16/10/2025
Sakafo manatsarana ny glaire cervicale mba hahazoana zaza
Ny glaire cervicale dia tsiranoka vokarin'ny vozon'ny tranon-jaza (col de l'utérus) mba hahamandimandina ny fivaviana rehefa miray ara-nofo ary manome hery ny tsirin'aina mba hampatanjaka azy hatramin'ny hatongavany any amin'ny atody. Rehefa tsy fotoana hamokaran'ny vatana atody kosa anefa dia manakana ny tsirin'aina izy mba tsy hidiran'ireo ao anaty tranon-jaza (utérus).
Mety ho ratsy kalitao anefa io glaire cervicale io, na tsy mamokatra betsaka ny vatana, na tsy mamokatra mihitsy aza. Ireto avy ny lisitry ny sakafo mahatsara kalitao ny glaire cervicale, sy mahampy ny fatrany mba hahazoana zaza :
- Mihinana voankazo sy legioma isan-karazany isan'andro : Farafahakeliny voankazo karazany 2 ary legioma karazany 3, atao maro loko (maitso, mena, mavo, sns)
- Mihinana sakafo be oméga 3 izay mitondra acides gras ilain'ny vatana mba hananahana, toy ny persil, zavoka, thon, atody, amandes, voam-boatavo, noix de pécan, épinara, graines de lin, huile de colza, sns
- Mihinana sakafo be vitamine B toy ny voatabia, atody, henakisoa, krevety, thon, atikena, akondro, voasary, zavoka, katsaka, brocoli sy chou-fleur, céléri, sns
- Mihinana sakafo be vitamine C toy ny poivron, goavy, persil, litchi, kiwi, voasary makirana, chou-fleur, tongolo gasy, akondro, laisoa, voatabia, sns
- Mihinana sakafo be vitamine A toy ny voatavo, papaye, karaoty, atikena, vomanga, manga, poivron, sns
- Mihinana sakafo be vitamine D toy ny atikena, tamenak'atody, champignons, sardines, saumon, thon, sns. Ahazoana vitamine D koa ny mitanin'andro sy mihinana huile de foie de morue. Ny huile de foie de morue dia complément alimentaire vidina eny amin'ny pharmacie.
- Ahena ny siramamy sy ny produits laitiers satria mampa-asidra be loatra ny ao amin'ny lalan-jaza ka mamono ny tsirin'aina
- Misotro rano betsaka : atao izay mampazava ny lokon'ny amany. Vao matroka ny lokon'ny amany (volontany, mavo matroka be) dia ampitomboina ny fatran-drano sotroina. Satria 90%-n'ny glaire cervicale dia rano. Raha tsy ampy ny rano dia lasa tsy ampy ny glaire cervicale. Ka lasa sarotra ny hahazoana zaza.
- Mihinana sakafo be fibres mba tsy hampitohana. Rehefa mitohana dia zara raha mamokatra glaires cervicales ny vatana. Sakafo be fibres toy ny legioma sy voankazo ankoatra ny akondro. Ahena ny vary sy sakafo vita amin'ny lafarinina toa ny paty, ny mofomamy sy kimofomofo fa mampitohana.
Voankazo sy légioma firy karazany isan'andro no hohaninao isan'andro ?