01/12/2025
1 desambra 2025 – Andro manerantany iadiana amin’ny Sida. 🌍
Amin’ity andro manerantany iadiana amin’ny Sida ity, izahay ato amin’ny Doctors for Madagascar dia manamafy ny fahavononanay hanohana ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka mba hihoarana ny sakana ka hampaomby ny paikady hiadiana amin’ny aretina Sida. 🤝
Vonona izahay indrindra fa amin'ny fanohanana ireo mpanentana ara-pahasalamana, amin’ny fampahafantarana ny fiarahamonina eny ifotony mikasika ny VIH/Sida sy ny fikarohana mikasika ireo tranga manome vahana ny fifindran’ny tsimokaretina amin’ny reny sy ny zaza, mba hiarovana azy ireny. 👩⚕️👨👩👧🤱
Amin'ity andro ity, miara-manaiky amin’ireo mpiara-miombona antoka izahay fa ny fisorohana, ny firaisankina ary ny fanoloran-tena iombonana dia tena ilaina mba hiarovana ny olom-pirenena tsirairay amin’ny VIH/Sida sy hirosoana mankany amin'ny fahasalaman’ny Malagasy rehetra. 🛡️🤝