Ny hevitry Rasazy

Ny hevitry Rasazy Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Ny hevitry Rasazy, Medical and health, Imerintsiatosika.

17/09/2025

Bonsoir daholo
Miato kely aloha ny famaliana message ry zareo an
Efa hiverina Rasazy sady hanomana zavatra tsara sy mety hahafapo anareo mpanaraka😘

29/07/2025

Salama o 👋
Hainareo ve hoe fa maninona rasazy miteny hoe tsy mahazo miotra kibo rehefa bevohoka??
Samia maneho hevitra hoe?👇👇

28/07/2025

Akory ee👋

🙅‍♀️‼️Aza afenina an’ny rasazy rehefa misy perte na tsiranoka hafahafa mandeha amin’ny fivaviana rehefa bevohoka ‼️

❎Mahatonga zavatra maro be izany na eo amin’ny reny na eo amin’ny zaza
❎Ohatra fotsiny hoe mety hahatonga areti-maso be eo amin’ilay zaza (sanatria hampisy nana mihintsy ny maso keliny) ka aleo mitandrina foana
Aza mionona fotsiny amin’ny hoe misasa amin’ny ranona karibonetra

Mirary soa ee

01/07/2025

Indramina kely mintsy aloha ity voalazan’ny dokotera ity😝🤣🤣🤣🤣

18/05/2025

Misy maman mangataka torohevitra ato amin’ny pejy dia aleo zaraintsika dia samy mba maneho hevitra☺️😁
Tsy tadidy foana ny manome vitamine an’ilay zazakely nefa izy mbola anatin’ilay fotoana tokony hihinana isan’andro

Tsara ho fantatra 😉😘
12/05/2025

Tsara ho fantatra 😉😘

Info très utile 👌🥰

06/05/2025

Salama daholo ve sa mangatsiaka o 😁🤪

Averina foana 😏 rehefa bevohoka re tompoko aza dia manao atsirambina aEfa izao ve ny mahazo dia mbola variana maka conse...
11/04/2025

Averina foana 😏 rehefa bevohoka re tompoko aza dia manao atsirambina a
Efa izao ve ny mahazo dia mbola variana maka conseils amin'ny Facebook ihany😣😒
Vao misy tsy metimety na mampiahiahy aleo manatona tombim-pahasalamana foana na bevohoka na tsia na zaza na lehibe

😊
Ny hNy hevitry Rasazy

27/03/2025

Salama daholo ooo👋😘

Aleo aloha mba hanontany anareo mpanaraka indray Rasazy e😉

Ohatry ny ahoana ny nanomezanareo sakafo ny zazah anareo voalohany ?Firy mois nanomboka nanome?

Andao mba samy hilaza izay hainy ary oh

Salama e 😁👋Araky ilay nolazaina omaly dia hiresaka ny fomba fanadiovana oron-jaza isika androany 😉Ny zazakely hatreo ami...
23/03/2025

Salama e 😁👋

Araky ilay nolazaina omaly dia hiresaka ny fomba fanadiovana oron-jaza isika androany 😉

Ny zazakely hatreo amin’ny faha roa taonany dia mbola tsy mahay manisin-delo ka izay no antony anampiana azy amin’ny alalan’ny fanadiovana orona

👉Isaky ny inona no tokony hanadio oron-jaza?

✅isakin’ny maraina
✅alohan’ny hisakafoany
✅alohan’ny hatory
✅rehefa henonao fa tsy mahazo aina izy ka misy lelo ny orony
✅tsy voatery miandry azy voan’ny sery vao manadio orona
✅rehefa avy nivoaka sy nandeha tamin’ny toerana maro olona

👉Inona avy ny fitaovana ampiasaina hanadiovana orona?

✅Seringue 5ml (afaka ampiana embout en plastique lohan’ilay seringue)
✅Sérum physiologique na SSI
✅Mouchoir malefaka hamafana ny lelony

👉Ahoana ilay manadio orona?

✅Sasaina tsara amin’ny rano sy savony aloha ny tanana
✅Maka sérum physiologique na SSI 5ml atao anaty seringue efa miala ilay fanjaitra maranitra
✅Atao matory miorirana ny zaza ary tazonina amin’ny tanana ilany ny lohany mba tsy hietsiketsika
✅ Atsofoka moramora amin’ny tanana ilany anaty lavak’orony ilay ambony ny seringue misy sérum physiologique na SSI ary atsifotra indray mandeha any anaty orony izany
✅Avadika ilay zaza ary atao toy izay ihany koa ny orony ilany
✅Fafaina moramora amin’ny mouchoir malefaka izay lelo mivoaka
✅Afaka averimberina mandrapa-hitanao fa tsy misy lelo manelingelina intsony ny zaza
✅Afaka ataonao toy ny amin’ny sary faharoa ihany koa ny fomba fanadiovana azy raha toa ka efa mipetraka ny zaza

BONUS 😉😉😉 SERUM PHYSIOLOGIQUE FAIT MAISON

✳️Maka vilany madio tsara efa voasasa tamin’ny savony
✳️Asiana rano iray litatra
✳️Asiana sira 9g (lanjaina mihitsy) raha tsy manana fandanjana kosa ianao dia sira 2 sotro kely (2 cuillère à café) no 1g izany hoe sira imbalo ambifolo (18) ny sotro kely izany ilay sira 9g

❗️sira vovony no atao raha tsy manana fandanjana ianao fa ra manana mizana kely kosa dia mety foana na sira vaingany na sira vovony

✳️Avela angotraka mandritran’ny 15 minitra ary avela angatsiaka
✳️Maka tavoahangy efa voadio tsara (tena tsara raha tavoahangy vera misy sarony) ary araraka ao ilay ranon-tsira avy nampangotrahina efa nangatsiaka
✳️Tahirizina amin’ny toerana tsy azon’andro
✳️2 andro ihany farany ela no afaka hitahirizana azy kanefa raha hitanao fa efa miha komavoka ilay lokon’ilay rano dia mila soloina na tsy mbola feno 2 andro aza

Partageo indray ary izay fizarana kelintsika izay raha hitanareo fa nahasoa e😁😉😘😘

22/03/2025

Salama daholo ve o 😁👋

Mirongatra be izao ny bronchiolite amin’izao vanim-potoana akaiky ririnina izao ry ray aman-dreny ka tandremo tsara ny harena kely an😌

👉Fa inona moa Rasazy ilay BRONCHIOLITE ?

Aretin’ny taovam-pisefoana izy io, virus (mikraoba ) no mahatonga azy

❗️Ny mikraoba dia fitambaran’ny « famille » maro be isan’izany ny virus , bactérie, champignons…

👉Iza avy no mety tratran’io aretin’io Rasazy?

Mety ho voan’izy avokoa rehefa sokajin’olona rehetra fa matetika izy io dia amin’ny zaza latsaky ny roa taona no tena somary manahirana kely izay

👉Dia toy ny ahoana indray ny fisehoany?

✅Miantomboka amin’ny sery kely
✅Koaka maina na misy reoaka
✅Maneno ao amin’ny tratra rehefa miaina
✅Miaina mafy sy aingana
✅Mety hanavy na misy hafanana, mety malain-komana sy tsy ampy torimaso na sahirana mihintsy vao mahita tory

👉 Dia inona izany Rasazy ny fanafody hanala an’izy io?

❌Tandremo ny manao « automédication » izany hoe ny manome antibiotique na sirop fantatrao fotsiny hoe manala koaka an’ilay zaza ka tsy nahazoana halalana avy any amin’ny dokoteran-jaza

❌ Tandremo fa tsy azo omena tantely ny zazakely latsaky ny eritaona (tsy mety aloha izany ny méthode grand-mère tantely sy voasary makirana ho an’ny zaza latsaky ny eritaona)

Fisorohana azy no tokony hatao 😌

👉 Ireto avy ary ireo tokony sy tsy tokony hatao ho fisorohana azy

✳️ Manasa tanana matetika amin’ny rano sy savony alohan’ny hikitika zaza indrindra alohan’ny hampinono sy hikarakara ny sakafony ary avy manolo couche

✳️ Amin’ny maha virus azy dia tsara raha tsy mievona manoloana ny zaza mba tsy hipitika any aminy ny roranao ARY raha voan’ny sery ianao mpitaiza azy dia manaova cache bouche

✳️Asio rivotra foana miditra ao antrano , afaka manao purification kely mihintsy

❗️Tsy voatery mampiasa huille essentielle fa rano mangotraka asiana sira no sokafana atao ao antrano indrindra amin’ny alina

✳️ Diovy matetika amin’ny sérum physiologique na SSI ny oron’ny zazakely ( ho alefa publication mitokana rahampitso ny fomba fanadiovana orona sy fomba fanamboarana sérum physiologique ao antrano 😌 fa ataovy be dia be ny partage mba ho hitan’ny hafa 😁)

‼️Tena tsara raha isakin’ny maraina , alohan’ny hisakafo, alohan’ny atorin’ny zaza no diovina ny orony kanefa kosa raha henonao reny fa jenjina sy misy lelo izy amin’ny fotoana hafa dia azonao atao foana

✳️ Ezaho tsy entina mivaoka amin’ny toerana be olona ny zazakely raha azo atao

✳️ Alaviro azy ny setroka sigara sy charbon ary ny setroka fiara sy izay mety anempotra azy

✳️Ento mandeha dokoteran-jaza izy raha mahamay na raha misy mampisalasala anao reny ary izay zavatra lazain’ny dokotera anao no tanteraho antsakany sy andavany fa tsy izay lazain’ny olona ato amin’ny tambazotra an-tserasera 😌

❌ Matetika mantsy isika alaim-panahy hoe nanao aérosol ny zanaky ny atsy ambadika tamin’izy narary dia andeha ihany koa ho ataoko an’izay ny zazakeliko

❌ Ny aérosol dia misy karazany be dia be ka aleo ny dokotera irery ihany no hilaza izay mety amin’ny zanakao

Mankasitraka antsika rehetra namaky hatramin’ny farany ary dia mirary soa sy fahasalama ho an’ny zazakelitsika ao

Address

Imerintsiatosika

Telephone

+261340878819

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Ny hevitry Rasazy posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share

Share on Facebook Share on Twitter Share on LinkedIn
Share on Pinterest Share on Reddit Share via Email
Share on WhatsApp Share on Instagram Share on Telegram