LV santé.mg

LV santé.mg Page dédiée à la santé en générale et à la santé mère-enfant. Vous trouverez ici des consei

Raha ny lehilahy no manao teste de grossesse ka positif de mety misy cancer izy 'zay.
23/08/2022

Raha ny lehilahy no manao teste de grossesse ka positif de mety misy cancer izy 'zay.

Ny tsara ho fantatra momba ny variole du singe
11/08/2022

Ny tsara ho fantatra momba ny variole du singe

'reto ary le sakafo be potassium e :1- lentilles2- dates3- épinards4- champignons5- avocat6- artichaut7- abricot
28/07/2022

'reto ary le sakafo be potassium e :
1- lentilles
2- dates
3- épinards
4- champignons
5- avocat
6- artichaut
7- abricot

Fambara 5 fa tsy ampy potassium :1- Rera-dava2- Crampes3- Volivoly ny tanana na ny tongotra4- Mitohana5- PalpitationsRah...
28/07/2022

Fambara 5 fa tsy ampy potassium :
1- Rera-dava
2- Crampes
3- Volivoly ny tanana na ny tongotra
4- Mitohana
5- Palpitations

Rahariva indray zaraina eto ireo sakafo be potassium

28/07/2022

Mila mandro amin'ny rano mafana isan'andro ny bevohoka 🤰

27/07/2022

10 andro aorian'ny tsy fahatongavan'ny fadimbolana vao tsara manao teste de grossesse 👩‍⚕️

26/07/2022

Mampadio rà ny fanomezana rà satria misolo ho vaovao avokoa ny sela rehetra solon'ilay teo 👩‍⚕️

👩‍⚕️Anisany mahatonga crampes, havizanana ary fikorontanan'ny torimaso ny tsy fahampiana Magnésium.Ireto ary ny sakafo 7...
25/07/2022

👩‍⚕️Anisany mahatonga crampes, havizanana ary fikorontanan'ny torimaso ny tsy fahampiana Magnésium.

Ireto ary ny sakafo 7 ahitana azy betsaka :
1️⃣ Vomanga
2️⃣ Atody
3️⃣ Amandes
4️⃣ Cacao
5️⃣ Zavoka
6️⃣ Épinard
7️⃣ Brocoli

Feno tsara ity fanazavan'ny dokotera ny asthme ity ka de zaraina amintsika
23/07/2022

Feno tsara ity fanazavan'ny dokotera ny asthme ity ka de zaraina amintsika

🔴 ⚠️⚠️⚠️ | Misy fizaràna kely mba tiana hampita mikasika ny Sohìka na Asthme.

✅ Hita tokoa fa betsaka isika Malagasy no te hahalala be be kokoa mikasika io aretina io.

❌ Ny Asthme dia aretin'ny avokavoka, mikasika manokana ireo lalan-drivotra mivatsy ny Oxygène hoan'ny vatana.

💯 Miseo ny Asthme rehefa mihatery ireo lalandrivotra ireo, ka tsy mahazo Oxygène tsara intsony ny vatana.

⚠️ Maro ny antony mety hahatonga ny olona iray ho lasa Asthmatique. Raha tsy hilaza hafatsy ny hoe manaranaka izy io, raha toa ka misy asthmatique ny raiamandreny niteraka. Tsy voatery ho voa anefa ilay zaza, fa kosa be be kokoa ny risque haha-asthmatique azy.

📕 Misy ny Asthme mitranga mandritry ny fahazàzana, matetika ny zazalahy kely no tena voa. Misy ihany koa anefa ireo ao anaty fahatanorana vao tratra, ka ny tovovavy no matetika hisehoany.

🛑 Rehefa asthmatique ny olona iray, dia maro ireo tranga mety hampihetsika ilay asthme. Anisan'izany ny andro mangatsika, ny fiovaovan'ny toetrando, ny rivotra mangatsiaka, ny gripa, ny vovoka, ny fofona isankarazany, ny toerana mihiboka sy mandomando, ny fanafody sasantsasany, ny fiasàna saina, ny volombiby, ny fofona bombongolo, ny fofon-tsigara, ny rivotra maloto eny andrenivohitra.

🔥 Ny fomba hahafantàrana hoe mihetsika ny Asthme dia maro, fa ny fahasemporana no tena matetika hita. Mahatsapa fa tery ny tratra, tsy mahavita misintona sy mamoaka rivotra tahaky ny mahazatra, mikohamaina tsy mijanona kanefa tsy mahazo rehoka matetika, maneno ny tratra isaky ny mamoaka rivotra (toy ny feon'akohokely), tsembo-dratsy, tsy mety mahazo fofonaina, tsy mahavita miresaka mazava fa mitsitapatapaka elanelanina sefosefo.

🔴 Azo tsaboina sy alamina tsara ny asthme. Ny Pneumologue no Dokotera Spesialista mpitsabo azy. Tsara ny manantona azy ireo raha toa ka misy iray amin'ireo tranga voalaza etsy ambony ireo ianao, na ny manodidina anao.

⚠️ Ny fanafody hitsaboana ny Asthme dia tsy voatery hitovy avokoa. Samy manana ny fanafody hitsaboana azy, miankina amin'ny karazana Asthme miseo aminy ny tsirairay. Satria maro karazany ny Asthme ary maro karazana ny fomba hitsaboana azy ireo. Raha nandaitra tamin'ny olona iray tsy voatery handaitra amin'ny hafa. Izay no antony hisian'ireo Dokotera Spesialista hanavaka sy hitsabo izany araky ny tranga tsirairay. Rehefa manaraka fitsaboana anefa, dia aza adino velively ny manao Contrôle hanarahana ny toempahasalamana na dia efa mahatsapa tena fa salama aza ianao. Misy ny antsoin'ny Mpitsabo hoe fanatsaràna ny dose-ny fanafody, na ny fanoloana ny fanafody, araky ny fivoaran'ny aretina Asthme.

❌ Rehefa tonga amin'ilay faratampon'ny Crise d'Asthme, antsoina hoe Asthme Aigu Grave, dia tsy mandaitra intsony ireo fanafody fampiasa andavanandro. Ny antony dia satria tena efa sempotra be ilay marary, reraka ny avokavoka miady amin'ilay fahasemporana, ka mety hahafaty raha tsy mahazo Oxygène faingana ny vatany.

❌ Eo no tsy maintsy miditra amin'ilay hatao hoe Ventilation Mécanique (fampidirana Oxygène amin'ny alalan'ny fantso midina makany anaty lalandrivotra direct). Ampatoriana ilay marary, ary atsofoka ilay fantso hitondra ilay Oxygène.

⚠️ Marihina anefa, fa io no faratampony amin'ny fanavotana aina ho an'ireo marary mihetsika Asthme Grave, rehefa tsisy nandaitra intsony ny fitsaboana rehetra natao. Maro ny avotra, maro ihany koa no tsy tana ny ainy satria matetika efa tara ny fitsaboana.
________________
🔥 Mino aho fa mety hanampy ny rehetra ito publication ito. Tsy Pneumologue na Réanimateur anefa ny tenako, fa ny zavatra nampianarina ahy no ampitako.

❌ Handry ampiadanana ny maty. Hahay hisoroka ny velona. Tsy hifanaratsy fa hifanoro. Antoky ny fanatsaràna izany.

⚠️ Mankasitraka namaky hatramin'ny farany.

23/07/2022

Miaro amin'ny setroka, vovoka, vonin-javatra mampikohaka sy mamparary tratra ny fanaovana aro-tava tsara 😷 fa tsy covid ihany 🤗

22/07/2022
21/07/2022

Mampisokatra ny saina sy ny taovam-pisefoana rehetra ao anaty ny fifohazana maraina na alohan'izay 👩‍⚕️

Address

Rabezavana
Antananarivo
101

Telephone

+261329723819

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when LV santé.mg posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Practice

Send a message to LV santé.mg:

Share

Share on Facebook Share on Twitter Share on LinkedIn
Share on Pinterest Share on Reddit Share via Email
Share on WhatsApp Share on Instagram Share on Telegram