Fiainana tsotra

  • Home
  • Fiainana tsotra

Fiainana tsotra Miarahaba antsika rehetra izay mandalo eto amin'ity pejy ity. Tongasoa ! Ny antom-pisiany ? Mamakia finaritra ary mirary soa !

Natokako hizarana ny fomba fijeriko ny fiainana, hevitro manokana ihany.

Sa ve za rery ? 😄Salama e ! 🙋Ela ela tsy henoheno fa zao indray vao tafaverina ato e ! Ovaina kely ilay concept an'ity p...
15/07/2022

Sa ve za rery ? 😄

Salama e ! 🙋

Ela ela tsy henoheno fa zao indray vao tafaverina ato e !

Ovaina kely ilay concept an'ity pejy ity fa manjary ohatrany hoe matotra be foana nefa za aza amin'ny fiainana andavanandro tsy dia hoe matotra be 100 % fa mba ilaina ihany koa ilay mananihany sy manao resaka tsy sérieux 👍

Za tsy dia tena maharaka loatra an'ny hira malagasy malaza amin'izao fa ny tonga ao an-dohako voalohany zao dia ilay "Asio tsapiky" amin'izay an'i Mamy Gotso iny na hiran'i Wawa. Mbola malaza ve ry zareo i Mamy Gotso any zay ? 😁

Inona ary ilay hira mampandihy anareo ? Ary inona no hira gasy malaza mihetsika amin'izao ? Soraty eo ambany eo hoe 🙂

Tsiahy kely, n'inon'inona mitranga. ✨ 😉
01/04/2022

Tsiahy kely, n'inon'inona mitranga. ✨ 😉

"Izay maharitra vadin'Andriana, izay tsy maharitra vadin'i Kotokely."Ohabolana malagasy.Ary ianareo ve mba manana fahare...
01/04/2022

"Izay maharitra vadin'Andriana, izay tsy maharitra vadin'i Kotokely."

Ohabolana malagasy.

Ary ianareo ve mba manana faharetana sa somary maimaika ? 🙂

🌞
25/03/2022

🌞

"Aza varimbariana ny lavitra ka tsy mahita ny ambany maso mamiratra."Ohabolana malagasy.
20/03/2022

"Aza varimbariana ny lavitra ka tsy mahita ny ambany maso mamiratra."

Ohabolana malagasy.

🤔 Olona miramirana sy sariaka ary sa motomototra ? ✨Hanihany ihany ny ahy fa mba diniho kely hoe ny zavatra tsara, toetr...
13/01/2022

🤔 Olona miramirana sy sariaka ary sa motomototra ? ✨

Hanihany ihany ny ahy fa mba diniho kely hoe ny zavatra tsara, toetra tsara na asa mba tianareo hamaritana na ahatsiarovana anareo, manamarika amin'ny hafa
😉

Mirary Alakamisy mahafinaritra ho antsika rehetra ✨

Satria tokoa moa fandalovana ihany ny eto an-tany ka tsy aleo ve hafantoka amin'izay zavatra manome fifaliana sy amin'ny...
08/01/2022

Satria tokoa moa fandalovana ihany ny eto an-tany ka tsy aleo ve hafantoka amin'izay zavatra manome fifaliana sy amin'ny olon-tiantsika ny segondra iainantsika eto an-tany ? 😊

Mirary faran'ny herinandro mahafinaritra ho antsika rehetra ✨

N'inon'inona zavatra tianao kasaina dia ataovy ao an-tsaina dieny mialoha hoe " Vitanao io ".✨ Vitanao io raha miezaka m...
05/01/2022

N'inon'inona zavatra tianao kasaina dia ataovy ao an-tsaina dieny mialoha hoe " Vitanao io ".

✨ Vitanao io raha miezaka mafy ianao.

✨ Vitanao io raha entinao am-bavaka.

✨ Vitanao io raha tsy mora manary toky ianao na kivy raha sendra ady sarotra.

✨ Vitanao io raha manana faharetana ianao.

Arahabaina tratry ny taona ! Mirary taona 2022 feno fahasalamana hanantontosàna izay fikasana rehetra !  Ho taonantsika ...
01/01/2022

Arahabaina tratry ny taona !

Mirary taona 2022 feno fahasalamana hanantontosàna izay fikasana rehetra !

Ho taonantsika rehetra anie ity taona vaovao ity. ✨

𝗧𝗲𝗻𝘆 𝗸𝗲𝗹𝘆  #𝟭 - Ny tsiky sy ny fifaliana zaraina miaraka amin'ny hafa dia maimaim-poana ary manome hafanana ny fiainants...
29/12/2021

𝗧𝗲𝗻𝘆 𝗸𝗲𝗹𝘆 #𝟭 - Ny tsiky sy ny fifaliana zaraina miaraka amin'ny hafa dia maimaim-poana ary manome hafanana ny fiainantsika sy ny fiainan'ireo izay hizarantsika izany.

Izy ireo ihany koa dia manampy hiatrehana ireo zavatra mafy izay zakaina amin'ny fiainana amin'ny ankapobeny.

Koa andao ary hazoto hanao izany amin'izao faran'ny taona izao 🙂

Sa ahoana hoy ianareo ?

Salama tompoko ô ! Faly miarahaba antsika rehetra indray amin'izao elaela tsy nitafatafana teo izao, noho ny antony maro...
13/12/2020

Salama tompoko ô !

Faly miarahaba antsika rehetra indray amin'izao elaela tsy nitafatafana teo izao, noho ny antony maro samihafa.

Tsy hizoviana amintsika fa taona hafa kely tokoa ity 2020 ity ho antsika tsirairay avy sy ho an'ity pejy ity.

Na dia tsy moramora aza ny zavatra nodiavina sy mbola hodiavina dia manome hery antsika rehetra hatrany ary mirary fety sambatra ho anareo sahady dieny izao. Aza adino foana ny mitsikitsiky fa mbola ho avy ny maraina !

Mirary soa, fanambinana, fahasalamana, fifaliana sy fahombiazana ho antsika rehetra ary manome fotoana anareo amin'ny taona vaovao 2021 ! 🎄✨

Hafatra kely : Aza misalasala manome soso-kevitra raha misy lohahevitra tianareo hovelabelarina eto amin'ny 2021 😉

✨ Salama daholo ! 😊Satria tena ilaina ny fotoana fialantsasatra dia haka aina kely ny pejintsika. Noho izany dia manome ...
18/07/2020

✨ Salama daholo ! 😊

Satria tena ilaina ny fotoana fialantsasatra dia haka aina kely ny pejintsika.

Noho izany dia manome fotoana anareo amin'ny volana Septambra indray, hanohizana ny fizarana lohahevitra sy torohevitra mahasoa.

Mirary soa antsika rehetra ary manainga antsika hitandrina hatrany ny fahasalamana.✨

Amin'ny manaraka indray ô ! 🌞

Address


Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Fiainana tsotra posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

  • Want your practice to be the top-listed Clinic?

Share

Share on Facebook Share on Twitter Share on LinkedIn
Share on Pinterest Share on Reddit Share via Email
Share on WhatsApp Share on Instagram Share on Telegram

Miaina fiainana tsotra : tarigetram-piainako.

Miarahaba antsika rehetra izay mandalo eto amin'ity pejy ity.

Tongasoa !

Ny antom-pisiany ? Natokako hizaràna ny fomba fijeriko ny fiainana, hevitro manokana ihany mazava ho azy fa tsy hoe akory tia handresy lahatra anao. Manaiky tanteraka ny fifanakalozan-kevitra am-panajàna.

Sehatra hizarako ihany koa ireo sombim-piainako andavanandro sy ny zavatra hankamamiko, ary torohevitra mety mahasoa.