07/04/2021
Manoloana ny fihanaky ny COVID-19 sy ireo variants isankarazany, manana tombony isika Malagasy satria maro ireo karazana legioma sy voankazo mandavan-taona. ANDAO AMPIAKARINA NY HERY FIAROVANA amin'ny alalan'ny fihinanana azy ireny.
✅Atao maro loko ny sakafo eo ambilia, sakafo ara-pahasalamana tsy matavy loatra, tsy be siramamy , tsy be sira. 🍇🥑🍓🥗
✅Misotro rano ary tsy miandry mangetaheta vao misotro. Ny rano mafana dia manampy mamono ny mikraoba isankarazany.🥤🧃
✅Tia fahadiovana, sasana matetika ny tanana.👐
✅Atao ampy tsara ny torimaso, adin'ny valo.🥱😴
✅Mampiasa vatana 30mn isan'andro, na dia dia an-tongotra fotsiny aza.🏊♀️🚴♀️🤸♂️🚶
Ary ny tena zava-dehibe dia ny fanankinana ny fiainana amin'Andriamanitra mpiandry mahery. 🙏🙏🙏