04/06/2024
Salama e 🙂
⚡Ny vonkatsoa fisotroana ranomafana.
Mahasalama kokoa ny fisotroana rano mafana noho ny rano mangatsiaka. Mampirindra ny tosi-drà, mampihena ny tahan’ny menaka sy siramamy mitapisaka any amin’ny lalan-drà, misoroka ny fitohanan’ny fivalanana, manampy amin’ny fandevon-kanina, mitsabo ny aretin’andoha, manadio ny tsinay…Ahoana ary no atao ?
Ratsy tsiro kokoa ny rano mafana noho ny rano mangatsiaka. Antony mety ahatonga ny maro hisafidy ny hisotro azy mangatsiaka, indrindra amin’ny vanim-potoana mafana. Mitondra soa kokoa ho an’ny vatana sy ny taova anaty nefa ny fisotroana rano mafana.
Ahoana no atao ?
Ny tsara indrindra dia ny misotro azy vao mifoha, mbola tsy nisakafo. Efatra vera no fatra mety amin’ny maraina ary 45min mialoha ny sakafo. Rehefa izay, ezaho ho sakafo ara-pahasalamana ny maraina, ahitana voankazo, mba hanatsara ny fiasan’ny tsinay.
Afaka mamerina misotro indray ianao anelanelam-potoana, fomba mahomby tsy handraisana tsakitsaky lava rahatreo izany.
Avy eo 30 minitra mialoha ny sakafo atoandro : mampisokatra ny vavony izany hanodina tsara ny sakafo ary ny tsinay hitroka tsara ireo singa mahavelona mba tsy ho very fotsiny any amin’ny fivalanana izy ireny.
Adiny 2 aorian’ny sakafo atoandro : Tsy tsara ny misotro rano eo am-pisakafoanana. Aleo miandry adiny 1 na 2 noho mihoatra indray vao misotro mba ahafahan’ny vavony miasa tsara, raha tsy izany dia hitsingevana anaty vavony ny sakafo ka ho sarotra ny fandevon-kanina.
30 minitra mialoha ny sakafo hariva : mitovy amin’ny tetsy aloha ny antony, mba ho fanampiana ny vavony hiasa tsara sy hanamorana ny fandevonan-kanina.
Marihina fa tsy tsara ny misotro rano betsaka amin’ny hariva. Ny mety indrindra dia atao betsaka amin’ny maraina ary ahena arakaraky ny fandroson’ny andro.
Manadio aty sy manampy amin’ny fanadiovana anaty
Mandevona menaka sy siramamy ny fisotroana rano mafana, izany oe manala ny tsentsitsentsina any amin’ny lalandrà sy ny menaka any amin’ny tsinay ary manampy ny aty amin’ny asa fanadiovana.
Manamandina sy mampadio odi-tava ary misoroka ny fahateran’ny hoditra
Manatsara ny fivoahan’ny hatsemboana ny rano mafana ka manala ny menaka sy loto mety hanetsina ny masokoditra. Satria miasa tsara ny aty dia madio kokoa ny hodi-tava ary mandina kokoa. Misoroka amin’ny ampahany ny fahaterahan’ny hoditra ihany koa ny fisotroana azy io matetika. Ny tsy fahampian-drano mantsy isan’ny antony voalohany miteraka ny fahateran’ny hoditra ka io no mila sorohana voalohany raha te hitaiza hoditra isika.
Manadio ny tatavia
Rehefa avy mivalan-drano dia ataovy fahazarana ny misotro rano mafana iray kaopy. Iny no manala ny mikraoba mety hijanona ao amin’ny tatavia, indrindra amin’ny alina noho isika tsy mivalana matetika.
Fitsaboana tsara koa ny rano mafana raha sendra tratra ny « infection urinaire », ary mampitombo ny fivalanan-drano.
Manala ny fanaintainana mandritra ny fadim-bolana
Ny tovovavy dia betsaka no mahare fanaintanana mafy ao amin’ny kibo mandritra ny fadim-bolana. Ny fisotroana rano mafana amin’iny vanim-potoana iny dia manampy betsaka amin’ny fampitoniana izay fanaintainana izay.
Mampitony ny aretin’andoha
Manatsara ny fikorianan’ny rà ny rano mafana ka noho izany miantoka ny fivezivezen’ny rà araka ny tokony ho izy any amin’ny loha ary manampy amin’ny fitaterana ny rivotra madio ho an’ny atidoha.
Fadio ny misotro rano nasiana vongan-gilasy rehefa marary an-doha fa vao maika mety hampitombo ny fanaintainana izany, indrindra raha tafakasoka tamin’ny molotra ambony ilay hatsiaka.
Manala fanaintainana any amin’ny valin-taolana
Noho izy manadio dia manala ny loto sy otrikaretina mety hitapisaka any amin’ny vanin-taolana ny rano mafana no sady manamandina ny taolana. Fantaro fa ny olona efa somary nahazo taona dia tokony hiampy 0.5 litatra ny fatran’ny rano sotroiny isan’andro mba hanamandina ny taolana.
Mitsabo ny fitohanana
Ny olona tsy mihinana legioma sy voankazo matetika dia tsy mivalana ara-dalàna. Ny diabetika koa matetika no mitohana noho ny tsinain’izy ireo lasa volivoly tsy miasa firy.
Raha mitohana lava dia mazotoa misotro rano mafana. Ampio tantely 1 sotrokely na menaka oliva kely raha tena sahirana mba tsy hiteraka ratra ao amin’ny tsinay.
Raha fintinina, tena manampy ny taova mpanadio ny fisotroana rano mafana. Ary rehefa salama ireo taova ireo dia miasa araka ny tokony ho izy, noho izany, manatsara ny fahasalamana amin’ny ankapobeny.
Ratsy kokoa ny tsirony ka mety tsy hampazoto anao. Azo atao tsara ny manisy tsirony kely azy amin’ny alalan’ny persily, solila, hodim-boasarimankirana, kanelina. Fadio kosa ny manisy siramamy azy fa lasa mitarika aretina indray izany.
Mirary soa !
Aza adino mizara amin'ny namana