28/09/2025
Misaotra an'i malagasy_little_mom fa tena ilaina ito โค๏ธ ...
Ao anatinโizao vanim-potoananโny tsy filaminana izao dia tena zava-dehibe ny miaro ny ankizy madinika indrindra ara-tsaina sy ara-pihetsepo, ankoatranโny fiarovana ny ainy.
Ireto ary misy torohevitra vitsivitsy azotsika ray amandreny arahana satria miaina ao anaty tahotra ireo menaky ny aintsika aminโizao, ary tsy fidiny ho azy ireo izany.
๐คAmpaherezo : omeo toky izy ireo fa tsy noho izy ireo no antony mahatonga ny fikorotanana misy. Ny ankizy kely mantsy mety mihevitra hoe rehefa misy zavatra tsy mety dia mety izy ireo no antony nahatonga izany.
๐คAvelao sy ampio haneho ny fihetsehampony : henoy, omeo fitaovana hanehoany izany (resaka, fanaovana sary, lalao, โฆ), ekeo hoe matahotra izy. Fa tsy hoe โaza matahotahotra izanyโ.
๐คArovy arakโizay azo atao izy ireo tsy hahita na handre ny zava-misy mampatahotra : vidรฉo, haino amanjery mampiseho sary sy feo tifitifitra sy olona maratra.
Omeo zavatra hahafahany manary dia izy ireo, kilalao mahafinaritra, vakiboky.
๐คAzavao azy ny antony hitazomana anโzareo tsy afaka mandeha mianatra, tsy afaka milalao any ivelany. Azavao hoe fiarovana azy fa tsy hoe fibedesana.
๐คAnehoy fitiavana : fihina, teny mamy, fotoana hiarahana milalao.
๐คAraho maso akaiky : raha sendra tena misy hitanao fa tsy metimety dia aleo manatona mpitsabo ihany. Fahasalamana ara-batana(sempotra ohatra), ary ara-tsaina (mety tsy miresaka na milalao, na manao fihetsika tsy toy ny mahazatra).
Mirary soa ny tsirairay. Mba samy handry fahalemana ny ankohonana rehetra.
malagasy_little_mom