Auditif - Ouïe Madagascar

Auditif - Ouïe Madagascar Soins, test auditif, consultations ORL(même à domicile),appareil auditif
Fitsaboana sofina.

Fampatsiahivana kely !Ohatran'io ilay ahafantarana hoe hatraiza ny degré an'ny fahenoana.Tsy mitombina izany ilay fiteny...
09/11/2025

Fampatsiahivana kely !

Ohatran'io ilay ahafantarana hoe hatraiza ny degré an'ny fahenoana.

Tsy mitombina izany ilay fiteny hoe ampiakaro fotsiny ny volumen'ny appareil rehefa tsy mahare.

Moa ve rehefa mbola tsy mahita tsara ny maso nefa efa manao solomaso dia hoe ampiakaro fotsiny ny degrén'ny vera ??😧😧

Appareil auditif ! Draidraidray !Tsy hanaiky tokoa ny saina !!!Olona efa zokiny be no manao izany, mahamenatra, aleo ami...
01/11/2025

Appareil auditif ! Draidraidray !

Tsy hanaiky tokoa ny saina !!!

Olona efa zokiny be no manao izany, mahamenatra, aleo amin'izao ihany eh, vita ho azy eny foana io!

Ary ny solomaso ary, ny olona efa zokiny be ihany ve no manao solomaso? Mahamenatra ve?
Rehefa sahirana ny maso mijery lavitra na mijery akaiky, tsy maintsy manao solomaso isika na tiana na tsy tiana indray andro any. Tsy maintsy manatona mpitsabo koa alohan'ny hividianana izay mba afahana mahalala tsara ny degré mety.

Mitovy ohatran'izay mihitsy ny appareil auditif rehefa misy izay olana ara-pihainoana izay.
Ary ny tena zava-doza amin'ny sofina, rehefa midina ny fandrenesana dia tsy hihatsara intsony. Izay no antony anatonana dokotera hijerena "ny degrén'izay" fidinany izay alohan'ny hividianana appareil.

Tsy mifidy taona ny fahasahiranana, ny mahamety sy ny mahasoa anao ataovy fa tsy ny ho fitsarana sy fijerin'ny hafa!

Fahenoana tokana sa fahenoana roa?Araka ny hitantsika teo aloha dia manao fitsapana fahenoana ihany no ahafantarana izay...
26/10/2025

Fahenoana tokana sa fahenoana roa?

Araka ny hitantsika teo aloha dia manao fitsapana fahenoana ihany no ahafantarana izay, iny no mampiseho sy manamafy ny zava-misy.

Inona ary ny vahaolana? Appareil auditif ve?

Hanaiky an'izany daholo ve ny saintsika nefa???

18/10/2025

Famerenana kely!

Sady moana no marenina ve eh?Teny marina tokoa ve izany sa fomba fiteny sy fahatezerana fotsiny?Andro vitsy lasa isika n...
11/10/2025

Sady moana no marenina ve eh?

Teny marina tokoa ve izany sa fomba fiteny sy fahatezerana fotsiny?

Andro vitsy lasa isika niresaka mikasika ny olona manana fahenoana tokana fa anio kosa dia ny tsy fahenoana amin'ny sofina roa mihitsy sy ny fiantraikany.

Asa raha fantatsika ny tantara anaty baiboly ao amin'ny Marka 7: 31-37.

Maro tokoa isika no tsy mahalala fa rehefa tsy mahare mihitsy ireo sofina roa ireo dia tsy miteny ho azy ny vava. Ary raha mbola mahay miteny aza dia mitombo tsy mazava hatrany ny fitenenana.

Koa izay no hanentanana foana hoe dieny misy tsy azoazo anaty sofina ao, aza manao dokotera tena re fa miandrasa dia manatona dokotera voaofana amin'izany raha azo atao.

Raha efa tsy mahare intsony ny sofina iray, aleo karakaraina tsara mba tsy ho toy izay koa ny sofina iray mbola salama. Sa ahoana?

Eto izahay hanampy, aleo misoroka !

Fahenoana tokana  !Eny, misy tokoa. Ny hany ahafantarana izay dia:- manatona toerana matianina ohatranay - manao " test ...
04/10/2025

Fahenoana tokana !

Eny, misy tokoa. Ny hany ahafantarana izay dia:

- manatona toerana matianina ohatranay
- manao " test auditif " na mandrefy ny tahan'ny fahenoana.
Ho an'ny ankizy latsaky ny 6 taona dia misy fitsapana hafa voatokana ho azy ireo.

Raha mivaly tokoa ary hoe tena tsy mahare ny sofina ilany fa ny ilany kosa mbola tsara, mbola misy tompoko ny vahaolana hampihena ny fahasahirananao ! Eto izahay afaka manampy sy manoro hevitra.

Sao adino!
28/09/2025

Sao adino!

Misy ve izany?Mahazatra antsika ny mahare hoe tsy maheno mihitsy i ...Sofina roa matetika no itrangan'izany.Nefa, efa mi...
21/09/2025

Misy ve izany?

Mahazatra antsika ny mahare hoe tsy maheno mihitsy i ...
Sofina roa matetika no itrangan'izany.

Nefa, efa misy amintsika koa no ohatran'izay fa amin'ny sofina ilany ihany ka raha vao any amin'ilay faritra tsy maheno no miresaka dia sahirana tokoa.

Tsy fantatra anefa izay fa hoe mandalo angamba, indrindra rehefa mbola matanjaka mahare tsara ny ilany.

Ny hany manaitra fotsiny dia misy fotoana ohatrany mavesatra izany ao anaty ao, mihena be ny fahenoana...
Atao ny fitsapana fandrenesana dia marina tokoa fa tena efa voa.

Dia ahoana? Inona no ho atao?

Sofina marary !Betsaka isika no tsy mahafantatra fa misy ifandraisany koa ireo.Ny sofina marary ange mety avy amin'ny ni...
14/09/2025

Sofina marary !

Betsaka isika no tsy mahafantatra fa misy ifandraisany koa ireo.

Ny sofina marary ange mety avy amin'ny nify marary tsy voatsabo tsara eh! Eny !

Koa raha sendran'izay ianao na ny olona manodidina fantatrao dia aza adino, manantonà aloha mpitsabo nify.

Rehefa vita izay ka mbola misy olana ny sofina dia afaka zahan'ny dokotera matianina momban'izay amin'izay.

Fahenoana hoe!Eny tena misy fiantraikany amin'ny fahenoantsika mihitsy ny tontolo iainantsika isan'andro ka raha tsy azo...
07/09/2025

Fahenoana hoe!

Eny tena misy fiantraikany amin'ny fahenoantsika mihitsy ny tontolo iainantsika isan'andro ka raha tsy azo ialana mihitsy re, tsara manao fiarovana amin'ny sofina foana.

Hoy ianareo hoe inona izany? Eto izahay afaka manampy anareo, aza misalasala manontany raha misy ilaina.

Hamaranana azy, araka io sary io (ohatra notsongaina ihany moa ireo), voafetra ihany ny fotoana tokony hijanona amin'ny toerana miloko volomboasary sy mena indrindra indrindra.

Miarahaba antsika! Fahenoana hoe?Fantatsika ve fa efa misy sokajiny daholo ny feo rehetra rentsika isan'andro ? Ao no ts...
01/09/2025

Miarahaba antsika! Fahenoana hoe?

Fantatsika ve fa efa misy sokajiny daholo ny feo rehetra rentsika isan'andro ?

Ao no tsy misy fiantraikany ratsy amin'ny sofintsika ary ao kosa no manimba ary tena mety mamparenina mihitsy raha sendra tojo izay?

Ito ary misy sary hanampiana antsika aloha, mbola hojerena manaraka eo ny andininy.

Mena sa mavo sa maitso sa manga sns no tena iainanao foana? Fantatrao ve?

Tadidintsika indray koa ve ito tranga kely ito?Eny, teny iainana eo amin'ny fiaraha-monina tokoa nefa izy io ary betsaka...
24/08/2025

Tadidintsika indray koa ve ito tranga kely ito?

Eny, teny iainana eo amin'ny fiaraha-monina tokoa nefa izy io ary betsaka no voakasika. 😔

Ka dieny afaka, aza mangata-potoana re!

Address

Ankerana Nanisana, Bus 147D, 191, 194 Alasora
Antananarivo
101

Telephone

+261389500275

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Auditif - Ouïe Madagascar posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Practice

Send a message to Auditif - Ouïe Madagascar:

Share

Share on Facebook Share on Twitter Share on LinkedIn
Share on Pinterest Share on Reddit Share via Email
Share on WhatsApp Share on Instagram Share on Telegram