Cabinet Médical NY AIKO

Cabinet Médical NY AIKO Ny cabinet Médical NY AIKO Dia mandray Marary isan'andro.

05/06/2023

Les pharmacies de garde à Madagascar du 03 au 10 juin 2023.

‼️Efa ho avy indray n'y fête mifanesisesy ka izao Ary ,‼️👉Hoanina avec modération avokoa na sakafo na zavam-pisotro.👉Tsy...
25/05/2023

‼️Efa ho avy indray n'y fête mifanesisesy ka izao Ary ,‼️
👉Hoanina avec modération avokoa na sakafo na zavam-pisotro.
👉Tsy mahasalama ny tsy fahalalana honony

Tandrovy ny fahasalamana.Raha:👉Marary/mavesatra ny loha👉Fanimpanina👉Marary ny atoka👉MaloiloyManantona Dokotera fa aza ma...
17/05/2023

Tandrovy ny fahasalamana.
Raha:
👉Marary/mavesatra ny loha
👉Fanimpanina
👉Marary ny atoka
👉Maloiloy
Manantona Dokotera fa aza manao Dokotera tena.

14/05/2023

🔴 ⚠️⚠️ | Ny spasmophilie dia toe-batana iray miseho rehefa tsy voafehy ny fitaintainana. Tsy fanahiniana akory ny spasmophilie fa efa toe-batana.

Maro ny mety hahatonga fitaintainana sy fiasan-tsaina be loatra. Ka raha tsy voafehy ireo dia mety hihafara amin'ny spamophilie. Ny tovovavy no tena matetika hitrangàny.
____

Miseho amin'ny endriny maro ny spasmophilie. Ireto ny fambara matetika hita :
❌ Volivoly ny ilambatana havia iray manontolo
❌ Mikainkona ny tanana indraindray
❌ Midobodoboka be ny fo
❌ Misentosento lava
❌ Mora latsadranomaso
❌ Marary misy manindrona ny tratra
❌ Mahatsapa teritery ny tratra
❌ Mahatsapa semposempotra
❌ Mety ho tonga amin'ny tsy fahatsiarova-tena vetivety izany...

Mety ho fambaran'aretina maro ireo voalaza ireo. Fa ny hahafantarana hoe spasmophilie no mety mahatonga azy, dia ny Dokotera ihany no afaka mamaly izay.

_____
HAFATRA ho an'i SPASMOPHILE rehetra :

➡️ Manatòna Dokotera rehefa miseho aminao ireo fambara ireo. Fadio ny manao Dokotera tena ka mihinana fanafody atoron'ny olontsotra (Magnesium isaky ny mihetsika, Cure de calcium sns). Mahatonga vato any anaty fantsona famoahana amany ireny ka ho raharaha be indray.

➡️ Rehefa tsapanao fa mitaintaina be ianao, na hietsika ilay crise-nao dia mandraisa SACHET KELY (jereo ny sary fanehoana). Ampidiro ao ny vava sy ny orona, aza asina rivotra tafiditra. Ao anaty sachet no miaina, mandrapaha CALME anao. Avereno isaky ny tsapanao fa hoavy ilay crise.

➡️ Mahaiza mandamina saina. Tsy ho voavahanao irery ny olana eto an-tany. Manàna olona iray hifampizaràna olana sy vahaolana.

➡️ Manaova ampy torimaso tsara. Ataovy ara-pahasalamana ny sakafo hoaninao (légumes, fruits, rano).

➡️ Misy régime manokana hoan'ny Spasmophile. Ho zaraina miandalana (satria tena lava be mihitsy ary voazava antsimpirihany).

➡️ Fadio ny zava-mahadomelona (sigara, toaka).
➡️ Manaova fanatanjahan-tena (footing, marche, vélo, sns).
➡️ Mahaiza tsy mivaky loha. Aza hiasàna saina izao tontolo izao.

SAMIA MIZARA
______________
PAGE : Inona vaovao Dokotera 🥕

Address

Logement 133 ICA Antsahasoa Ankaraobato
Antananarivo

Telephone

+261347653674

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Cabinet Médical NY AIKO posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Practice

Send a message to Cabinet Médical NY AIKO:

Share

Share on Facebook Share on Twitter Share on LinkedIn
Share on Pinterest Share on Reddit Share via Email
Share on WhatsApp Share on Instagram Share on Telegram