04/01/2026
Salama tratran Taona daholo eh🎊🎉
👉Manoloana ny fiparitahany Variole de singe
Ireto misy fampahafantarana sy fisorohana tsara ho fantatra👈
🦠 Variole de Singe (Mpox)🙉
– Zava-dehibe Tsara ho Fantatra
🤒 Fisehoan’ny aretina:
Tazo, harerahana, fanaintainana hozatra,
Fipoahan’ny fery amin’ny hoditra: tanana, tongotra, tratra, na faritra manodidina ny fananahana.
Mety mitombo ny ganglions
(Fivontosana)😫
🛑 Fifindran’ny aretina:
Fifandraisana akaiky amin’ny olona marary
Fikasihana zavatra na fitaovana nampiasain’ny marary toy ny🥃🍴🎽👕🧣
🛡️ Fisorohana:
Sasao matetika ny tanana amin’ny savony🧼 sy rano na gel anti-bakteria.
Aza mikasika olona misy fery mampiahiahy🫷
Aza mampiasa zavatra iraisana (lobaka, servieta, vilia🍴🥃🫷
Aza mifinakaiky raha misy soritr’aretina😷🙅
Vaccination ho an’ireo mitombo loza💉
📍Mankanesa amin’ny mpitsabo avy hatrany raha misy soritr'aretina🦠
🥗 Sakafo manampy hery fiarovana (Immunité)
Voankazo sy legioma
Manankarena vitamina C sy antioxidants → manamafy ny hery fiarovana:
Orange, paiso, karaoty, broccoli, berries
Proteinina
Manampy amin’ny fanamboarana sela fiarovana
Loharano: Akoho, trondro, atody, tsaramaso, voanjo
Araho tsara ny fitsaboana sy ny toromarika avy amin’ny Mpitsabo🧑⚕️
Manaova aro Vava orona😷😷😷