ORL & Audiology Clinic

ORL & Audiology Clinic ORL & Audiology Clinic – Spécialiste en audition, nez et gorge. Consultations, dépistage et soins partout à Madagascar.

Fait les chirurgies de l'oreille, du nez, et du cou. Faits les tests audiométriques de base: audiométrie tonale, audiométrie vocale, tympanométrie, OAE...
Prise d'empreinte auriculaire pour fabrication d'embout auriculaire
Adaptation prothétique en appareil numérique de qualité. Equipe composée de:
- Médecins ORL / Otologistes
- Audiologistes
- Infirmier(e)s spécialisés
- Techniciens audioprothesistes

🚫 Tsy manadio sofina akory ny coton-tige… fa mampiditra lalindalina kokoa ny tain-tsofina ! Matetika isika mieritreritra...
17/11/2025

🚫 Tsy manadio sofina akory ny coton-tige… fa mampiditra lalindalina kokoa ny tain-tsofina !

Matetika isika mieritreritra fa manadio, nefa ny coton-tige dia mety hiteraka :
🔸 vongan-doto hiditra lalina,
🔸 fihenan’ny fahenoana,
🔸 fanaintainana,
🔸 na fivontosana sy aretina aza.

👂 Ireto ny fomba azo antoka hikajiana ny fahasalaman’ny sofina :
✔️ Avelao hiasa ho azy ny sofinao : mivoaka ho azy ny lotony rehefa mandeha ny fotoana.
✔️ Diovy ny ivelany ihany, mampiasa servieta na lamba madio.
✔️ Fadio ny mampiditra zavatra maranitra na fanaovana “astuces internet” mampidi-doza.
✔️ Raha mahatsapa fanaintainana, fihenan’ny fahenoana, na tsy fahazoana aina, tsidiho avy hatrany ny mpitsabo ORL : haingana, azo antoka ary tsy maharary ny fanadiovana matihanina.

💡 Sofina voakarakara = Fahenoana voaaro !

📞 Raha mila fizahana ORL na fanadiovana azo antoka ianao, antsoy izahay :
Antananarivo : +261 34 34 677 47
Antsirabe : +261 38 78 908 44
Fianarantsoa : +261 38 66 850 82

“Izahay mitsabo, Jesosy manasitrana”

14/11/2025

🏥 Vonona ny handray sy hanampy anao ny manampahaizana manokana ato amin’ny ORL & Audiology Clinic !

🎯 Arovy sy karakarao ny sofinao, ny oronao ary ny tendanao — zava-dehibe ho an’ny fahasalamanao manontolo.

📅 Misokatra isan’andro manomboka alatsinainy ka hatramin’ny zoma, 8 ora maraina – 4 ora hariva ary amin’ny 8 ora maraina - 11 ora atoandro ny sabotsy.

📞 Antsoy avy hatrany ny ireto nomerao ireto hahazoana fikarakarana haingana sy matihanina :
Antananarivo : +261 34 34 677 47
Antsirabe : +261 38 78 908 44
Fianarantsoa : +261 38 66 850 82
👉 Aza miandry ho tara! Ny fitsaboana aloha no fiarovana tsara indrindra. 👂💙

🎉 Fiarahabana feno fifaliana, AKA.MA! 🎉Ny ORL & Audiology Clinic dia manolotra arahaba manokana ho an’ny Akanin’ny Maren...
12/11/2025

🎉 Fiarahabana feno fifaliana, AKA.MA! 🎉

Ny ORL & Audiology Clinic dia manolotra arahaba manokana ho an’ny Akanin’ny Marenina (AKA.MA) amin’ny fankalazana ny 40 taona nisiany sy ny asa soa vitany. 🤝

Isaorana Andriamanitra tamin’ny fiaraha-miasa akaiky sy maharitra teo amin’ny fikambanana roa tonta, izay naneho fitiavana, fanoloran-tena ary fiahiana ny olona manana olana amin’ny fihainoana. 💙👂

Mirary izahay mba hitohy hatrany amin’ny taona maro ny fiaraha-miasa mahafinaritra sy mahavokatra eo amin’ny AKA.MA sy ny ORL & Audiology Clinic, ho fanasoavana sy ho fampandrosoana ny fiaraha-monina. 🙏✨

📖 “Mba hiseho amin’ny olona rehetra ny fandrosoanao.” — 1 Timoty 4:15d

🔔 1985 -2025

🥳 Feno 40 taona ny AKA.MA ankehitriny 🤩 noho ny fiahian’Andriamanitra ny asany 🙏 koa satria Kristy no fehizoro 💙 dia mbola hiroso hatrany amin’ny fampivoarana sy fampandrosoana ny asany ny AKA.MA ✊ araka ny teny faneva hoe 📖 « mba hiseho amin'ny olona rehetra ny fandrosoanao. » 1 Timoty 4 : 15d ✨

***************************************

🔔 1985 - 2025

🥳 L’AKA.MA fête aujourd’hui ses 40 ans 🤩 par la grâce de Dieu dans son œuvre 🙏 et puisque le Christ en est la pierre angulaire 💙, l’AKA.MA continuera d’avancer dans le développement et la progression de sa mission ✊ selon la devise 📖 : « pour que tes progrès soient évidents pour tous. » 1 Timothée 4:15d ✨

***************************************

🔔 1985 - 2025

🥳 AKA.MA is now celebrating its 40th anniversary 🤩 thanks to God’s guidance in its mission 🙏. Since Christ is the cornerstone 💙, AKA.MA will continue to move forward in growth and progress ✊, according to the theme verse 📖: “so that your progress may be evident to all.” 1 Timothy 4:15d ✨



Singa 5 mampiseho fa manana olana amin’ny fihainoana ianao🔊 MANOMBOKA MAMITAKA ANAO VE NY FIHAINOANAO ?👂 Fantaro ireto f...
12/11/2025

Singa 5 mampiseho fa manana olana amin’ny fihainoana ianao

🔊 MANOMBOKA MAMITAKA ANAO VE NY FIHAINOANAO ?

👂 Fantaro ireto famantarana 5 tokony hampitandrina ireto :

- Matetika ianao no mangataka amin’ny olona mba hamerina teny
- Tsy mitsahatra mampiakatra feo amin’ny fahitalavitra ianao
- Sarotra aminao ny manaraka resaka rehefa maro ny olona miresaka
- Maheno feo mitabataba, misioka na miboiboika ianao
- Toy ny mingonongonina foana ny olona miresaka aminao

Aza avela hanimba ny kalitaon’ny fiainanao ny olana amin’ny fihainoana ! Ny fizahana mialoha dia afaka manampy betsaka.

👉 Antsoy ny ORL & Audiology Clinic mba hanaovana fizahana tanteraka amin’ny fihainoana.

📞 Antananarivo : +261 34 34 677 47

📞 Antsirabe : +261 38 78 908 44

📞 Fianarantsoa : +261 38 66 850 82

💬 Zarao amin’ny fanehoan-kevitra eto ambany : efa tsapanao ve na hitanao tamin’olona akaiky anao ny iray amin’ireo famantarana ireo ?

Efa nanao fizahana sofina ve ianareo ?Teneno anay ary ny niainanareo izany.
10/11/2025

Efa nanao fizahana sofina ve ianareo ?

Teneno anay ary ny niainanareo izany.

Aiza marina no misy anay eto Antananarivo? 👀Maro aminareo no manontany an’izay, ka androany dia ho hazavainay tsara! 🗺️👉...
07/11/2025

Aiza marina no misy anay eto Antananarivo? 👀

Maro aminareo no manontany an’izay, ka androany dia ho hazavainay tsara! 🗺️

👉 Jovena na Leader Price andranomena atao repère.

Raha mbola tsy hita ireo dia ny Embassade Amerikana ihany koa azo arahina.
Ka mandroso ihany ary mahita ny Immeuble Corona Plaza izay ahitana ny Extra pizza andranomena.
Eo amin’ny sampanana aorianan’ny Extra Pizza, dia mitsofoka gauche ianao, mandalo eo amin’ny Ostie Andranomena, dia miakatra kely…

🚩 Avy miakatra dia tonga eo amin’ny Hopitaly Loterana Ambohibao — ary ao no misy anay, ny ORL & Audiology Clinic. 👂💬

Tongava mitsidika anay fa tsy misy very intsony amin'izay! 😄

05/11/2025

Les 5 signes qui montrent que vous avez un problème auditif

🔊 VOTRE AUDITION VOUS JOUE DES TOURS ?

👂 Reconnaissez-vous ces 5 signes d'alerte :

- Vous demandez souvent aux autres de répéter
- Vous montez régulièrement le volume de la TV
- Les conversations de groupe deviennent difficiles à suivre
- Vous entendez des bourdonnements ou sifflements
- Vous avez l'impression que les autres murmurent

Ne laissez pas une perte auditive affecter votre qualité de vie ! Un dépistage précoce peut faire toute la différence.

👉 Prenez rendez-vous à l'ORL & Audiology Clinic pour un bilan auditif complet.

💬 Avez-vous déjà remarqué un de ces signes chez vous ou un proche ?

Fahombiazana ny fizahana natao tany Morondava ny 29 sy 30 Oktobra lasa teo.Isaorana manokana ny mponina any Morondava to...
04/11/2025

Fahombiazana ny fizahana natao tany Morondava ny 29 sy 30 Oktobra lasa teo.

Isaorana manokana ny mponina any Morondava tonga maro be.

Ary isaorana koa ny ekipa ORL & Audiology Clinic nahavita soa ny asa.

Araho tsy tapaka ny pejy fa mbola maro ny asa miandry.

Vita soa aman-tsara ny fizahana maimaimpoana tany Manakara! 🎉Mankasitraka indrindra ny mponina tany Manakara sy ny manod...
28/10/2025

Vita soa aman-tsara ny fizahana maimaimpoana tany Manakara! 🎉

Mankasitraka indrindra ny mponina tany Manakara sy ny manodidina izay tonga maro tamin’ny fizahana maimaimpoana nataon’ny ORL & Audiology Clinic tamin’ny 24 sy 25 Oktobra lasa teo.
Tena faly izahay nahita anareo ary manantena fa nahasoa ny fitsaboana sy ny torohevitra nomena. 👂💙

🗓️ Manaraka izao dia any Morondava indray!
Ho atao amin’ny vidiny tena mirary ny fizahana sy fitsaboana amin’ity indray mitoraka ity.
Koa manasa anareo rehetra any Morondava sy ny manodidina mba hanararaotra io fotoana io hanamarina ny fahasalaman’ny sofina sy ny orona ary ny tenda.

👉 Araho hatrany ny pejy fa mbola maro ny asa ho atao!

23/10/2025

Rahampitso ary ny fotoana ho an'ny mponin'i Manakara : fizahana maimaim-poana.

Tongava maro

Filazana !
21/10/2025

Filazana !

Repost : Chaque jour, nous changeons des vies.Un enfant qui entend pour la première fois, une personne qui retrouve le p...
20/10/2025

Repost :
Chaque jour, nous changeons des vies.
Un enfant qui entend pour la première fois, une personne qui retrouve le plaisir d’écouter, un patient qui respire ou mange enfin sans gêne…
C’est pour ces moments-là que nous faisons ce métier. 💫

ORL & Audiology Clinic — plus qu’un soin, une nouvelle vie.

Address

Hôpitla Luthérien TPLA, Ambohibao
Antananarivo
105

Opening Hours

Monday 08:00 - 16:00
Tuesday 08:00 - 16:00
Wednesday 08:00 - 16:00
Thursday 08:00 - 16:00
Friday 08:00 - 15:00
Saturday 08:00 - 11:00

Telephone

+261343467747

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when ORL & Audiology Clinic posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Practice

Send a message to ORL & Audiology Clinic:

Share

Share on Facebook Share on Twitter Share on LinkedIn
Share on Pinterest Share on Reddit Share via Email
Share on WhatsApp Share on Instagram Share on Telegram