieurs responsables de la paroisse ont rehaussé de leur présence cette cérémonie. Le Pasteur et le président du fokontany ont
procédé à la coupure du ruban.

Il est à espérer que ce centre médical contribuera à l´amélioration de la santé de la population.

Mirahaba antsika rehetra. Ho tokanana ny 25 janoary 2025 izao ny Maternité FJKM SOAMANANDRARINY MIARADIA. Manasa antsika...
14/01/2025

Mirahaba antsika rehetra.
Ho tokanana ny 25 janoary 2025 izao ny Maternité FJKM SOAMANANDRARINY MIARADIA. Manasa antsika rehetra mba ho tonga sy hanatrika izany ary koa hitrotro am-bavaka.
Voninahitra ho an'Andriamanitra irery ihany.

Miarahaba antsika rehetra. Notanterahina ny Alakamisy 11 jolay 2024 teo tao amin'ny Ambassade d'Allemagne teto Antananar...
04/08/2024

Miarahaba antsika rehetra. Notanterahina ny Alakamisy 11 jolay 2024 teo tao amin'ny Ambassade d'Allemagne teto Antananarivo ny fanaovan-tsonia momba ny fiaraha-miasa eo amin'ny Ambassade d'Allemagne Antananarivo sy ny Dispansera eto amintsika amin'ny fanitarana ny toeram-pitsaboana ka lasa hisy toeram-piterahana "MATERNITE" ihany koa.

Natao tamin'io andro io ihany koa ny fanolorana ny taratasim-bola hamitàna io foto-drafitrasa io izay notarihan'ny ray aman-dreny Mpitandrina Valisoa Rafanonerantsoa sy solontena vitsivitsy avy amin'ny birao.

Manolotra fisaorana mitafotafo ho an'ny komitin'ny Dispansera sy ianareo rehetra izay nanohana na ny teto an-toerana na ireo zanak'ampielezana any ivelany nitoto nahafotsy izao fiaraha-miasa izao, ary indrindra indrindra manolotra fisaorana ho an'ny Ambassade d'Allemagne eto Antananarivo izay nametraka fitokisana tamin'ny Dispanseran'ny FJKM SOAMANANDRARINY MIARADIA

Efa manomboka ny asa ary vinavinaina ho vita ny voalohan'ny volana septambra ny rihina faharoa ary ao aorian'izay dia hanavao ny rihina voalohany indray.

Ho an'Andriamanitra irery ihany ny Voninahitra.

Tontosa ny 15 Jona 2024 ny didim-poitra faobe,izay fanaontsika eto amin'ny dispansera FJKM Soamanandrariny Miaradia, tan...
16/06/2024

Tontosa ny 15 Jona 2024 ny didim-poitra faobe,izay fanaontsika eto amin'ny dispansera FJKM Soamanandrariny Miaradia, tany Faratsiho FJKM Ambatofotsikely Fitiavana. Zaza 17 no vita hasoavana, natomboka tamin'ny 5ora maraina ny fotoam-pivavahana sy ny asa ary noho ny traikefa efa ananan'ny dokotera sy ny ekipa dia vita tamin' ny 7ora izany. Aza ela fery e !

Hafaliana ho anay birao sy komitin'ny Dispensaire no mampahafantatra antsika fa mandroso ny asa fanamboarana ny Maternit...
09/06/2024

Hafaliana ho anay birao sy komitin'ny Dispensaire no mampahafantatra antsika fa mandroso ny asa fanamboarana ny Maternité.
Ireo ambany ireo misy sary vitsivitsy. Voninahitra ho an'Andriamanitra irery ihany.
Manentana antsika hatrany amin'ny fanohanana.

ALAHADY 28 JANOARY 2024, NOMARIHANA NY FAHA 15 TAONAN´NY DISPANSERANTSIKA. AZO LAZAINA FA MIZOTRA TSARA NY ASAN´IREO MAT...
11/02/2024

ALAHADY 28 JANOARY 2024, NOMARIHANA NY FAHA 15 TAONAN´NY DISPANSERANTSIKA. AZO LAZAINA FA MIZOTRA TSARA NY ASAN´IREO MATIHANINA TOHANAN´NY BIRAO SY NY KOMITY. NY TSANGAMBATO LEHIBE KASAIN-KAPETRAKA DIA NY FANOKAFANA MATERNITÉ EO ANIVON´NY DISPANSERA. HISY EZAKA HIARAHANTSIKA AMIN´NY DISPANSERA NY FIARAHA MISAKAFO HATAO AMIN´NY VOLANA AVRILY.

DIENY IZAO DIA ATEFA KOA NY ANTSO AMIN´IREO REHETRA BE FITIAVANA KA AFAKA HANOME TOSIKA. MARIHINA FA EFA NASEHO TAO AM PIANGONANA NY SARIN´NY DISPANSERA SY NY MATERNITÉ. ALEFA SOAMANANDRARINY MIARADIA !

"Jesoa ô mpitia anayTompon'aina IanaoMaro ny aretinayNefa Samy afakao" FFPM 469👉Isan'ny tena marary tsy tanty ny areti-n...
02/02/2024

"Jesoa ô mpitia anay
Tompon'aina Ianao
Maro ny aretinay
Nefa Samy afakao" FFPM 469

👉Isan'ny tena marary tsy tanty ny areti-nify😬

👉Ndao hiezaka hikojakoja ny nify isika satria efa misokatra ho antsika isanandro izao ny dentisterie eto amin'ny dispensaire FJKM Soamanandrariny Miaradia

🕰️Alatsinainy - Talata - Alakamisy - Zoma - Sabotsy @ 9ora - 12ora🕰️

⏲️ Alarobia hariva @ 1ora 30 - 4ora

" Ry malala. Mangataka aho mba hambinina sy ho salama amin'ny zavatra rehetra anie ianao. Tahaka izay anambinana ny fana...
24/01/2024

" Ry malala. Mangataka aho mba hambinina sy ho salama amin'ny zavatra rehetra anie ianao. Tahaka izay anambinana ny fanahinao ihany"
III Jao 2

Mitohy hatrany ny herinandro dispensaire 2024

Misy fihenambidy 50 % ny echographie rehetra sy ny consultation gyneco rahampitso alakamisy 25 janoary

"Moa tsy ny sofina va no mamantatra ny teny?" Joba 12/11aTontosa soamantsara ny andro faha 2 nanatanterahana ny tontolo ...
23/01/2024

"Moa tsy ny sofina va no mamantatra ny teny?" Joba 12/11a

Tontosa soamantsara ny andro faha 2 nanatanterahana ny tontolo andron'ny sofina amin'ny herinandro dispensaire 2024

Rahampitso alarobia 24 janoary dia ny vaksiny ho an'ny zaza sy ny Fandrindrampiterahana no tolotra azontsika isitrahana

"Tsaboy izy..." Andro 1 amin'ny herinandron’ny dispensaire anio nisitrahana ny fizaham-pahasalamana maimaimpoana.👂Rahamp...
22/01/2024

"Tsaboy izy..."
Andro 1 amin'ny herinandron’ny dispensaire anio nisitrahana ny fizaham-pahasalamana maimaimpoana.

👂Rahampitso Talata 23 Janoary 2024 dia Fizahana ny sofina no hatolotra antsika indray👂

Amin'ny 9ora hatramin'ny 12ora

" Ary izay narary rehetra dia nositraniNy avokoa" Mat 8/16dHERINANDRON'NY DISPENSAIRE 2024Indro ny fandaharam-potoana  m...
17/01/2024

" Ary izay narary rehetra dia nositraniNy avokoa" Mat 8/16d

HERINANDRON'NY DISPENSAIRE 2024

Indro ny fandaharam-potoana mety mahasoa antsika tsirairay avy

Afaka misoratra anarana mialoha ao amin'ny dispensaire isika fa vonona handray antsika ny ekipa

Isaorana ny Tompo fa tanteraka soamantsara ny fitsangatsanganan' ny Dispensaire ny Asabotsy 11 Novambra lasa teo, izay n...
27/11/2023

Isaorana ny Tompo fa tanteraka soamantsara ny fitsangatsanganan' ny Dispensaire ny Asabotsy 11 Novambra lasa teo, izay niarahana tamin'ny komity sy ny mpandraharaha ary ny ankohonany. Teny amin'ny espace Casas Nina Ilafy no nanatanterahina izany. Faly tokoa ny rehetra fa afaka niala voly sy afaka nandinika ny asan' ny Dispensaire.
Voninahitra anie ho an'Andriamanitra irery ihany.

Address

Soamanandrariny, Ambohimangakely
Antananarivo

Telephone

+261346713374

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Centre médical FJKM Soamanandrariny Miaradia posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share

Share on Facebook Share on Twitter Share on LinkedIn
Share on Pinterest Share on Reddit Share via Email
Share on WhatsApp Share on Instagram Share on Telegram