17/05/2025
FANAMBARANA OFISIALY – 17/05/2025
DÉMENTI OFFICIEL – du 17/05/2025
Manoloana ny fanambarana(*Publication) niparitaka tato amin'ny tambazotra
( Page Facebook : Madagascar Liberte , publication du 16/05/2025) -
Lien : https://www.facebook.com/share/p/19VBUkPHWP/
, izay manao fiampangana tsy mitombina, lainga, ary manala-baraka (*accusations infondées, mensongères , diffamatoire et manifestement malveillantes ) an’i filiale Green World Health eto Madagascar, dia manao izahay ny fanambarana amin’ny fomba ofisialy ny amin’ity raharaha ity .
Tianay hazavaina fa ilay olona ahiana ho nandefa an’io fanambarana io dia olona teo aloha mpaninjara (*distributeur) vokatra teto amin’ny sampana Green World Health eto Madagasikara.
Nampitsahatra ny fiaraha-miasa tamin’ity olona ity ny orinasa taorian'ny fitrangan’ny fanodikodinam-bokatra, ary tsy fahandoavana trosa . Noho izany dia natsahatra amin’ny maha-mpaninjara vokatra azy izy tamin’ny taona 2020 .
Hatramin’ny taona 2021, raha nahita fa miroborobo sy miroso amin’ny fomba tsara ny fivelaran’ny sampana Green World Health International eto Madagasikara, dia nanomboka nanao fampiasana tsy ara-drariny ny fitoriana eny amin’ny fitsarana (*abus de procedure ) ity olona ity, te-hanala baraka ny orinasa sy hanodina ny zava-misy ho amin’ny tombontsoany manokana afahana hiala amin’ny trosa izay tokony naloany .
Na izany aza, tsy nahazo valiny mahafa-po izy, satria tsy mitombina , tsy ara-drariny , ary tsy nisy porofo mafonja manohana ny fiampangany, na dia niezaka niantehitra tamin'ny fifandraisany manokana amin’izay olona fatany hono izy afahana mamoaka didy ratsy , dia izao izy lasa manala-baraka anay ety anivon’ny tambazotra facebook izao sisa no ataony .
️Manamafy izahay fa mijanona ho orinasa matihanina, manaja ny mangarahara, ny fahamarinana, ary manolotra vokatra ara-kalitao manara-penitra ho an’ny rehetra , eo ihany koa ny fiaraha-miasa maharitra amin’ireo mpaninjara (*distributeur) maro manerak’I Madagasikara ankehitriny .
Eo am-panaovana fepetra ara-dalàna sy fampandrenesana amin’ny manampahefana sy sehatra rehetra izahay amin’izao fotoana izao. Ary efa napetraka eo am-pelatanan'ny fitsarana ny raharaha .
Misaotra antsika rehetra amin’ny fahatokisana sy fanohanana tsy tapaka an’i Green World Health Madagascar.