27/03/2026
📢 Trisomie 21 : FANTARO AZAFADY , ALOHAN'NY HITSARANA
Betsaka ny olona mbola diso hevitra momba ny Trisomie 21.
Zava-dehibe ny fanazavana marina, mba hisorohana ny fanilikilihana.
Ny Trisomie 21 dia toe-javatra génétique,
midika izany fa misy fiovana kely eo amin’ny chromosome an’ny olona iray.
👉 Tsy vokatry ny fahadisoan’ny ray aman-dreny izany.
👉 Tsy vokatry ny zavatra nataon’ny reny nandritra ny vohoka.
👉 Ary tsy aretina azo sitranina
Ny olona manana Trisomie 21 dia olona toa antsika ihany:
afaka mankafy fiainana
afaka mianatra
afaka mifandray amin’ny hafa
afaka mandroso rehefa misy fanohanana
Ny tena manimba matetika dia tsy ilay toe-javatra,
fa ny fanilikilihana sy ny tsy fahalalan'ny manodidina azy.
👉 Rehefa tsy azontsika ny zavatra iray, dia mora kokoa ny matahotra azy.
👉 Rehefa mahazo fahalalana isika, dia mitombo ny fanajana.
💡 Andao hianatra hanaja ny fahasamihafana.
💡 Andao hanohana, fa tsy hitsara.
💡 Andao hanome lanja ny maha-olona, na inona na inona fahasamihafana.