19/08/2025
🔥 𝙑𝘼𝙇𝙄𝙉𝘼 𝘼𝙉𝘼𝙇𝙔𝙎𝙀 ⚠️⚠️ | Matetika dia asaina manao analyse rà ianao kanefa tsy hainao akory ny aretina tadiavina amin'izy ireny. Tsara ihany anefa no mba manana fahalalàna ankapobeany amin'izany isika Malagasy.
_
✅ Ireto ary ny ampahany amin'izy ireo :
❌ #𝙃𝙀𝙈𝙊𝙂𝙍𝘼𝙈𝙈𝙀 na #𝙉𝙁𝙎 (numération formule sanguine)
👉🏽dia hitiliana hoe ampy rà ve (raha latsaka ny hémoglobine dia tsy ampy rà ilay marary, izay ilay anémie)
👉🏽tafiakatra ambony be ve ny isan'ny sela fotsy (raha ambony ny globules blancs be dia manambara fa misy infection na homamoadany rà)
👉🏽ampy ve ny isan'ny plaquettes (raha latsaka be dia mety ho antony hampande-rà)
❌ #𝘾𝙍𝙋 (c-reactive protein)
👉🏽raha miakatra dia manambara fa misy inflammation izay ilay marary (ny antony dia mety ho microbe tafiditra, na cancer, na aretina hafa). Ny analyse hafa no manampy be be kokoa hitadiavana hoe aiza ilay toerana misy io inflammation io.
❌ #𝘾𝙍𝙀𝘼𝙏𝙄𝙉𝙄𝙉𝙀 sy #𝙐𝙍𝙀𝙀 (azotémie)
👉🏽dia loto ao anaty rà (raha avo be izy io dia tsy miasa tsara ny voa, na hoe manao insuffisance rénale).
👉🏽mety ho fiakarana mandalo miserana fotsiny, ka rehefa tsaboina ilay antony mampiakatra azy dia midina ho normal ihany (izay ilay insuffisance rénale aigue).
👉🏽raha efa potika kosa ny voa, dia tsy hidina ho normale intsony io analyse io (izay ilay insuffisance rénale chronique).
❌
👉🏽hijerena hoe ampy Potassium tsara ve ilay marary, sa tafiakatra avo loatra (hyperkaliémie, izay mety hampijanona ny fò tampoka raha tsy voatsabo) sa latsaka ambany loatra (hypokaliémie, izay mampikorontana fidoboky ny fò, mahatonga faharerahana, crampes, sy maro hafa).
👉🏽ampy sira tsara ve (Sodium sy Chlore). Raha tafiakatra avo loatra (hypernatŕémie, dia mety tsy ampy rano izay ilay olona, na déshydraté). Raha tafidina ambany indray dia tena tsy ampy sira tokoa, na feno rano ny vatany ka mila alaina (hyponatrémie de dilution).
❌ #𝘼𝙎𝘼𝙏 #𝘼𝙇𝘼𝙏 (transaminasémie)
👉🏽hitiliana hoe misy sa tsisy fahavoazana ny aty
👉🏽raha tafiakatra avo be, dia izay ilay antsoina hoe Cytolyse hépatique. Mety ho maro no antony, fa anisany amin'ireo ny Hépatite (virale, médicamenteuse, sns).
❌
👉🏽tahany siramamy ao anaty rà raha vao tsy nisakafo (tokony ho iva ny glycémie raha mbola tsy nisakafo ny olona iray).
👉🏽raha tafiakatra avo dia mety ho Diabeta izay no antony, ka mila manao ilay Cycle glycémique (hijerena hoe miakatra foana ve maraina atoandro hariva? Sa miovaova? Hahafahana mametraka ny fitsaboana mifanaraka amin'izany)
❌ #𝙃𝘽𝘼1𝘾 (hémoglobine glyqué)
👉🏽analyse hijerena hoe Diabetika sa tsia ny olona iray.
👉🏽ampiasana ihany koa hanarahana ireo diabetika mihinana fanafody, hoe voatsabo tsara sa mihombo ny aretina.
👉🏽isan-telo volana ny HbA1c no tokony ho jerena.
👉🏽marihina fa areti-mandoza ny Diabeta, ary mamotika haingana ny Fo, ny Lalandrà, ny Voa raha tsy voatsabo tsara.
❌ #𝘾𝙃𝙊𝙇𝙀𝙎𝙏𝙀𝙍𝙊𝙇𝙀𝙈𝙄𝙀
👉🏽ny LDL-cholestérol, no antsoina hoe cholestérol ratsy (raha tafiakatra avo izy dia betsaka ny risque hanetsenany lalandrà).
👉🏽ny HDL-cholestérol, no antsoina hoe cholestérol tsara (izy indray dia ilain'ny lalandrà, ka tsara raha tena avo ny valiny).
👉🏽raha mikorontana izy ireo dia izay ilay antsoina hoe Dyslipidémie.
❌ #𝙏𝙍𝙄𝙂𝙔𝘾𝙀𝙍𝙄𝘿𝙀𝙈𝙄𝙀
👉🏽tavy any anaty rà izy io, ka mahatsentsina lalandrà raha avo be (sakafo be siramamy sy be menaka no mampiakatra azy)
✅ 𝙎𝘼𝙈𝙄𝘼 𝙈𝙄𝙕𝘼𝙍𝘼
__
Dr. Rakotonoel, Cardiologue ❤️