04/03/2026
Ny mpianatra 3 ème tao amin'ny CEG Centre indray no nanaovana fanentanana mahakasika ny VIH/SIDA sy Mpox androany Alarobia 04/03/26. Andriamatoa Médecin Inspecteur, ny Tompon'andraikitra ny fahasalamana ara-pananahana ary ny Tompon'andraikitra ny fampiroboroboana ny fahasalamana eto amin'ny distrika Morondava no nanatanteraka ny fanentanana.
▶️ Nohamafisina nandritra izany ny Famporisihana azy ireo tsy hiditra amin'ny firaisana ara-nofo na hampiasa kapaoty hiarovana amin'ny IST/VIH, ny vohoka aloha loatra sy ny vohoka tsy irina.
▶️ Nohazavaina tamin'izy ireo fa ny fitiliana irery ihany no ahafantarana fa mitondra tsimok'aretina VIH ny olona iray na tsia.
▶️ Nampahafantarina azy ireo fa CSB sakaizan'ny tanora ny CSB2 Morondava ary afaka mandray n'y tanora isaky ny Alarobia hariva.
▶️ Nentanina izy ireo mba hanaja ny fepetra sakana mba tsy hiparitahan'ny Mpox ary hanatona tobim-pahasalamana raha sendra misy soritr'aretina mampiahiahy.
▶️ Voaentana : lahy 70, vavy 77
Ho tatitra
PF Com Morondava