28/09/2025
🇲🇬 FAMPITANDREMANA ho an'ny vahoaka taorian'ny halatra fanafody nanjo ny Pharmacie du Roi.
Vokatry ny fandrobana tamin'ny farmasia dia maro ny karazam- panafody very.
Tianay ny mampitandrina anareo ny loza goavana ateraky ny fiparitahan'izany eny ivelan'ny tsenam- panafody ara-dalana.
" Ny fanafody dia tsy toy ny vokatra mahazatra fa toy ny poizina mahafaty raha tsy hay ny mampiasa azy "
1- Loza mahafaty:
Ny fanafody dia vokatra Mahery vaika sy haingam- miasa. Ny fampiasana azy tsy nahazoana toromarika avy amin'ny mpitsabo ary koa tsy araky ny fampiasa azy araka ny tokony ho izy ary ny tsy fahalalana ireo toro- lalana dia mitarika fiatrakany ratsy amin'ny fahasalamana sy lasa fahapozinana izay mety miafara amin'ny fahafatesana.
2- Ny fahatanteperahan'ny fetr'andro fampiasa azy sy ny fitairizana ny fanafody :
Ny fomba fitairizana azy ( hamandona, hafanana,...) an'ireo fanafody halatra dia tsy fantatry ny olona sady tsy voamarina. Mety ho simba na tsy mandaitra ary mety lasa poizina mihitsy. Ny fe- potoana azo ampiasaina azy mety efa dila.
3- Vokatra tsy ara- dalana :
-Mampitandrina izahay amin'ny fividianana ireo fanafody ivelan'ny fivarotam- panafody tsy ara-dalana.
-Ny fivarotana fanafody ankoatran'ny farmasia dia tsy ara-dalana.
-Tsy misy antoka mety ho azo amin'ny ny fiandohana sy ny kalitaon'ireo fanafody voavidy.
Antso avo amin'ny fandraisana andraikitra hentitra sy ny fahasalamana
- Aza mividy mihitsy fanafody amin'ny toream- pivarotana tsy ara-dalana
- Aza mampiasa fanafody tsy misy toro- marika avy amin'ny mpitsabo na amin'ny farmasianina .
- Raha sendra mahita fanafody eny amin'ny fako na very, aza ampiasaina na ariana fa atero avy hatrany eny amin'ny fivarotam-panafody akaiky anao.
Ny fahasalamanareo no laharam-pahamenay .
Amin'izao fotoana misy korontana izao dia aoka ho mailo sy itandrina hatrany
Manantena ny fiaraha-miasa aminareo amin'ny fanaparitahana ity fampitandremana ity
Misaotra tompoko 🙏
-----------------------------------------------------------------------------
🇫🇷 URGENT - Alerte à la population suite aux vols de médicaments
À la suite des récentes émeutes, la pharmacie du Roi a été victime d'un vol important de médicaments. Nous tenons à vous alerter sur les dangers extrêmement graves que représente la circulation de ces produits hors du circuit pharmaceutique légal.
« Un médicament n'est pas un produit comme un autre, c'est un poison potentiel si on ne sait pas s'en servir » Dr Rindra Rajohnesy Pharmacien titulaire Pharmacie du Roi
1. DANGER DE MORT : Ce sont des substances actives puissantes. Leur utilisation sans prescription médicale, sans dosage adapté ou sans connaissance des contre-indications peut entraîner des effets secondaires graves, des intoxications, des complications allant jusqu’au décès.
2. PÉREMPTION ET CONSERVATION : Les conditions de conservation (température, humidité) de ces produits volés sont inconnues et ne sont plus contrôlées. Ils peuvent être dégradés, inefficaces ou, pire, devenir toxiques. Leur date de péremption sera peut-être déjà dépassée au moment où ces personnes vous les proposeront.
3. VENTE ILLICITE : Nous vous mettons en garde contre l'achat de médicaments en dehors des pharmacies. La vente de médicaments sur les marchés parallèles ou en ligne par des non-professionnels est strictement illégale et d'une extrême dangerosité. Vous n'avez aucune garantie sur la nature, l'origine ou la qualité du produit acheté.
Appel à la vigilance et à la responsabilité :
· N'achetez jamais de médicaments en dehors d'une pharmacie.
· N'utilisez jamais un médicament qui ne vous a pas été prescrit personnellement par un médecin et délivré à la pharmacie, car même si les symptômes vous semblent similaires, le traitement est spécifique a chacun.
· Si vous êtes témoin de ventes illicites ou si vous retrouvez des médicaments volés, ne les utilisez pas et ne les jetez pas dans les ordures ménagères. Rapportez-les immédiatement à la pharmacie la plus proche pour qu'ils soient éliminés en toute sécurité.
Votre santé est notre priorité. En cette période trouble, plus que jamais, restons vigilants et responsables.
Nous comptons sur votre collaboration pour diffuser cet avertissement.