Rasazy Tahiny

  • Home
  • Rasazy Tahiny

Rasazy Tahiny ❤️ Sage femme Diplômée d'Etat ❤️
Compétente en Echographie Obstétricale de Base
Sainte Marie ville no misy an-dRasazy ... 😍😍

19/11/2025

Fadio ny Alcool/ tabac / Si*****te rehefa mitondra vohoka fa sao ahazo zaza sampona eo vao hanome tsiny Andriamanitra.

Aza variana annn 😍 Efa miteny aho izay ... 🚶‍♀️
17/11/2025

Aza variana annn 😍 Efa miteny aho izay ... 🚶‍♀️

16/11/2025

1h avant dôdô no tokony misotro rano

farany dia maraina vao mifoha indray.

Izay fa soava ny alina daholo

 fans Ireto indray ary ny nahazo ilay crédit 5000Ar , midira mp am Rasazy ary . Contacte.
15/11/2025

fans Ireto indray ary ny nahazo ilay crédit 5000Ar , midira mp am Rasazy ary . Contacte.

Coucou daholo 😍 Sud - Est Rasazy ( avy à Midongy Sud)  fa miasa aty Sainte Marie, ary nareo panaraka ahy ato mba avy aiz...
08/11/2025

Coucou daholo 😍 Sud - Est Rasazy ( avy à Midongy Sud) fa miasa aty Sainte Marie, ary nareo panaraka ahy ato mba avy aiza daholo 😍😍 ??? Ao ndray ary eee izay commentaires 10 be j'aime mahazo crédit 5000Ar isany 😍Samedi le 15 izao à 17h ny farany lalao kely. Afaka mi mentionné namana hanao j'aime. Abonneo ny page ary oh 😍😘

Faly miarahaba antsika rehetra hatrany oh 👋😍 Noho ny fangatahanareo ary ,vakio kely indray anie... 🍁 3 taona ny fahareta...
20/10/2025

Faly miarahaba antsika rehetra hatrany oh 👋😍 Noho ny fangatahanareo ary ,vakio kely indray anie...

🍁 3 taona ny faharetan'izy ity fa tsy voatery hoe 3 taona izy no entinao, afaka esorinao amin'ny fotoana izay mety aminao

👉 Ny mahatsara azy:

● Tsy mila mitadidy rendez-vous
● Malefaka ,mety ho an'ny mbola tsy niteraka sy ho an'izay maniry ny ho moramora ahazo zaza ihany koa
● Mety ho an'ny mampinono
● Matetika vao hanjanona izy dia tsy miandry ela fa tonga dia miverina ny fandimbolana ( fa samy manana ny toebatany anefa ny tsirairay )

👉 Ny tahapahombiazany :
● 99,9%

👉 Ireo tsara ho fantatra:

Vakio tsara :

🍁 Koa fa satria fitaovana misy hormone izy dia mety hitondra fioavana eo amin'ny vatana , ao anatin'izany ny mety tsy hisian'ny fandimbolana mandritra ny fotoana hanaovana azy. Samy manana ny toebatany anefa, ao ny misy fandimbolana isambolana, ao ihany koa ny misy tasy kely fotsiny rehefa tonga ny fotoana.

》》 Ao ny mandeha rà kely matetika mandritra ny andro maromaro ( raha izay no miseho dia miverena manantona tobipahasalamana mivantana fa misy azo atao amin'izany, tsy midika akory hoe tsy mahazaka ianao fa mitondra fikorotanana kely fotsiny izy )

☆☆☆☆ Mandritra ny 6 volana hitondranao azy no mety hanavao ny vatanao ka mety hiseho ireo fikorotanana ireo fa ao aorin'izay matetika dia efa zatra ny vatana ka hilamina amin'izay.

● Ho an'izay tsy misy fandimbolana ( tsy maninona izany) ,tsy hoe akory misy fandimbolana dia miangona any ho any fa ilay fiforonan'ny fandimbolana mihintsy no tsy misy fa sakanan'ilay fitaovana misy hormone.

👉 ❌️RAHA TOA KA IRETO NO MISEHO❌️ 👇

🤕Marary andoha be tsy zaka ,tsy mety afaka na dia efa hinana fanafody
🚶‍♀️Raha toa ka mandeha rà be ,intelo misolo serviette ao anatin'ny 2h

🙏🙏 Tonga dia miverena manantona tobipahasalamana aingana.

☺️ Izay fa dia mirary ny soa hatrany oh ❤️❤️

Faly miarahaba antsika rehetra hatrany Rasazy 🥰 Vakio kely anie sao dia ilainao eee!!!    🍁🍁 FISA isaky ny telovolana .....
16/10/2025

Faly miarahaba antsika rehetra hatrany Rasazy 🥰 Vakio kely anie sao dia ilainao eee!!!

🍁🍁 FISA isaky ny telovolana ... 👇🍁🍁

Araka izay anarany izay dia tsindrona fanabeazanaizana atao isaky ny 3 volana izy io, ranom-panafody misy hormone manakana amin'ny vohoka tsy iriana.

☆ Ny FAHOMBIAZANY :
● 99,7 % ho an'ny panaraka tsy tara rendez-vous
● 94 à 97 % kosa ho an'ny tara rendez-vous ( hajao ny daty tokony hiverenana )

☆ Ny ZAVATRA METY HISEHO:
● Mety tsy hisy fandimbolana mihintsy mandritra ny fotoana hanaovana azy ( tsy maninona izany ) tsy sanatria akory hoe misy fandimbolana fa miangona any ho any fa ilay fiforonan'ny fandimbolana mihintsy no tsy misy fa sakanan'ilay ranom-panafody misy hormone.
● Mety hisy fandimbolana foana isambolana na tasy kely fotsiny rehefa tonga ny fotoana fa samy manana ny toebatany ny tsirairay anefa.
❌️● Ao ny mandeha rà matetika na kely io na maro ( raha izay no miseho dia miverena manantona tobipahasalamana)

☆ NY REHETRA VE NO AFAKA MANAO AZY :
● Tsia : ny olona manana Tosi-drà avo dia tsy afaka ny manao azy .

☆ AHOANA NY ATAO REHEFA HIJANONA AZY:
● Miverina manantona tobipahasalamana hatrany ,tsy mijanona amin'izao fotsiny satria:
》Izy io vao hajanona tsy tonga dia miverina ny fandimbolana. Samy manana ny toebatany anefa fa matetika dia ela izy vao miverina na mety hiverina izy fa mikorontana ka noho izany aleo miverina hatrany mandamina ny tahan'ny hormone anaty vatana mba ho moramora manaraka izany ihany koa ny fahazoana zaza.
》Ao ny avy dia bevohoka vao mijanona ,ao kosa ireo elaela mety ho amataonany vao mahazo

Nb: Raha mbola tsy niteraka dia tsy dia tsara ny manao azy, rah olona maniry ny ho mora2 ny ahazo zaza ihany koa.
Tsy maha momba izy fa mety ho elaela vao mahazo anefa matoa ianao izay mijanona tsy hanao azy intsony dia mba efa te hiteraka ,izany hoe tsy afaka ny vinavinainao izy fa izay tiany eo.

❌️❌️❌️ Misy safidy maro hafa fa mahaiza maka torohevitra tsara alohan'ny hisafidy ,izay fa mirarisoa ho antsika rehetra.

👋 Faly miarahaba antsika rehetra hatrany Rasazy...       Tsara ho fantatra hatrany fa misy ny atao hoe ZAZA VOALOBOKA ,k...
12/10/2025

👋 Faly miarahaba antsika rehetra hatrany Rasazy...
Tsara ho fantatra hatrany fa misy ny atao hoe ZAZA VOALOBOKA ,ka noho izany aza atao ambaninjavatra ny fisafoana.
👉 Inona no mety ho antony::

● Raha azavaina tsotrotra dia tsy fahatomombanan'ny fitambaran'ny tsirinaina ny lahy sy vavy izay no mety ho antony.
● Eo iany koa ny taona : < 16 ans , na 35- 40 ans
● Ny tsy fahampiany vitamine A ao anaty vatana
mbola misy antony hafa fa vitsy ihany ireo
Zava dehibe ny fisafoana :
❌️ Misy ihany koa ny hoe 《 grossesse claire 》( izany hoe kitapo hifonosany fotsiny fa tsy misy zaza)
❌️ Ary ny hoe Grossesse nerveuse ( tsy bevohoka akory anefa mahatsapa ho toa ny bevohoka ary tena mino) ... ndao misafo ary mba hanamarinana tsara hoe tena zaza tokoa ve ny entinao .

11/10/2025

🙏 Alefa... , aza manaiky vidim-bola izany, mijoro amin'ny marina hatrany. Nivoaka tamin'ny fiarahamonina ianareo ary mbola hiverina amin'ny fiarahamonina ihany koa.
❌️❌️ Mangataka fanafaizana enjana ho an 'ilay Gendarme nandoro volom-behivavy maromaro teny itaosy ary nanitsakitsaka ny lohan'ny iray tamin'izy ireo namoanoana ny afo. Tompoko!!! Esory aminy ny asa maha Zandary azy + sazy sahaza azy.

10/10/2025

😡😡 Tsy rariny izao ann, azon'ireo Gendarme atao ve izao? Averiko foana ,tsy natao ho an'olona be fo ny asa maha pitandro ny filaminana fa lasa pamolo olona. Lasa ny Zandary rehetra no mahazo tsiny anefa tsy izy rehetra akory no ratsy. Miandry fandraisana andraikitra ho an'io Zandary io, aza miantso ny vahoaka ho tezitra fa tena efa tsy rariny intsony izao 😡 Mba efa sangy mihoatra ny loha. Na inona version avy aminao any Président " TSY AZO EKENA IZAO" tsy mendrika io Zandary io . 💔 Raiso ny andraikitra Andriamatoa Filoha ,mahavita manome asa ao anatin'ny 1 sec ianao mino aho fa vitanao ihany koa ny manome ny sahaza ho azy.

09/10/2025

Tsara ny mifoha maraina mba:
☆ mba maka rivotra madio
☆ Ary ny mandeha tongotra 1h / jrs
👉 Tsara ho an'ny fahasalamana izany

Izy telo izany no nivoaka pandresy tamin'ilay lalao ( ● Inona avy ny vokatsoa azo avy amin'ny FISAFOANA??? ) 👉 Mba alefa...
08/10/2025

Izy telo izany no nivoaka pandresy tamin'ilay lalao ( ● Inona avy ny vokatsoa azo avy amin'ny FISAFOANA??? )
👉 Mba alefa mp am Rasazy ary ilay numéro. Randrianarisoa Fanja Nirina , Lucia Ary ,Tolotra Angelidot Anjaravola
☆☆ Mazotoa manaraka ny pejy 😉
fans

Address

Belle-vue, Mahavelou

515

Opening Hours

Monday 08:00 - 17:00
Tuesday 08:00 - 17:00
Wednesday 08:00 - 17:00
Thursday 08:00 - 17:00
Friday 08:00 - 17:00
Saturday 08:00 - 17:00
Sunday 13:00 - 17:00

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Rasazy Tahiny posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Practice

Send a message to Rasazy Tahiny:

  • Want your practice to be the top-listed Clinic?

Share

Share on Facebook Share on Twitter Share on LinkedIn
Share on Pinterest Share on Reddit Share via Email
Share on WhatsApp Share on Instagram Share on Telegram