CRA - Kaominina Ambohimanambola

CRA - Kaominina Ambohimanambola MIFANKATIA ❤️ - MIFANAMPY 🤝 - MIFANASOA ⚖️ Ensemble, créons une existence qui compte."
(1)

Sur Miz'art - LifestyleFlix nous vous invitons à rejoindre une communauté engagée dans l'échange d'inspiration, de bienveillance et de connaissances pour cultiver une vie épanouissante et équilibrée.

🗒️ "KOPIA FAOBE"🗒️Tongava misoratra anarana eny anivon'ny Fokontany na manantona mivantana aty amin'ny Kaominina varavar...
30/09/2025

🗒️ "KOPIA FAOBE"🗒️
Tongava misoratra anarana eny anivon'ny Fokontany na manantona mivantana aty amin'ny Kaominina varavarana faha 02.📋

🚨 COUVRE FEU - MITOHY 🚨⚠️ Mba hisorohana ny tranga fandrobàna⚠️ Mba hisorohana ny halabotry sy vaky tranoMITOHY NY TSY F...
30/09/2025

🚨 COUVRE FEU - MITOHY 🚨

⚠️ Mba hisorohana ny tranga fandrobàna
⚠️ Mba hisorohana ny halabotry sy vaky trano

MITOHY NY TSY FAHAZOANA MIVEZIVEZY

⛔ Manomboka 08 ora alina ⚠️
⛔ Mifarana : 04 ora maraina ⚠️

🛑 MIJANONA AO ANTRANO 🛑

⚠️ AZA MIVOAKA

🚨 Izay olona na andian'olona tratra mivorivory, na vao na fivarotana na magazay na tranon'olon-tsotra.
Na eny an'arabe , na anelakelan-trano dia efa raisina ho fahavalon'ny fiarahamonina.

🚨 HIVEZIVEZY ENY REHETRA ENY NY MPITANDRO FILAMINANA
✓ An-tongotra
✓ Mandeha fiara na moto

KA IZAY TRATRA DIA

⚠️ HO SAMBORINA TSY MISY FANAZAVANA
⚠️ HITAINGINA FIARA 4x4 MAIMAIMPOANA
⚠️ HO AMPATORIANA AMPONJAKELY

🙏 Izay tsy maintsy hivoaka , na taraiky alina:
✓ MITONDRÀ KARAPANONDRO
✓ ATAOVY MAZAVA NY ANTONY
✓ AZA MITSOAKA ZANDARY/POLISY/MIARAMILA

RY MPONINA REHETRA MIKATSAKA FILAMINANA

📱ANTSOY HAINGANA NY LAHARANA
📞 : 038.58.700.40

⚠️⚠️⚠️⚠️⚠️⚠️⚠️⚠️⚠️⚠️⚠️⚠️

Mba zarazarao ho hitan'ny hafa tompoko🙏🙏.Efa misy ihany isaky ny fokontany 🙏    Gendarmerie Nationale Ambohimanambola
28/09/2025

Mba zarazarao ho hitan'ny hafa tompoko🙏🙏.
Efa misy ihany isaky ny fokontany 🙏


Gendarmerie Nationale Ambohimanambola

Mamerina ny arahaba tompoko. Araka ny efa nampita tamintsika dia mihatra eto amintsika ny "Couvre Feu"👉Arak'izany dia ts...
27/09/2025

Mamerina ny arahaba tompoko. Araka ny efa nampita tamintsika dia mihatra eto amintsika ny "Couvre Feu"

👉Arak'izany dia tsy tokony hisy olona mandehadeha intsony eny amin'ny arabe sy anelakelan-trano fa tokony efa samy any an-tokatranony avokoa .
👉Hamafisina indrindra ihany koa ireo toeram-pisotroana(bar)🍻🚱🚱rehetra sy ny toeram-pivarotana samihafa mba ihidy mialohan'izay ora izay tompoko ❌❌🙏.
👉Fona arak'izany ihany koa ireo fanomezan-dalana amin'ny lanonana rehetra.

👉izay mbola mirenireny arak'izany dia andraisana fepetra satria tsy fantatra hoe mpandroba ve sa mpanao inona?⚠️⚠️🛑
👍Torak'izany ihany koa ireo mpivarotra rehetra minia mandika izany dia ho entitra ny sazy ho raisina.@

akotran' ireo olona tompon'andrikitra izay miandraikitra ny fitandrovana ny filaminana sy ireo andrimasom-pokolona no tokony ho hita.

👍Izany no natao dia mba hanavahana ireo olon-dratsy⚠️
👉Mankasitraka antsika rehetra tompoko ny amin'ny fandaminana ho an'ny tanànan-tsika🙏

Mankasitraka feno antsika rehetra tonga namaly ny antso🙏.Hita fa tena misy firaisan-tsaina sy fitiavana ny tanànan-tsika...
27/09/2025

Mankasitraka feno antsika rehetra tonga namaly ny antso🙏.Hita fa tena misy firaisan-tsaina sy fitiavana ny tanànan-tsika isika.Tsy misy tsiny ho an'ireo betsaka tsy tonga nohon'ny asa tompoko.
👍Hisy ny "couvre feu" manomboka amin'ny 7ora alina katramin'ny 5ora maraina.
Koa entanina isika mba samy hitondra ny CIN antsika raha toa misy ny hamehana.
👍Aoka isika hifampita vaovao maro-pototra mba tsy hampihorohoro ny tsirairay 🙏.
👍 Mankasitraka antsika amin'ny fiaraha- miasa rehetra
Ny Gendarmerie Nationale Ambohimanambola ihany koa dia tena eo akaikintsika hatrany koa aza misalasala miantso azy ireo raha toa ka misy mampihaihay.+261 38 58 700 40.

27/09/2025

❌❌Fivoriana maika tsy ara-potoana❌
Miarahaba antsika rehetra🙏.
Nohon'ny toe-draharaha izay misy eto amin'ny firenena. Ho fiarovana ny tanànan-tsika dia miantso ireto manaraka ireto:
👍 vatan-dehilahy 18 taona no mihoatra
👍Ny Gendarmerie Nationale Ambohimanambola
👍Ny sefom-pokontany 10
👍Ireo mpanolotsaina kaominaly
👍Ny polisy kaominaly
👍Ny kartier mobil
Mba ho fandaminana ny andrimasom-pokolona sy ny fandaminana mety ho atao dia ho tonga hivory maika ao amin'ny Ex-lycée anio amin'ny 11 ora.
Mba mitondra CIN azafady
Mankasitraka🙏

Misaotra  sy mankasitraka antsika maro be izay tonga namaly ny antso🙏🙏.✅Ny mpiasa eto anivon’ny Kaominina✅ Ny sefo fokon...
19/09/2025

Misaotra sy mankasitraka antsika maro be izay tonga namaly ny antso🙏🙏.
✅Ny mpiasa eto anivon’ny Kaominina✅ Ny sefo fokontany✅Ny Gendarme ✅ny kartier mobil✅Isika fokon’olona sy ny mponina tonga maro dia maro niaraka nientana🙏.
👉Dia ekena fa mbola tsy tanteraka ny "Service mi'Art madio" fa manentana antsika kosa mba hitsinjo ny fahadiovan' ny tanàna🗑️🙏.
👉Aoka tsy hinia hanary fako eny amin’ny manodidina sy eny an-dalana🚯🚯
👉 Ny mpivarotra mba hanadio rehefa mirava🗑️🗑️📣

✅Mba hitsinjovana ny fahadiovan’ny tanàna maharitra dia ho hentitra ny sazy ho an’ireo izay minia mandoto!❌❌🚯

Ho hatsaraintsika izany saingy santatra ihany ny androany🙏. Mankasitraka tompoko🤝🙏.

"Rehefa tsy mandoto isika dia efa naman’ny manadio"

ISIKA REHETRA NO MIARA-MIENTANA HAMPANDROSO NY TANÀNA.🤲🤝🤝

Allô allô AMBOHIMANAMBOLA 🎉🎉🇲🇬.ANDAO isika rehetra mba hiara hietana ho an'ny fahadiovan'ny tananan-tsika eh🚯🚮🗑️.       ...
17/09/2025

Allô allô AMBOHIMANAMBOLA 🎉🎉🇲🇬.
ANDAO isika rehetra mba hiara hietana ho an'ny fahadiovan'ny tananan-tsika eh🚯🚮🗑️.
" FANADIOVANA FAOBE"
ny fotoanantsika eo amin'ny Kaominina.
Entano ny namana rehetra eh🙏🙏

Mitohy hatrany ny fiaraha-miasa eo amin'ny orinasa i-Vita sy ny Kaominina Ambohimanambola! 🇲🇬Hetsika iray nanehoana ny f...
05/09/2025

Mitohy hatrany ny fiaraha-miasa eo amin'ny orinasa i-Vita sy ny Kaominina Ambohimanambola! 🇲🇬

Hetsika iray nanehoana ny fanamaivanana ho an'ny ray aman-dreny momba ny fitaovam-pianarana no notanterahina, ary nahazo fitaovam-pianarana maimaim-poana ny ankizy mihoatra ny 500! 📋📏📐🎉
Mankasitraka manokana Andriamatoa solombavambahoaka🙏🙏🇲🇬
✅ Manampy antsika Andriamatoa Député Bota Radafy Thierry amin'ny fitiavany sy ny fiahiana ny Kaominina Ambohimanambola. Hita taratra ny ezaka ataony amin'ny fijerena sy fanampiana ny hetahetan'ny mponina, indrindra amin'ny lafin'ny fampianarana.
✅ Isaorana ihany koa ny solontenan'ny Minisitry ny Asam-panjakana eto Madagasikara.
✅ Ny Ben'ny Tanàna mpisolo toerana,
✅ Ny Chef Zap eto amin'ny Kaominina,
✅ Ireo lehiben'ny fokontany,
✅ Ary ireo mpiara-miasa rehetra eto amin'ny Kaominina.
✅ Ny ray aman-dreny sy ny mpianatra rehetra.🙏🙏🇲🇬 Tamin'ny fifanotronana🙏🙏🇲🇬

Misaotra antsika rehetra satria tsapa sy hita fa loharanon'ny fandrosoana tokoa ny fianarana, ary nasehonareo fa ny fianarana no lova tsara indrindra! 📋🙏🙏

👍 Mahaiza fianarana rankizy! 🙏🙏

Mahay mankasitraka isika eh🙏🙏🇲🇬.Merci Barea🇲🇬🇲🇬. Misaotra nitondra fifaliana ho an'ny Malagasy🇲🇬🇲🇬Resy am-boninahitra is...
30/08/2025

Mahay mankasitraka isika eh🙏🙏🇲🇬.
Merci Barea🇲🇬🇲🇬. Misaotra nitondra fifaliana ho an'ny Malagasy🇲🇬🇲🇬
Resy am-boninahitra isika.
Mankasitraka ny vahoaka eto amin'ny Kaominina ihany koa🇲🇬🙏🙏

📢Nohon'ny fandaminana sy fangatahan'ny be sy ny maro dia ho ataontsika eo amin'ny Terrain Papmad ny Final BAREA eee🇲🇬🇲🇬⚽...
30/08/2025

📢Nohon'ny fandaminana sy fangatahan'ny be sy ny maro dia ho ataontsika eo amin'ny Terrain Papmad ny Final BAREA eee🇲🇬🇲🇬⚽ .
TONGAVA MARO anohana ny ekipa antsika eh🙏🙏🙏📣📣📣.
Eo anilanao hatrany ny CRA - Kaominina Ambohimanambola 🙏🇲🇬🇲🇬

"Formation Gratuite" ✅Mpampianatra Primaire ve ianao? Natokana ho anao mihintsy ity fampianarana ity. Thème manokana ami...
29/08/2025

"Formation Gratuite"
✅Mpampianatra Primaire ve ianao? Natokana ho anao mihintsy ity fampianarana ity.
Thème manokana amin'izany: "LES RITUELS EN MATERNELLE"
Satria efa manakaiky ny fidiran'ny mpianatra.
Andao isika hapitombo fahalalana hanatsarana ny kalitaon'ny fampianarana.

Raha liana ianao dia ireto misy fitaovana vitsy hoetina amin'izany : (emballage, marker, papier chemise, papier vélin, ciseaux,colle,masking teps....)
Daty: 4/5 septambra 2025. Amin'ny 9ora maraina.
Toerana : Kaominina Ambohimanambola🙏🙏.
✅Tongava maro📣📣📢🔊. Entano ny namanao!!!❌❌ Aza atao sakana raha tsy manana fitaovana fa tongava foana.🙏🙏

Address

Antananarivo
103

Telephone

+261347467443

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when CRA - Kaominina Ambohimanambola posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Practice

Send a message to CRA - Kaominina Ambohimanambola:

Share

Share on Facebook Share on Twitter Share on LinkedIn
Share on Pinterest Share on Reddit Share via Email
Share on WhatsApp Share on Instagram Share on Telegram