01/11/2025
🟪 Volana novambra 👉 lavitry ny sigara🚭
Salama daholo e👋
Arak'izao sary hitantsika izao dia tena “mpamono olona” ny sigara☠️. Feno akora mampivarahontsana toy ny Arsenika, plomba, goudron, amonniaka, asetôna, entona monoxyde de carbone…⚠️☣️
👉Raha fintinina dia "poizina" misaro-tava ho an'ny fahasalamana ny sigara."
💡💨 Isaky ny misintona sigara ianao, dia manimba tsikelikely ny havokavokao sy ny fonao izany🫁💔
▶️➡️ Azo atao anefa ny manajanona sigara, ary ny💡 vaovao tsara ihany koa dia raha mitsahatra tsy mifoka mandritry ny:
🌿 20 minitra ianao 👉 mihena avy hatrany ny tosidrà anao
🌿 1 andro 👉 miala amin’ny rà ny setroka
🌿 3 volana 👉 mihatsara ny fofonaina
🌿 Fanampiny 👉 mitombo bé ny vola ao anaty paosinao 👀🤗💰💶
⚠️ Koa ndao ary hifanome tanana🤝 hiady amin'ny fifohana sigara mandritr'ity volana novambra ity 🚭. Fidio ny aina sy ny fahasalamana🌬️😃
💡Hozarainay tsikelikely mandritr'ity volana ity ireo torohevitra mahomby izay manampy amin'ny fialana amin'ny sigara💡
⚠️Raha mila fanarahana sy dinidinika manokana ianao, dia aza misalasala manantona ny toeram-pahasalamana akaiky anao fa vonona hatrany hanampy sy hanoro hevitra anao,anaty tsikitsiky 🙂 sy tsy misy fanamelohana 🙅 izahay👩⚕️👨⚕️🧑⚕️