BIO pharma

BIO pharma đŸŒŸNatoraly plus, Sehatra ara-pahasalamana

đŸŒŸPejy mizara toro-hevitra sy fisorohana ary fitsaboana mahomby (garantie) ho an'ny rehetra.

Tsena ara-dalana an-taonany maro ''produits 100% naturel'' sy mora vidy.

☎038 85 454 75

aboneo ny pejyđŸŒŸ

14/02/2026

Ireo fanazavana foy tokony ho fantatrao mahakasika ny nify. Zarao mba hanampy ny hafa ihany koa♄♄. Arao ny pejy raha mila toro-hevitra ara-pahasalamana maro ianao.

✅Fanazavana
Tsy manomboka amin'ny lavaka ny fahasimban'ny nify. Manomboka an-tsokosoko eo amin'ny akanjon'nify izy io. Rehefa avy mihinana sakafo mamy dia mampiasa ireo siramamy ireo ho loharanon-kery ny bakteria ao am-bava ao. Rehefa mandevona izany ny bakteria dia mamoaka asidra. Ireo asidra ireo dia mipetraka eo amin'ny akanjon'nify ary manimba izany. Ny asidra miparitaka dia manala mineraly toy ny kalsioma sy phosphate ao amin'ny akanjon'nify. Amin'ny voalohany, ity fahasimbana ity dia mikroskopika sy tsy hita maso. Saingy ny fiparitahan'ny asidra miverimberina dia mampihena ny sosona tsirairay amin'ny akanjon'nify. Ny rora dia miezaka mitsabo amin'ny alĂ lan'ny fanesorana ny asidra sy fanoloana ireo mineraly very, saingy rehefa matetika loatra ny fanafihana asidra ataon'ireo bakteria, dia tsy ampy intsony ny dingana fanamboarana.
Rehefa mandeha ny fotoana, dia marefo tsikelikely ny akanjon'nify, ka mamela ny bakteria hiditra lalindalina kokoa ao amin'ny nify. Izany no fomba fiforonan'ny lavaka. Tsy trangan-javatra tampoka ny fahasimban'ny nify. Vokatry ny fahasimbana simika miverimberina sy mangina isan'andro izany.

✅🌿Inona ary ny tokony atao? Ireto misy sakafo sy fihetsika tokony atao :

đŸ„› Sakafo misy kalsioma mba hanamafy ny nify : Ronono, Yaourt, Fromazy, Trondro kely azo hanina miaraka amin’ny taolana
đŸ„Ź Sakafo misy vitamina D mba hanampy ny vatana handray kalsioma : Atody, Trondro matavy, Fiposahan’ny masoandro (tsy sakafo fa manampy)
đŸ„• Legioma sy voankazo mafy mba hanadio nify rehefa mitsako, mampitombo rora satria ny rora dia mampihena asidra ao am-bava : Karaoty, Paoma, Concombre
đŸ„œ Sakafo misy phosphore izay manampy amin’ny fanamboarana ny akanjon'nify : Voanjo, Trondro, Atody
đŸš« Sakafo tsara ahena : Zava-mamy be, Soda sy ranom-boankazo mamy be ary Sakafo miraikitra amin’ny nify. Satria ireo dia mampitombo asidra ka manimba nify.

â™„ïžđŸŒżTorohevitra fanampiny :
🍁Misotro rano matetika
🍁Manasa nify intelo isan’andro
🍁Brosse nify malefaka ampiasaina ary ampiarahina amin'ny dentifrice tsy lany daty
🍁Aza matory raha vao avy nihinana mamy

♄
14/02/2026

♄

Satria mendrika ny tsara indrindra ianao sy ny malalanao dia tonga indray ny solution original natural afaka manampy sy ...
13/02/2026

Satria mendrika ny tsara indrindra ianao sy ny malalanao dia tonga indray ny solution original natural afaka manampy sy mitsabo ny '' éjaculation précoce '' na ny fahatongavan'ny tsirinaina aloha loatra. Aza tara ianao fa vitsivitsy ny stock.

🍌 Ampiasaina ora vitsy mialohan'ny acte♀♂ dia mandaitra avy atrany
🍌 Mitsabo tanteraka ka tsy ilaina intsony ny mividy rehefa sitrana. Solution speed anefa maharitra
🍌 Tsy misy effet secondaire sady Bio fa tsy pillule chimique
🍌 Mamerina fahatokisana sy manatsara ny fifankatiavana
🍌 Manatsara sy mitazona herijika ho an'ireo lehilahy tsy manana olana Ă©jaculation
🍌 Prix tena mora kanefa fanafody original Natoraly plus

✅ Fanafody azo antoka sy mahomby ara-pahasalamana
✅ Tanjaka plus Natoraly plus ihany jifaina

🍁Raiso ka antsoy ny 038.85.454.75
🍁Boutique : Androndra Ampamantanana, prĂšs arrĂȘt bus 151&117
đŸ›” Livraison par tout

😊🍌Tadidinao ve rehefa minan'akondro iny, mampikipy maso ilany😏. Ity indray aza ny tombotsoa mety tsy hainao momba ny ako...
12/02/2026

😊🍌Tadidinao ve rehefa minan'akondro iny, mampikipy maso ilany😏. Ity indray aza ny tombotsoa mety tsy hainao momba ny akondro. Safidio tsara ny akondro miankina amin'izay otrikaina tedavinao.

🟱Akondro maitso (Verte)
Manankarena prĂ©biotiques (manampy ny “tsinay” na intestin hiasa tsara). Manampy amin’ny fandevonan-kanina (digestion). Manampy amin’ny fitazonana ny tahan’ny siramamy ao anaty rĂ  (glycĂ©mie) mba hilamina.
👉 Tsara ho an’ny olona manana olana amin’ny tsinay na te hifehy siramamy.

🟡Akondro efa manomboka masaka (Presque mĂ»re)
Kely siramamy fa mbola betsaka fibres (manampy amin’ny fivezivezen’ny tsinay). Manome angovo maharitra (Ă©nergie stable).
👉 Tsara ho an’ny olona manao fanatanjahantena na miasa mandritra ny ora maro.

🟡Akondro masaka (MĂ»re)
Manankarena antioxydants (miaro ny sela amin’ny fahasimban’ny radicaux libres). Mora levonina ao anaty vavony. Manampy amin’ny fanamafisana ny hery fiarovana (immunitĂ©).
👉 Safidy tsara ho an’ny rehetra, indrindra ho an’ny ankizy sy zokiolona.

🟠Akondro tena masaka (TrĂšs mĂ»re)
Mbola misy antioxydants. Mora levonina kokoa. Haingana manome angovo satria mitombo ny siramamy voajanahary.
👉 Tsara ho an’ny olona mila angovo haingana (ohatra rehefa reraka).

đŸŸ€ Akondro misy teboka mainty (TachetĂ©e)
Super antioxydante (miaro vatana bebe kokoa). Be siramamy voajanahary, ka manome angovo haingana. Mety tsara amin’ny fanaovana “smoothie” na sakafo mamy voajanahary. Oh : m**o
⚠ Saingy: Mihena ny fibres, ka tsy dia tsara loatra ho an’ny olona mila mifehy siramamy.

📌
Raha te hanatsara fandevonan-kanina ➜ akondro maitso.

Raha te hanana angovo milamina ➜ akondro efa manomboka masaka.

Raha te hahazo antioxydants sy mora levonina ➜ akondro masaka.

Raha mila angovo haingana ➜ akondro tena masaka na misy teboka.

Ny tombontsoa efatra mety  tsy fantatrao momba ny ZavokađŸ„‘. Izy ity dia zavamaniry feno otrikaina sy akora manasitrana. đŸ„‘...
10/02/2026

Ny tombontsoa efatra mety tsy fantatrao momba ny ZavokađŸ„‘. Izy ity dia zavamaniry feno otrikaina sy akora manasitrana.

đŸ„‘Ny voankazo (Pulpe) avy apiny dia manankarena vitamina (A, E, K) sy minĂ©raux izay manamafy hery fiarovan’ny vatana, manampy amin’ny fandevonan-kanina sy fampitony ny kibo, manohana ny fo sy ny lalan-drĂ 
Fihinana azy : Hanina madio na afangaro amin’ny sakafo (salady, vary, m**o) na atao dĂ©sert

🌿Ravina Zavoka dia manampy amin’ny fampitony ny fanaintainana (kibo, hozatra), manohana ny fanadiovana ny voa, manampy amin’ny “tension artĂ©rielle” ho tony.
Fikarakarana : Rano iray zinga + ravina maina 3, andrahoy 10 minitra. Sotroina vera 1 isa-maraina mandritra ny andro vitsivitsy.
⚠ Fampitandremana: Aza mihoatra ny fatra, ary atsaharo raha misy tsy fahazakana

🌰Voan’ny Zavoka (Graine) dia Manana “antioxydants” miaro sela, Manampy amin’ny fivalanana sy fahadiovan’ny tsinay, Manohana ny “systùme immunitaire”.
Fikarakarana : Mainina tsara, potehina ho vovoka. Io no arotsaka kely dia kely amin’ny dite na ranom-boankazo
⚠ Zava-dehibe: Ampiasao amin’ny fatra kely ihany.

đŸ’†â€â™€ïžMenaka Zavoka dia Manasitrana hoditra maina, mampitony fanaintainana madinika, Manamafy volo, mampihena fikorontanana
Fikarakarana : Hosory mivantana amin’ny hoditra na volo, Afangaro amin’ny menaka natoraly hafa (oh: menaka coco)

Aza misalasala mi-partage mba hanampiana ny hafa. Arao atrany ny pejy

BIO pharma 👈

🍄 Mahaliana anao ve ny tombontsoa ho sitrahanao rehefa mihinana Holatra na champignons.✅ Tombontsoa ho an’ny fahasalaman...
08/02/2026

🍄 Mahaliana anao ve ny tombontsoa ho sitrahanao rehefa mihinana Holatra na champignons.

✅ Tombontsoa ho an’ny fahasalamana

Manankarena otrikaina. Ny holatra dia misy vitamina maro, indrindra ny vitamina B sy D, ary mineraly toy ny potassium sy vy, izay ilain’ny vatana. Manamafy ny hery fiarovan’ny vatana. Fanampiny izany dia manampy ny vatana hiaro tena amin’ny aretina sy mikraoba ny fihinanana holatra.
Tsy mampatavy izy satria ambany kaloria ny holatra ka mety tsara ho an’izay te hifehy ny lanjany (mila forme😊). Tsara ho an’ny fo ary manampy mampihena ny tavy ratsy ao anaty rĂ  (cholestĂ©rol) ny holatra ka miaro ny fo sy ny lalan-drĂ .
Manatsara ny fandevonan-kanina satria mora levona ny holatra ary manampy hisoroka ny fitohanana sy ny kibo mivonto.

đŸŸ©Ahoana indray ary ny fomba fihinanana azy? Maro bĂ© ny recette fa ity misy ohatra :

đŸœïžHolatra endasina amin’ny tongolo gasy
đŸ§ș Akora ilaina : Holatra azo hanina + Tongolo gasy 2 + Menaka 1 sotro + Sira araka izay ilaina + Dipoavatra + Tongolo maitso na ravina persily (tsy voatery)
👹‍🍳 Fomba fikarakarana : Sasao tsara ny holatra ary tetehina ho sombiny. Afanaina ny menaka ao anaty lapoaly. Ampidirina ny tongolo gasy voatetika, avy eo ny holatra. Endasina mandritra ny 5 ka hatramin’ny 7 minitra mandra-pahamasaka tsara. Asiana sira sy dipoavatra, ary ampiana tongolo maitso raha tiana. Aroso mafana miaraka amin’ny vary atao laoka.

⚠ Fanamarihana manan-danja

👉 Mihinàna holatra azo antoka ihany.
Aza mihinana holatra tsy dia fantatra mihitsy satria misy holatra misy poizina ka mety hampidi-doza ho an’ny aina. Fantaro tsara ny holatra hohaninao.

Ravintsara ĂŽ!!! Ary raha mila fanampiana kely voajanahary fotsiny ny vatanao ?” 🌿 Torohevitra ara-pahasalamanađŸ”Dite Ravi...
06/02/2026

Ravintsara î!!! Ary raha mila fanampiana kely voajanahary fotsiny ny vatanao ?” 🌿 Torohevitra ara-pahasalamana

đŸ”Dite Ravintsara ho an’ny vatana reraka. Natao ho fampitoniana sy fanarenana hery
Fikarakarana : Ravina Ravintsara vaovao 3 na 5. Sasao tsara, ampangotrahina amin’ny rano 1 zinga mandritra ny 5 na 10 minitraFomba fisotro : vera 1 maraina na harivaVokatsoa : mampitony ny vatana, manala harerahana, manampy ny hery fiarovan’ny vatana

đŸŒŹïžMihevoka ravina Ravintsara ho an’ny sery sy gripa. Izy io dia manalefaka sy manatsara ny taovam-pisefoana
Fikarakarana : Andrahoina anaty vilany ny ravina Ravintsara (tsy sokafana ny vilany). Iny no evohana, mifoka ny etona mafana (inhalation) mandritra ny 5 minitra.Vokatsoa : manokatra orona, manamaivana kohaka sy fahasemporana, manasitrana

🧠Ravina Ravintsara ho an’ny adin-tsaina sy torimaso. Izy ity dia manome fahatoniana ara-tsaina
Fikarakarana : Apetraho eo akaikin’ny fandriana fotsiny ny ravina maina na manaova dite malefaka alohan’ny hatoryVokatsoa : mampitony saina, manampy torimaso lalina sy milamina

đŸ€§Fampihenana fanaintainana sy fanaovana “bain de vapeur”. Izany dia manalefaka ny hozatry ny vatana
Fikarakarana : Ravina Ravintsara andrahoina anaty rano mafana. Atao “bain de vapeur” amin’ny tongotra na vatanaVokatsoa : mampiala fanaintainana, manamaivana havizanana be

⚠ Fitandremana ilaina

Aza misotro be loatra : 1 na 2 fois isan’andro dia ampy. Raha misy tsy fahazakana, atsaharo avy hatrany.

🌿 Hafatra avy amin’ny Natoraly plus

Ny ravin’ny Ravintsara dia fanohanana voajanahary ho an’ny fahasalamana, manampy ny vatana hamerina ny fifandanjany. Tsy fanafody mahagaga izy, fa namana azo itokisana rehefa ampiasaina am-pahendrena sy am-pitoniana đŸŒ±

Raha misy aretina tsapanao oe lalina, aza manao dokotera tena fa mifandraisa aminay mivantana. 038.85.454.75

Zarao raha tianao hahasoa ny hafaâ™„ïžđŸ€â™„ïž

Ny PAPAYE dia zavamaniry tena be otrikaina, Ireto misy toro-hevitra vitsy afaka manampy anao.🟱 Fanatsarana ny fandevonan...
04/02/2026

Ny PAPAYE dia zavamaniry tena be otrikaina, Ireto misy toro-hevitra vitsy afaka manampy anao.

🟱 Fanatsarana ny fandevonan-kanina (Digestion). Ny papaye dia misy “enzyme digestive” antsoina hoe papain, izay manampy ny vatana handevona sakafo mora kokoa.
Ampiasaina raha : Misy kibo mivonto, Tsy mahalevon-kanina, Misy fanaintainana ny kibo . âžĄïž MihinĂ na fotsiny papaye masaka aorian’ny sakafo mba hampitony ny kibo.

🟱 Fanadiovana tsinay sy fanalefahana fitohanana. Manampy ny tsinay hiasa ara-dalàna ny papaye noho ny fibres naturelles ao aminy.
Ampiasaina raha : misy Fitohanana (constipation). âžĄïž Papaye masaka + rano mafanafana isaky ny maraina alohan’ny sakafo.

🟱Fanamafisana ny hery fiarovan’ny vatana (ImmunitĂ©). Manankarena vitamine C, vitamine A ary “antioxydants” ny papaye. Izany dia manamafy ny hery fiarovan’ny vatana. Manampy miady amin’ny harerahana sy aretina miverimberina. âžĄïž MihinĂ na papaye tsy tapaka ho fanohanana ny vatana amin’ny fomba voajanahary.

🟱Ravin-papaye ho an’ny fahasalamana. Ny ravin’ny papaye dia ampiasaina amin’ny fanadiovana rĂ , fanohanana ny vatana rehefa malemy. âžĄïž Ravina papaye masaka atao “dĂ©coction” (ampangotrahina) ary sotroina amin’ny fatra voafehy.

🟱Manatsara ny hoditra. Manampy amin’ny fanavaozana sela ny papaye noho ny “enzyme naturel” ao aminy. Ampiasaina raha manana hoditra malemy na hoditra Pentina na hoditra kentrona. âžĄïž Papaye masaka atao masque naturel amin’ny tarehy (indray mandeha isan-kerinandro).

🌿Natoraly Plus dia manolo-tena hanome torohevitra voajanahary, azo itokisana ary manaja ny vatanao. Raha tianao ny fifampizarana, aza misalasala mi-partage amin'ny namanaođŸ€â™„ïž

⚕Sasatry ny vahaolana tsy tena mahomby ve ianao ? Vitsy ny olona mahalala ity tsiambaratelo voajanahary ity. Manome tok...
03/02/2026

⚕Sasatry ny vahaolana tsy tena mahomby ve ianao ? Vitsy ny olona mahalala ity tsiambaratelo voajanahary ity. Manome toky anao izahay fa efa anananay ny traikefa feno. Dieny mbola tsy ''VIH stade farany'' no misy anao na ny havanao dia mifandraisa mivantana amin'ny pejy mba hanalana tanteraka izany aretin-doza izany. Maharitra iray volana sy tapany ny fitsaboana olona iray voan'ny VIH. Rehefa tapitra ny traitement dia efa sitrana tanteraka ilay nitondra na ilay narary ny tsimok'aretina VIH. Fahasitranana garantie.

Raiso ka antsoy 📞038.85.454.75
Adresse 🚌 ArrĂȘt bus 151 na 117
🏠 Androndra Ampamantanana (Ankadimbahoaka no mivily)

Ny tsara ho fantatra mahakasika ny VIH (vakio tsara) :
đŸŸ„Aretina ratsy indrindra
đŸŸ„Ny fomba mety indrindra hanamarinana ny fitondrana azy dia ny fanaovana test na analyse ihany. Misy ihany ny fambara tsapa sy hita eny amin'ny vatana saingy mila hamarinina izany.

đŸŸ„Fomba fifindran'ny VIH dia maro be
đŸ‘„Ny VIH dia mifindra mandritra ny firaisana ara-nofo tsy voaaro amin'ny olona voan'ny aretina.
đŸ©žFifindran-dra amin'ny alalan'ny fomba maro toy ny lame mpanety, syringe maloto, ratra misokatra, sns.
đŸ€°đŸ€±Ny reny mitondra ny tsimokaretina VIH dia mety hamindra io virus io amin'ny zanany mandritra ny fitondrana vohoka, ny fiterahana, na ny fampinonoana. (Manana solution ihany koa izahay momba io)

đŸŸ©âœ…Ny PHASE TELO VOALOHANY dia mbola azo tsaboina tsara ato aminay (tsy misy mampanahy mihitsy)
✓🚹Dingana voalohany (Primo-infection)
Raha vao tafiditra ny otrik'aretina VIH dia mihamaro haingana be ny virus. Ity dingana ity dia maharitra herinandro vitsivitsy eo ary mety miaraka amin'ny soritr'aretina mahazatra toy ny gripa, ny tazo, ny aretin'andoha, ny tenda ary ny fihenan-danja.
(Mbola azo sitranina tsara)
✓🚹Dingana Faharoa (asymptomatic)
Mety haharitra taona vitsivitsy. Ny soritr'aretina voalohany dia manjavona ho azy, tsy midika akory izany oe sitrana ilay olona (ilay tena mamitaka). Mitombo sy mifindra foana ilay virus, nefa tsy misy soritr'aretina hita intsony mandritra ny taona vitsy. Ny antony dia satria mbola mahavita miady amin'ny ankamaroan'ny aretina ny rafi-kery fanefitra ilay olona.
(Mbola azo sitranina tsara ihany koa)
✓🚹Dingana Fahatelo (Symptomatique)
Afaka taona vitsivitsy dia miverina masika indray ny soritr'aretina. Miharesy tsikelikely ny hery fiarovana noho ny fanafihana miverimberina ataon'ireo virus VIH maro be manerana ny vatana. Mipoitra indray ny soritr'aretina vokatrio, toy ny havizanana maharitra, tsemboka sy mamay amin'ny alina, manaraka ny tazo, aretim-pivalanana na fihenan-danja sy ireo endrika hita maso toy ny amin'ny sary etsy ambany.
(Mbola azo sitranina tsara na izany aza)
❌Dingana farany (SIDA na Acquired Immunodeficiency Syndrome)
Io no dingana mandroso indrindra amin'ny ity otrikaretina VIH ity. Eto, ny vatana dia lasa mora voan'ny aretina mpanararaotra maro toy ny pnemonia sy ny Cancer. Raha bangona tokana dia efa simban'ny Virus tanteraka ilay olona ka tsy manana hery intsony ny vatany hiatrika fitsaboana mahery. Mba hialana io Stade final io dia mifandraisa aminay aingana ianao.
(Tsy sitrana intsony amin'ny Ankapobeny)

đŸŒŸâš•ïž Natoraly plusâš•ïžđŸŒŸ
''Vokatra natoraly azo antoka no antoky ny fahasalamana''

Harao ny pejin-tsika raha hanaraka astuce ara-pahasalamana maro (clic suivre)

Te halala bebe kokoa ny tombontsoa azo avy amin'ny tongolo gasy na tongolo lay ve ianao? Ity misy toro-hevitra vitsy.đŸ›Ąïž ...
01/02/2026

Te halala bebe kokoa ny tombontsoa azo avy amin'ny tongolo gasy na tongolo lay ve ianao? Ity misy toro-hevitra vitsy.

đŸ›Ąïž 1. Fanamafisana ny hery fiarovan’ny vatana mba hisorohana aretina sy havizanana matetika
Mitoto tongolo gasy 1 na 2. Afangaro amin’ny tantely kely. Iny no hoanina maraina, alohan’ny sakafo
Soa:
Manampy amin’ny fanamafisana ny "systùme immunitaire". Miaro amin’ny gripa sy sery.

❀ 2. Fanohanana ny fahasalaman’ny fo
Mianana tongolo gasy manta 1 isan’andro, miaraka amin’ny sakafo
Soa:
Manampy amin’ny fanadiovana ny lalan-drà. Manohana ny "circulation sanguine". Manalefaka ny tosidrà sy manatsara ny fikorianan’ny rà

đŸ€§ 3. Fanamaivanana ny sery sy kohaka
Tongolo gasy nototoina + ranom-boasary makirana + tantely. Minana indroa isan’andro.
Soa:
Manamaivana kohaka. Manadio ny tratra. Mampitony ny taovam-pisefoana.

🩠 4. Fanoherana mikraoba sy champignon. Atao ho fiarovana ivelany sy Fanadiovana hoditra
Tongolo gasy notorotoro + menaka natoraly. Hosorana amin’ny faritra misy olana (holatra, mangidihidy)

đŸŒ± 5. Fanatsarana ny fandevonan-kanina sy Mampitony kibo
Tongolo gasy masaka atao anaty sakafo

🛑 6. Tension miakatra na midina tampoka.
Mety hanampy anao hi-satble tosi-drà ny tongolo lay. Misy ny manao azy ho “suppositoire”, izany hoe alaina ny hasiny iray dia voasana dia iny no atsofoka amin’ ny lavaka fivoahan’ ny maloto. Atao indray mandeha isanandro. Misy indray kosa ny efa mahazaka mihinana izany avy hatrany, ka hasiny fito no hanina kepohina dia arahina rano avy eo. Azoatao tsara ny mihina azy mandritra ny sakafo. Ny tena olana amin’ ny tosidra dia mety hiteraka fahatapahan’ny lalandra tampoka, ka mety hahafaty na hampalemy ilay olona ka izay no itandremana fatratra ny tena. Rehefa mahatsiaro marariray hatoka na mihenjakenjan-katoka dia ny tongolo gasy no tokony hokepokepohina haingana.

âš ïžđŸŒżNatoraly Plus
Aza atao tafahoatra loatra ny fihinanana tongolo gasy manta. Raha manana olana amin’ny kibo na mihinana fanafody maharitra ianao, aza misalasala manantona anay.

🌿 Ny clous de girofle dia zava-maniry manankarena amin’ny “antiseptique”, “anti-inflammatoire” ary “antioxydant”.â­•đŸŠ·Fanam...
27/01/2026

🌿 Ny clous de girofle dia zava-maniry manankarena amin’ny “antiseptique”, “anti-inflammatoire” ary “antioxydant”.

â­•đŸŠ·Fanamaivanana fanaintainan-nify. Mampitony fanaintainana sy miady amin’ny mikraoba.
Fomba fampiasana :
Raiso clou de girofle iray, totoina na tsakoina moramora. Apetraho eo amin’ilay nify marary mandritra ny minitra vitsy. Manampy hampitony haingana ny fanaintainana noho ny heriny “analgĂ©sique” sy “antibactĂ©rien”.

â­•đŸ€§Fanamaivanana sery sy kohaka
Manafana ny vatana, manadio ny lalan-pisefoana.
Fomba fampiasana :
Ataovy mangotraka ny rano iray kaopy. Ampio clous de girofle 3 na 4. Avela hilona 10 minitra, sotroina mafana.

â­•đŸœïžFanatsarana ny fandevonan-kanina. Manala fitohanana sy fanaintainan-kibo.
Fomba fampiasana :
Aorian’ny sakafo, tsakoina clou de girofle iray na atao dite malefaka.

â­•đŸ›ĄïžFanamafisana ny hery fiarovan’ny vatana. Miaro amin’ny aretina sy havizanana.
Fomba fampiasana :
Afangaro amin’ny tantely ny ranon-dite clous de girofle. Sotroina indray mandeha isan’andro. Manankarena “antioxydants” izay miady amin’ny fahasimban’ny sela.

⭕😌Fanalefahana adin-tsaina sy havizanana. Mampitony saina sy vatana.
Fomba fampiasana :
Ataovy ao anaty dite hariva ny clous de girofle 1 na 2. Sotroina alohan’ny hatory. Manampy mampiala sasatra sy manatsara torimaso.

⚠ Torohevitra manan-danja
Aza ampiasaina tafahoatra ny clous de girofle. Tsy natao ho an’ny vehivavy bevohoka raha tsy mahazo alalana amin'ny mpitsabo. Raha misy aretina mafy na maharitra, manatona mpitsabo

🌿 Natoraly plus
-Vokatra natoraly azo antoka no antoky ny fahasalamana.
-Miaramiasa ho an'ny fahasalamanao.

Te hahafantatra bebe kokoa momba ny fomba fampiasana ny MORINGA ve ianao? Izy io dia iray amin’ireo zavamaniry natoraly ...
24/01/2026

Te hahafantatra bebe kokoa momba ny fomba fampiasana ny MORINGA ve ianao?

Izy io dia iray amin’ireo zavamaniry natoraly manankarena otrikaina indrindra. Izy dia ampiasaina amin’ny fitsaboana nentim-paharazana noho ny fahafahany manampy amin’ny fanasitranana sy fanalefahana aretina maro.

⭕Fiarovana sy fanarenana ny vatana

👉 Ny ravin’ny moringa dia manankarena vitamina, minĂ©raux, ary antioxydants. Fampitomboana ny hery fiarovana sy fisorohana ny aretina miverimberina.

Fomba fampiasana :

Arotsahy ao anaty rano mafana ny ravina maina na vao nototoina
Sotroina indray mandeha isan’andro, maraina

⭕Fanadiovana sy fanalefahana ny aty (foie)

👉 Ny moringa dia manampy ny aty hanala ny toxines ao amin’ny vatana. Manampy amin’ny fanalefahana havizanana sy fanadiovana rà

Fomba fampiasana :

Ravina moringa + rano mafana
Avela hilona 10 na 15 minitra
Sotroina alohan’ny sakafo hariva

⭕Fanamaivanana ny aretin’ny vavony sy tsinay.

👉 Ny moringa dia manampy amin’ny fanaintainan’ny vavony sy ny fivalanana na fitohanana.

Fomba fampiasana :

Afangaro amin’ny sakafo (lasopy, vary, anana) ny vovon-dravina moringa. Ampiasaina kely fa tsy be loatra.

⭕Fanamafisana ny taolana sy ny hozatra

👉 Ny moringa dia misy calcium sy protĂ©ines betsaka. hery sy faharetan’ny vatana.

Fomba fampiasana :

Vovon-moringa 1 sotrokely. Afangaro amin’ny tantely na ranom-boankazo

✔ Manampy amin’ny:

Fanamafisana taolana sy fanarenana hozatra (indrindra ho an’ny mpanao fanatanjahan-tena)

⭕Fanaraha-maso ny siramamy ao anaty rà

👉 Ny moringa dia fantatra fa manampy amin’ny fifehezana ny taux de sucre sy fanalefahana ny diabeta.

Fomba fampiasana :

Sotroina ho ranom-boankazo na dite moringa. Aza atao mihoatra ny indroa isan’andro.

⚠ Torohevitra manan-danja mila tandremana.
đŸ€Raha efa mihinana fanafody hafa ianao, tsara ny manatona mpitsabo.
đŸ€Aza mihoatra ny fatra → ny natoraly koa mila fandanjalanjana.
đŸ€Tsara ho an’ny fisorohana sy fanohanana ny fahasalamana.

Aza misalasala manantona ny Natoraly plus raha hitsabo tena na hangataka toro hevitra.

Harao ny pejy, zarao amin'ny namana

Address

Androndra Ampamantanana Vl 55B
Antananarivo
101

Opening Hours

Monday 08:00 - 17:00
Tuesday 08:00 - 17:00
Wednesday 08:00 - 17:00
Thursday 08:00 - 17:00
Friday 08:00 - 17:00
Saturday 08:00 - 17:00
Sunday 08:00 - 17:00

Telephone

+261341428991

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when BIO pharma posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share

Share on Facebook Share on Twitter Share on LinkedIn
Share on Pinterest Share on Reddit Share via Email
Share on WhatsApp Share on Instagram Share on Telegram