Médecin près de vous

Médecin près de vous Araho ny pejy fa misy torohevitra mahasoa 😉 à partir de 2000ar

21/08/2024

Siramamy mampatavy!??? Ahoana ny fandehany?

Misy fanontaniana mipetraka hoe Siramamy sa Tantely no tsy mampatavy na mahavoan'ny Diabeta?

1) Tsara ho fantatra: ny Diabeta dia aretina vokatry ny tahana siramamy be loatra anaty rà.

2) Ny atao hoe Siramamy: izay "Glucide" rehetra dia lasa siramamy avokoa rehefa tafiditra @ vatatsika zany hoe ny ZAVATRA MAMY na "naturel io na artificiel" toy ny SIRAMAMY na TANTELY na VOANKAZO, ny VARY, ny ZAVATRA VITA @ LAFARINE rehetra, ny HANIN-KOTRANA (Vomanga, Katsaka, ovy sns)

REHEFA MIHOATRA NY ZAVATRA MISY "MAMY" OHANINAO DIA MATAVY IANAO METY HO TONGA HATRAMIN'NY DIABETA (averiko ihany fa tsy ilay goût sucré ihany no atao hoe MAMY)

Ka noho izany fantaro aza ny zavatra hoaninao fa aza omena tsiny ilay siramamy 1sotrokely tamin'ny dité maraina ka itadiavana tantely ho solony.

Send a message to learn more

aza variana fa misoko miadana ny CANCER DU SEIN fampahafantarana tsotsotra
24/01/2024

aza variana fa misoko miadana ny CANCER DU SEIN
fampahafantarana tsotsotra

17/01/2024

Conjonctivite
Inona indray no azo atao isorohana ny fiparitahan'ny "CONJONCTIVITE"?
_tsy mikitikitika maso
_manasa tanana matetika na mampiasa GEL hydro-alcoolique
_misakafo ara-pahasalamana ampitombo ny hery fiarovana
_manantona mpitsabo raha misy trangan'aretina

Zavatra FADINA, tsy tokony atao kosa manoloana io areti-maso io
_manisy ranon-javatra anaty maso, eny na nonon-dreny aza
_mampiasa fanafody maso tsy avy @ Dokotera nijery anao manokana

NB: ny produit naturel tompoko mety hisy otrikaretina na singa tsy mifanaraka ny tsiranoky ny maso, mety andoro maso ihany koa, koa aleo manantona mpitsabo sao anao-tao foana

"Mpitsabo manakaiky anao"

Vokatra indray ny Letchi, ndao ihinana letchivoankazo mitondra Vitamine C, Potassium, fibre ary be rano ny letchitsara h...
05/12/2023

Vokatra indray ny Letchi, ndao ihinana letchi
voankazo mitondra Vitamine C, Potassium, fibre ary be rano ny letchi
tsara hoa n'ny Hoditra izy,
mety tsara ho an'ny olona ratsiratsy tsinay
be rano amizao andro mafana izao
voankazo mamy izy ka aleo tsy ohanina be loatra indrindra ho a'ny olona diabetika

Tadidio fa ny fihinana mihoatra, na be loatra na inona na inona dia ratsy foana ho an'ny fahasalamana, eny na dia vokatra natoraly aza.

mirary tontolo andro mahafinaritra

Tompoko,Iarahana mahalala fa mitombo ny isan'ireo lozam-pifamoivozana, fanampoizinana ara-tsakafo, tsy fahatsiarova-tena...
20/12/2022

Tompoko,
Iarahana mahalala fa mitombo ny isan'ireo lozam-pifamoivozana, fanampoizinana ara-tsakafo, tsy fahatsiarova-tena vokatry ny fisotroana toaka sy ireo aretina maro samihafa rehefa amin'ny fetin'ny faran'ny taona toy izao. Ny tsara indrindra dia ny fisorohana an'ireny amin'ny fitandreman'ny tsirairay kanefa moa ny fahavoazana tsy mampandre rehefa ho tonga.
Mihamaro ireo manatona tobim-pitsaboana na miankina amin'ny Fanjakana io na tsia ka na efa nivonona amin'izany aza ny Dokotera dia mba misy ihany fotoana mety hitohana kely ka miangavy antsika mba hanaraka ny lamina napetrak'izy ireny.
Toy ny mpiara-belona rehetra dia miezaka manome fahafaham-po ny rehetra ny Dokotera amin'ny asa ataony.
Eny, mety misy ihany ny azo kihanina na ny manao tsirambina mihitsy. Saonjo iray lohasaha ka tsy ilaozan'izay hamarara. Misy koa anefa ny hevitra tsy azo toy ny famaritana ny laharam-pahamehana ka izay indrindra no hiantsoana antsika rehetra mba hanatona ny tomponandraikitra raha misy tsy azoazo na tsy fahafaham-po.
Ny Holafitry ny Dokotera dia vonona hatrany ny handray ireo tolo-kevitra na fanamarihana raha momba ny asan'ny Dokotera. Nanao fianianana izy ireny ary manaraka antsakany sy andavany ny soatoavina sy ny tandrohasina mifehy azy.
Zon'ny marary no mahazo ny fanazavàna feno amin'ny fitsaboana atao aminy. Zon'ny Mpitsabo kosa anefa ny miasa ampilaminan-tsaina. Koa miantso ny fiaraha-miasantsika rehetra mba hirindra arak'izay azo atao ny asam-pitsaboana.
Mirary Krismasy sy Taombaovao sambatra ho antsika rehetra!
ordremedecins@gmail.com
0328811188
" Mitsabo no safidiko, efaiko ny adidiko "

08/12/2022

Mararirary ny andoha,🤕
Miakatra ny hafanana na tsy mahare mafana 🤒🥵🥶
Manakotsako ny vatana
Seriserena kely sady mikohoka..🤧.
😱😱😱
Manantona mpitsabo avy hatrany fa miparataka indray zao ny gripa mahery

Hajao ireo fepetra sakana mba tsy ho voa daholo ny mpianakavy kely:
- sasao matetika ny tanana 💦
- manaova aro vava orina😷
- tapeno @ lanto-tsandry ny vava rehefa mikohoka

Arovy ny tenanao, arovy koa ny hafa
Mirary soa ho antsika indraay ny Médecin près de vous

Mikokohokohoka naharitraritra se? Lasa mahia mihitsy? Nisy rà tampoka ilay rehoka?  🤕🤒 Manantona haingana mpitsabo 😷 Aza...
14/08/2022

Mikokohokohoka naharitraritra se? Lasa mahia mihitsy? Nisy rà tampoka ilay rehoka? 🤕🤒
Manantona haingana mpitsabo 😷

Aza adino ilay fepetra sakana ry se an 😉

La rougeole 🤧🤒🥵
28/06/2022

La rougeole 🤧🤒🥵

Hey! Miakatra ihany ve ilay  tension nefa efa nampiasa garana sy tongolo lay ihany? Manantona dokotera ihany aloha sao a...
01/06/2022

Hey! Miakatra ihany ve ilay tension nefa efa nampiasa garana sy tongolo lay ihany?

Manantona dokotera ihany aloha sao anenenana 😉

💢 1-- Mora kely ny mijery tension ho an'izay mbola tsy nisy
💢 2-- Araho maso eny @ dokotera kosa ho an'ireo efa miakatra tension.

Tandremo ho an'ireo sokajy faharoa fa akaiky ny AVC na fahatapahan'ny lalan-drà

Address

Antananarivo
TANA101

Opening Hours

Monday 06:00 - 19:00
Tuesday 06:00 - 19:00
Wednesday 06:00 - 17:00
Thursday 06:00 - 19:00
Friday 06:00 - 17:00
Saturday 06:00 - 17:00

Telephone

+261340869840

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Médecin près de vous posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share

Share on Facebook Share on Twitter Share on LinkedIn
Share on Pinterest Share on Reddit Share via Email
Share on WhatsApp Share on Instagram Share on Telegram

Category