Malalan'i Jesosy Kristy aho

Malalan'i Jesosy Kristy aho Vehivavy tia sy miankina amin'Andriamanitra.Vehivavy mahery, mahafantatra ny tombam.bidiny.Vehivavy mitraka sy mahavokatra.Vehivavy fitahiana ho an'ny hafa

Fampaherezana, Fananganana, Fanohanana ny vehivavy hahatonga azy tafiditra amin'ny sitrapon'Andriamanitra, mahafantatra ny antom.pisiany hahatonga azy ho tafiditra amin'ireo planin'Andriamanitra momban'ny fiainany. Fananganana ny vehivavy ho tia sy hatahotra an'Andriamanitra, hahatong azy hiankina sy hiantehitra amin' Jesosy Kristy amin'ny fiatrehiny ireo fanamby amin'ny fiainany.

Hoy Jesoa aminao androany: Ravehivavy, nahoana ianao no mitomany? ... — Jaona 20 : 15 Na tena ankizivavy mbola anatin’ny...
02/03/2025

Hoy Jesoa aminao androany: Ravehivavy, nahoana ianao no mitomany? ... — Jaona 20 : 15 Na
tena ankizivavy mbola anatin’ny fahatanorana ianao? na efa vehivavy anatin’ny fahamatorana? na vehivavy efa voky andro? dia hoy i Jesoa aminao hoe NAHOANA IANAO NO MITOMANY?

Inona no mety ho antony mandatsa-dranomaso anao lava fa tena mahaliana an’i Jesosy Kristy?

Kamboty tsy misy mpiahy ve? te hianatra fa tsy misy fahafahana intsony? tsy an’asa aman-taonany? mijaly be ara-tokatrano? lazain’ny dokotera fa momba ve na tratran’ny aretina tsy afaka sitranina intsony? zanaka maditra ve? tratran’ny depression na leo miaina? korotan-dava ao amin’ny dada sy i neny dia te hitsoaka? ianao mihitsy no voafatotry ny fahazaran-dratsy sy fiainana maloto te hiala fa tsy mety tafiala ve? aman-taonany niandry valim-bavaka fa toa desert foana ve?nilaozam-bady?misy endrika tsy fahatomombanana ara-batana?...na inona mety ho antony DIA TENA MBOLA MISY FANANTENANA HO ANAO
vao avy namoy olona akaiky?

Iza no nametraka fanontaniana anao hoe : Ravehivavy nahoana ianao no mitomany?
ny valiny dia i Jesosy! tsy hoe curieux liana fotsiny amin’izay mampitomany anao Izy ka hiomehy na handatsa na hanameloka anao akory fa matoa Izy manontany dia ao am-pony ianao ary manana vahaolana ho anao Izy

Hanasanay anao manokana amin’ny Asabotsy izao 08 Mars
" RAVEHIVAVY, NAHOANA IANAO NO MITOMANY?
8h30- 9h30 CFB Mre Tsiazotafo ( entre pizzamania et maki company)
Tongava fa misy anjara MIHOATRA NOHO NY SAHAZA HO ANAO na fanasitranana, na fananganana, na fanafahana ...na ara-panahy na ara-piainana

Tsioarana Randrianjafy
Malalan'i Jesosy Kristy aho

Ry tanora namako, indrindra ho antsila rahavavy...Tsy fitsoahana ny ao an-tokatranon'ny ray aman-dreny ny fanambadiana, ...
03/08/2022

Ry tanora namako, indrindra ho antsila rahavavy...

Tsy fitsoahana ny ao an-tokatranon'ny ray aman-dreny ny fanambadiana, mety miaina zavatra mafy ianao ao amin'ny dada sy i neny fa aza atao ho antony hahatonga anao hitsoaka hanambady izany.Tsy hainao izay hitsena anao raha ratsy fiomanana ianao ary ndrao diso olona ianao ka vao maika ratsy lavitra noho ny ao amin'ny ray aman-dreninao izay hiainanao.

Aoka tsy noho ny amin'ny vavan'olona ny hahatonga anao maika hanambady, satria leo tenenin'olona sy tsarain'olona ianao.Tadidio fa raha maimaika ianao na koa raha ratsy fiomanana ary diso olona dia tsy ireo izay nitsara sy nanenjika anao ireo noho hiaraka hizaka izay hatrehinao fa vao maika aza mety hitora-bato anao

Aoka tsy hoe satria hoe leo irery ianao na koa mahatsiaro tena banga sy tsy ampy no anton'ny hanambadinao, ekena tokoa fa mba mila namana, te handray sy hizara fitiavana, mba misy hiresahana sy hifampizarana. Nefa raha eritreretinao fa vady no hahatonga anao tsy ho irery intsony sy antenainao hameno ny fahabangana ao anatinao dia mahantra indrindra ianao.

AMPAHANY, SOMBINY IHANY NO AFAKA ATAON'NY VADY NA DIA TENA TIA BE AZA IZY, FA MISY FAHABANGANA IZAY TSY HO FENON'IZA N'IZA MANDRAKIZAY RAHA TSY JESOSY KRISTY NO MAMENO AZY.
KA RAHA IZAY FAHABANGANA FONY FAHAKELY HATRAMIN'NY IANAO IZAO LEHIBE IZAO NO ANTENAINAO HO FENOIN'IZAY HO VADINAO, NA IZAY EFA VADINAO DIA HO DISO FANANTENANA IANAO.JESOSY KRISTY IHANY NO MAHAFENO AN'IO TOERANA IO TANTERAKA

Misy fahatsapana sy fisainana diso ataon'ny fiaraha monina izay hoe ny fanambadina no manome tombabidy ny vehivavy iray hany ka rehefa tsy manana izy na misara-bady na maty vady dia ataon'olona tsinotsinona.
Rehefa takatrao hoe iza ianao ao amin'i Jesosy Kristy dia takatrao hoe tsy ianao lasa vadin'i ranona
no hamaritra ny tombam-bidinao

Tsy miteny anao akory aho hoe fijaliana ny tokatrano tsia! Fa raha toa ka ny vadinao no ianteheran'ny fahasambaranao, na ny identité-nao na ny fanavotananao amin'izay zavatra iainanao ao amin'ny ray aman-dreninao dia diso depart ianao.

Ampahany ihany no afaka vitan'ny vady, ampahany ihany no afaka ho fenoin'ny vady.
Jesosy Kristy irery ihany no mahasambatra, afaka mahafeno ny fahabangana rehetra izay ao anatinao.

Diniho tsara, jereo akaiky, inona no manosika anao hanambady.
Tsy hoe tsy hanambady akory ianao, fa mila fiomanana ny tokatrano, fiomanana amin'ny lafiny rehetra fa indrindra fiomanana ara-panahy.

Afaka zarainao ho fampaherezana ny hafa

Tsioarana Andrianandrasana Randrianjafy

RERAKA!Hainao hoe mila mivavaka ianao kanefa tena tsy mahavita intsony na dia fehezanteny fohy aza, hainao hoe mila mand...
09/06/2022

RERAKA!

Hainao hoe mila mivavaka ianao kanefa tena tsy mahavita intsony na dia fehezanteny fohy aza, hainao hoe mila mandroso ianao kanefa tsy tafatsangana intsony, hainao hoe mila miaina fiainana mifanaraka ny sitrapon'Andriamanitra ianao kanefa vao maika sasatry ny lavo...Mila Hery ambon'ny hery rehetra ianao!

Ho anao indrindra no nampisin'i Jesosy Kristy ity fotoana ity satria fantany tsara ianao, izay natrehinao ka nahatonga anao reraka toa izao sy izay fiainana atrehinao ankehitriny sy izay hatrehinao amin'ny ho avy.

NataoNy ho anao ity fotoana ity satria tena tiany ianao

Aoka ho FENOINA NY FANAHY MASINA (part2)
Asabotsy 11 Jona amin'ny 9h30-11h
CFB Antaninandro
( plan: Jovenna antaninandro ilay ambany-Pizzamania- CFB Antaninandro- Maki Company)

Fanampim-panazavana: 032 87 718 50 na koa manoratra amin'ny hafatra miafina

Izahay sy ny Tompo manantena hiaona aminao

Misa-El - Tsioarana Andrianandrasana Randrianjafy

Tadidinao ve hoe ohaviana ianao no nisaotra an'i neny farany? ohaviana ianao no nanao azafady azy farany?Teny mody ohatr...
30/05/2022

Tadidinao ve hoe ohaviana ianao no nisaotra an'i neny farany? ohaviana ianao no nanao azafady azy farany?

Teny mody ohatran'ny tsotra izany kanefa fanomezana lehibe mihoatran'ny harena manasitrana ratra be dia be ao anatin'ny fon'i neny

Aza raisina hoe satria i neny izy dia tokony hanao an'izao sy izao dia automatique raha manao an'izao sy izao....ka adinonao ny misaotra azy ny amin'izay rehetra ataony ho anao.
Aza raisina hoe satria manao foana izy, mitraka foana izy, mitsangana foana izy dia midika izany fa tsy nisy zavatra mety mba nampalahelo na nanafitohana azy...

Fa nisafidy ny mbola "hanome be dia be izy" satria tiany ianao

Miarahaba ny reny rehetra, ny tanàn'i Jesosy anie hanangana, hampahery, hitantana, hanohana, hanampy anao indray. Jesosy anie hameno ny fahabangana rehetra ao anatinao ry neny malala, ary Izy anie no ho valim-pitia lehibe ho anao

Tsioarana Randrianjafy-

Tahin'i Jesosy ny Malalan'i Jesosy Kristy rehetra.Niniana tsy nandefa publication mihitsy tatoato mba afahanao mamerina ...
04/05/2022

Tahin'i Jesosy ny Malalan'i Jesosy Kristy rehetra.

Niniana tsy nandefa publication mihitsy tatoato mba afahanao mamerina mamaky, mandini-tena, mivavaka arak'ireo lohahevitra nifampizaraintsika teo aloha.

Hifampahery amin'ireo tanora vehivavy mbola tsy ao anaty tokatrano isika, ireo izay maniry hiditra anaty tokatrano kanefa mbola tsy manana...hifampahery isika, hifampivavaka, hianatra ny sitrapon'Andriamanitra.

Manasa anao hatrany hanaraka sy hikarokaroka afahanao mijery izay fizarana izay tsy arakao

Tsioarana Randrianjafy

Jesosy Kristy dia Andriamanitra velonaTsy hoe possible hitsangana Izy fa efa nitsanganaResiny ny fahafatesanaRaha mikamb...
17/04/2022

Jesosy Kristy dia Andriamanitra velona
Tsy hoe possible hitsangana Izy fa efa nitsangana
Resiny ny fahafatesana
Raha mikambana sy mifandray Aminy ianao dia manantenà, manapoiza, minoa fahavelomana sy fitsanganana
Tsy angano na tantara fa tena velona Jesosy, tsy maintsy ho velona ihany koa ny fiainanao

Tratry ny p***a isika tsirairay avy

Inona kay no efa nafoin'ny olon-tinao ho anao satria hono tena tia izy? Efa mba nanonofy ve ianao hoe tiako raha mba haf...
15/04/2022

Inona kay no efa nafoin'ny olon-tinao ho anao satria hono tena tia izy? Efa mba nanonofy ve ianao hoe tiako raha mba hafoy an'izao ho ahy izy? Tsy voatery hoe resa.bola sy firavaka lafovidy foana no resaka eto fa ohatra hoe"tiako mba hahafoy fotoana misimisy kokoa ho ahy izy! Tiako mba hafoy izay zavatra mampiasa saina be azy izy ka mba mifantoka misimisy kokoa aminay mianakavy rehefa ato an.trano, tiako raha mba hafoy ny fahazaran.dratsy izay manakorotana ny fiainanay izy"...
Tsy aiko hoe inona no efa nandraindrainao fatratra sy nantenainao fatratra mba nafoiny ho anao kanefa tsy mbola vitany hatramin'izao.Mety tena mandratra anao izany na mety mampikaraikona anao.

Fa hoy izaho aminao hoe misy fitiavana faratampony tena tia anao, efa nafoy ny ainy ho anao! Efa nafoy ny Aminy rehetra ho anao! Ianao aza mbola tsy tia Azy akory dia efa tia anao fatratra Izy.
Reny daholo ireo vavan'ny mpanaratsy sy mpiampanga anao fa mbola tiany foana ianao.
Tsy nanome na inona ho Azy ianao, mbola mpanohatra Azy ihany koa kanefa dia nitia Anao Izy ary nahafoy ny fahatsarana tany an.danitra, niaritra ny fahoriana mafy indrindra tety an.tany mba ho voavonjy ianao.

Ka nahoana ianao no mitanondrika sy maratra fatratra, eny tokoa mety tsy mbola nafoy na inona ho anao na ny vadinao na ny olon.tinao fa raiso izany fitiavan'i Jesosy Kristy izany, banjino sy eritrereto mandrakariva izany fitiavan'i Jesosy izany: dia ho sitrana ny fonao, ho falifaly ianao satria ny fitiavany dia afaka ny hameno ny endrika fahabangana rehetra

Misaotra Jesosy Kristy nafoy ny ainao ny zavatra rehetra hamonjena ahy. Tokony ho very mandrakizay aho raha tsy namonjy ahy Ianao. Sokafako ho Anao ny foko, ny lafim.piainako rehetra Jesosy Kristy mba hanjakan'izany fitiavanao izany tanteraka
Na iza tsy nafoy na inona ho ahy dia tsy alahelo aho, tsy haratra aho satria ny fitiavanao no efa nafoy ny zava.drehetra ho ahy Jesosy o
Amen

Andriamanitra o, hoy Ianao amiko hoe anaka atolory Ahy ny fonao: dia indro atolotro ho Anao ny foko androany, mangetahet...
06/04/2022

Andriamanitra o, hoy Ianao amiko hoe anaka atolory Ahy ny fonao: dia indro atolotro ho Anao ny foko androany, mangetaheta fatratra fanasitranana sy fanafahana avy Aminao
Mavesatra ny foko Jesosy, mavesatry ny ratra, ny fandisom.panantenana, feno alahelo sy fahatezerana.Itanao ny ao anatiko te hitroatra, te hamaly mafy, indraindray te hamoy fo hi-abandonner tanteraka.

Jesosy o mety tsy tena nipetraka taminao ny fanantenako sy ny fahasambarako fa napetrako tamin'olona dia naratra aho.Niandrandra olona aho fa tsy tena niandrandra Anao.
Ifonako Aminao Jesosy Kristy izany rehetra izany; ny nanaovako ny fijerin'ny olona sy izay lazain'olona ho mavesan-danja noho izay teninao sy izay fihevitrao momba ahy.

Ifonako Aminao Jesosy ny fampitahako ny fiainako amin'ny fiainan'olona ka nahatonga ahy diso fihevitra sy fahatsapana tamin'ny zavatra maro.Indraindray nalaim.panahy aho nitsiriritra, nialona, niavonavona ary indrindra nanadino fa tena efa niasa tamin'ny fiainako Ianao nanao karazana asa mahagaga indrindra ny famonjenao ny fanahiko izay ambony noho ny fitahiana hafa rehetra.

Jesosy o, tsy te havesatra intsony aho, indro ny foko ho Anao, te hadio fo aho ary te ho sitrana sy afaka tanteraka.

Manomboka androany dia Ianao no tiako ianteheran'ny fifaliako, ny fahasambarako, ny fanantenako, ny ho avin'ny fiainako manontolo.

Fanahy Masina o, ampio isan'andro aho fa tena tsy vitan'ny heriko samirery.
Ampio aho havita hamela, havita hitia indray, ampio aho havita handroso sy hanao dingana.
Ampio aho hanantena sy hino indray.
Ampio aho tena ampio Fanahy Masina mba tena hanome tombam-bidy ny fiainam-panahiko amin'izay mihoatra noho ny zavatra hafa rehetra

Jesosy o Anao aho, iriko isan'andro tsy hitsahatra intsony ny asanao ato anatiko

Amen

Raha mahaliana anao handray fampaherezana ho an'ny vehivavy dia manasa anao hiditra anaty groupe Malalan'i Jesosy Kristy aho

Tsioarana Andrianandrasana Randrianjafy

Partie 2: Ao ampon'Andriamanitra ny hahasitrana anao.Araka ny hitantsika farany teo : ny zavatra rehetra tsy voatery ho ...
03/04/2022

Partie 2: Ao ampon'Andriamanitra ny hahasitrana anao.
Araka ny hitantsika farany teo : ny zavatra rehetra tsy voatery ho voafehintsika daholo tsy handratra antsika. Ary rehefa ny situation na ny olona no tsy miova dia tsy maintsy ny fomba andraisantsika azy sy ny iainantsika azy no mila ovaina.

Mora anefa ny miteny oe aza avela hisy fiantraikany aminao izay zavatra ratsy rehetra ataon'ny olona aminao sy ny hoe mila mahery foana na inona na inona miseho fa tsy vita amin'ny hery maha-olona izany na hoe di-doha fotsiny.

Androany raha misy tena ilainao rahavavy dia Jesosy. Tena miazakazaha ary miantoraha amin'i Jesosy. Atolory Azy ny fonao. Lohary eo Aminy izay rehetra manavesatra anao, aza misy afenina, fa raha misy mahazo tsara ny "états d'ame"-nao sy afaka manasitrana anao dia Izy irery ihany.

Tsy manome tsiny anao Jesosy . Rehefa mivavaka ianao dia manome anao ny Fanahiny Izy, mba hanampy anao sy hanome anao ny hery afahanao mahazaka izay tsy zakanao. Mba afahanao mi-affronter sy mi-surpasser izay manavesatra anao rehetra . Ny Fanahy Masina ihany koa no manampy anao hahavita izay tsy vitanao: tahaka ny hoe mifaly, mamela heloka, tsy mamaly faty, tsy mandray sy mihazona am-po, feno fiadanana sns

Mandania fotoana araka izay vitanao eo amin'ny fanatrehan'Andriamanitra: vavaka, fiderana, fandinihana ny teniny,... Fa eo Izy no miasa ao anatinao : manala tsikelikely izay tsy avy Aminy ao anatinao fa manova anao kosa araka izay tiany.
Eo amin'ny fanatrehany Andriamanitra no mameno izay banga rehetra ao anatinao amin'ny fitiavany sady manome anao fitsaharana sy fiadanana.
Eo ihany koa Izy no mamerina tsikelikely ny identité-anao. Mampafantatra anao hoe iza marina moa ianao sy ny fikasany ho amin'ny fiainanao.
Izany fahatsapàna vaovao ao anatinao izany no mahatonga anao tsy hiraika na inona na inona miseho satria fantatrao fa tsy ny zava-misy na ny olona no mamaritra anao sy ny hoavinao fa Andriamanitra Mpiady ho anao sy Mpanome rariny anao.

- Jsk -

Manasa anao hanaraka ny groupe: Malalan'i Jesosy Kristy aho - loved by the King of kings fa misy fampaherezana maro ho an'ny vehivavy afaka hahasoa anao ao.

Partie 1: Ao ampon'Andriamanitra ny hahasitrana anao. Ny ratra, indrindra raha mijanona ela, dia tsy maintsy misy fiantr...
03/04/2022

Partie 1: Ao ampon'Andriamanitra ny hahasitrana anao.
Ny ratra, indrindra raha mijanona ela, dia tsy maintsy misy fiantraikany any amin'ilay olona maratra: any anatin'ny fony sy ny ainy (âme). Hany ka mety hanova azy ho lasa olon-kafa mihitsy aza izany: hatrany amin'ny toetrany sy ny fihetsiny.

Na izy lasa karazan'olona tsy manaiky, mitroatra. Satria izy mahatsiaro voa mafy, dia mba tonga koa izy hamely sy handratra ny hafa.
Aminy dia marina ilay fiteny oe "l'attaque c'est la meilleure defense". Hany ka tonga izy dia masiaka, kizintina, agressive, mora misafoaka sy misendoatra, sns

Misy indray lasa karazan'olona mitanondri-dava. Tsy manana fahatokisan-tena intsony. Tsy mahalala sy tsy mahatoky intsony ny tomba-bidiny ary mety tsy fantany intsony mihitsy aza hoe iza marina moa izy. Lasa olona mihafihafy, tsy sahy maneho hevitra.
Mety ihany koa lasa karazan'olona malahelo lava ary tsy manana joie de vivre intsony.

Rahavavy, mety maratra ianao androany, mahatsiaro marary satria mafy tokoa angamba ny nianjady taminao. Kanefa aza manaiky hiova ka ho lasa vehivavy mangidy, masiaka, mpamaly faty, mpandratra ny hafa amin'ny fiteny na fihetsika.
Aza avela hitoetra ao anatinao ny loto ka ny hatezerana, ny vesatra, ny otri-po, ny alahelo, ny complexe... no hanapaka ao.

Tsy izay no ao am-pon'Andriamanitra mahakasika anao. Tsy izao no namoronan'Andriamanitra anao. Vehivavy tsara ianao ary mpitondra fahatsarana. Vehivavy tsara ianao, ary mamoa voa tsara. Vehivavy mahafinaritra, mahate-ho-tia sady be fitiavana.
Vehivavy mahery ianao, mahazaka ny dona rehetra, tsy mora kivy fa mitraka hatrany. Ny mazava no manapaka ao anatinao fa tsy ny haizina. Be tomba-bidy ianao, tahaka ny vatosoa sarobidy indrindra ary tsy misy na iza na iza, na inona na inona afaka mampihena izany.

Ny zavatra rehetra tsy voatery ho voafehinao avokoa, misy situation sarotra tsy hainao ovàna. Ny olona tsy azonao ferena tsy handratra anao.
Fa safidinao kosa ny tsy hanaiky na hamela ireny rehetra ireny hiditra ao anatinao ka lasa hisy fiantraikany (hi-affecter) hatrany anatinao lalina any.

- Jsk -

(Partie 2- Publication ao aoriana ny tohiny)

Address

Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Malalan'i Jesosy Kristy aho posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share

Share on Facebook Share on Twitter Share on LinkedIn
Share on Pinterest Share on Reddit Share via Email
Share on WhatsApp Share on Instagram Share on Telegram