01/08/2025
Bronchiolite du nourrisson
Inona izany?
-aretina amin’ny taovam-pisefoan’ny zazakely
Matetika avy amin’ny virus VRS
Inona avy ireo soritr’aretina?
-kohaka
-sery
-sarotra miaina
-tsy mazoto minono na tsy mazoto misakafo
-maneno ny tratra (misy rehoka)
-mandoha
-miaina aingana be
-sempotra (cas grave)
Inona no tokony atao?
🩺Raha miseho ireo fambara ireo dia ento malaky any amin’ny dokotera na hopitaly ny zazakely
Ny tokony atao ao an-trano ho an’ny zazakely:
-sokafana tsara ny varavarana rehetra ao an-trano (bien aéré)
-diovina tsara ny fitaovana ampiasain’ny zazakely vao omena azy (biberon,tétine,kilalao)
-Ezahina ho maina tsara foana ny eo amin’ny tratran’ny zazakely
-manasa tanana amin’ny rano sy savony alohan’ny handraisana sy hikarakarana ny zazakely
-manao masque na cache bouche ny olona raha voan’ny sery na mikohaka ka tsy maintsy mandray sy milalao ny zazakely
-diovina amin’ny SSI matetika ny otrin’ y zazakely
-manao evoka ranon-tsira isaky ny hariva
-⛔️alavirina ny zazakely ny karazana setroka (sigara,charbon,odi moka,automobile….)
-⛔️tsy entina amin’ny toerana be olona ny zazakely (endroits publics:bus,spectacle…)
Hafatra:
Ataovy mafana tsara foana ny zazakely indrindra amin’izao fotoana mangatsiaka be izao
Inona ny traitement azo atao?
Ny kinésithérapie respiratoire dia anisany azo atao mba hanampy ny zazakely hamoaka ny rehoka ao amin’ny tratrany
Raha efa cas grave no mahazo ilay zaza dia tsy maintsy miditra hopitaly asiana oxygène
Zay ary fa dia mirary soa ho antsika rehetra eh
📞0388987512 (aza misalasala miantso raha mila kinésithérapeute ianareo)