Shiloh Medical Services Madagascar

Shiloh Medical Services Madagascar Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Shiloh Medical Services Madagascar, Medical and health, ambohipo, Antananarivo.

CENTRE MÉDICAL
Près Église catholique 3 chemins AMBOHIPO
tel : 0340444736

Consultations médicales
Petites chirurgies et soins infirmiers
Analyses médicales
Electrocardiogramme
Echographie
Massage et kinésithérapie
Service AMBULANCIER

🌸 Firy andro vao hita “positif” amin’ny test de grossesse ? 🌸👱‍♀️Maro ny reny manontany hoe : amin’ny andro firy marina ...
31/10/2025

🌸 Firy andro vao hita “positif” amin’ny test de grossesse ? 🌸

👱‍♀️Maro ny reny manontany hoe : amin’ny andro firy marina no ahitana valiny “positif” amin’ny test de grossesse ? Ny valiny dia miankina amin’ny fotoana nitrangan’ny ovulation sy ny fiakaran’ilay hormone hCG, izay hita ao amin’ny pipy sy ao amin’ny rà rehefa bevohoka ny vehivavy.🚶‍♀️

Ho an’ny test de grossesse urinaire ilay vidiana eny @ pharmacie, izay test atao ao an-trano, dia matetika afaka mahita “positif” amin’ny 10 hatramin’ny 14 andro aorian’ny ovulation.📒 Izany dia mitovy amin’ny 2 na 3 andro alohan’ny tokony hisehoan’ny règle, na amin’ny andro voalohany misy re**rd. Raha bevohoka tokoa ianao, dia mety efa hiseho ilay tsipika manjavozavo manambara fitondrana vohoka.

🌡Ho an’ny test sanguin kosa, izay atao amin’ny laboratoire, dia marina kokoa ary afaka mahita fitondrana vohoka hatramin’ny 8 andro monja aorian’ny ovulation. Izany no mahatonga azy ho fomba azo antoka indrindra rehefa mila valiny haingana sy marina.

☝️Fa misy ihany koa ireo tranga izay négatif ny test nefa tsy tonga ny règle. Amin’io tranga io, dia tsy midika akory izany fa tsy bevohoka ianao. Mety ho nanao test aloha loatra ianao ka mbola tsy ampy ilay hormone hCG amin’ny pipy, ka tsy mbola hita amin’ny test. Mety ho tara ihany koa ny ovulation, ka mivily kely ny cycle, na koa noho ny antony toy ny stress, havizanana, fiovana amin’ny sakafo, na aretina kely izay mahatonga tara ny fadimbolana.

Amin’izay toe-javatra izay, tsy tokony hitaraina loatra, fa tsara kosa miandry 5 hatramin’ny 7 andro aorian’ny fahatarana, dia averina indray ny test amin’ny maraina rehefa mifoha, satria amin’izay fotoana izay no mbola be hCG indrindra ao amin’ny pipy. Raha mbola négatif ihany nefa tsy tonga hatrany ny règle rehefa mihoatra ny 2 herinandro, dia tsara manao prise de sang na manatona dokotera hijerena raha misy antony hafa.

Ao @ comms ny tohiny

⭕ FATIGUE, tarehy miketrona, Tavitavy surtout eny amin'ny Kibo ⭕Raha misy tsy fahasalaman'ny vatana(déséquilibre moa ny ...
27/10/2025

⭕ FATIGUE, tarehy miketrona, Tavitavy surtout eny amin'ny Kibo ⭕

Raha misy tsy fahasalaman'ny vatana(déséquilibre moa ny language fiantsontsika azy ato), Dia jereo aloha ny ao anatin'ilay vatana (intérieur)
ao ihany raha tena te hamaha ilay olana.

Raha tratran'ny fatigue lava ianao ohatra na be ride ny tarehy na mora manadino

Dia marika anakiray io fa voakorotana ny famokarana ilay hormone antsoina hoe GH(hormone de croissance)

Glande kely antsoina hoe Hypophyse hita ao amin'ny cerveau ao ny mpamokatra io hormone io

Aza rarahiana ilay terme technique sarotra be
Fa inona ny asan'io amin'ny?
Io no manao ny réparation ny simba rehetra Mandritran'ny alina

Tsy réparation ihany fa manavao ny tonta rehetra ihany koa io(régénération)

Anisan'ny mandoro tavy ihany koa izy
Manavao ny cellule ny hoditra
Manavao ny cellule ny atidoha
Manamboatra ny simba ao amin'ny taova rehetra

Raha sanatria ka voakorotana izy eo amin'ny fotoana tokony hiasany dia miteraka déséquilibre bediabe

Io no mahatonga an'iny Ride eny amin'ny tarehinao iny
Io no mahatonga ny kibonao tsy mihena io mihitsy
Io no mahatonga anao mora antitra sy verivery tadidy.

Nadika tatsy ambadika.
Tohizantsika @ alarobia indray...

Izay indray ny anio fa dia mirary tontolo andro mahafinaritra ho antsika rehetra 🙏

Abonnéo ny pejy a! 🙏

Dia aza adino fa mandray sy mizaha marary isanandro izahay - afaka mizaha marary any an-trano koa - manao ny analyse rehetra momba ny rà sy p**i - manao échographie - manana ambulance koa izahay - Mandalova koa misafo kibo raha bevohoka ianao.

Mivoha alatsinainy hatr@ sabotsy, @ 7ora maraina ka hatr@ 6ora hariva.

Azo antso foana @ 034 04 447 36.

🤰VEHIVAVY MITONDRA VOHOKA🤰INONA NO TOKONY HATAO SY TSY TOKONY HATAONAO LEHILAHY REHEFA MITONDRA VOHOKA NY VADINAO ?1️⃣ A...
23/10/2025

🤰VEHIVAVY MITONDRA VOHOKA🤰

INONA NO TOKONY HATAO SY TSY TOKONY HATAONAO LEHILAHY REHEFA MITONDRA VOHOKA NY VADINAO ?

1️⃣ AZA MANEHO FOMBA FITENY FA TAHAKA NY TSY NIRIANAO ILAY ZAZA
Aza atao mahatsapa fa atao an-jorombala izy sy ny zaza. Eny na dia "tsy planifiée" aza ilay vohoka.

2️⃣ MIVAVAHA HO AN'ILAY ZAZA
Aza miandry ny zaza teraka, fa manomboha mivavaka ho azy na dia mbola ao an-kibon'ny reniny aza.

3️⃣ ASIO TOMBAMBIDY NY VADINAO
Aza mifandray na minamana be @ vehivavy tsy mitondra vohoka fa mety hanimba ny fisainany izany.

4️⃣ MIOMÀNA NY HO RAY AMANDRENY
Manangona ny zavatra tokony ho fantatrao rehetra mahakasika ny maha ray, na ara-materialy na ara-tsaina, ara-pietseham-po.

5️⃣ AZA RERAHAN-TSAINA NY VADINAO
Ny rari-tsain'ny reniny dia mahazo ny zaza ao an-kibony koa. Mety hiteraka olana ho @ fitomboan'ny zaza ao an-kibo izany, ary mety hahatonga fahaterahana tsy tonga volana na fahafatesana ao an-kibo koa.

6️⃣ KARAKARAO SY AMPIO NY IZY
Mora reraka ny vehivavy bevohoka ary mihamaro ny zavatra tsy ho vitany araky ny hitomboan'ny kibony. Karakarao izy, toy ny hoe atao "massage" kely. Ataovy ny "courses", ny mahandro, sns...

7️⃣ AZA MITSARA AZY
Mety mikorontana kely matetika ny " humeur" ho an'ny vehivavy bevohoka. Mety hiovaova ny torimaso. Misy "envie" tampoka tsy ampoizina koa izy (ratsiana). Mety hanova ny isanandrony koa ny fiovaovan'ny "hormones" ao aminy. Miezaha mahazo (m'kômprandra) azy. Aza mitsara na mamaly amin-katezerana na manamaivana ny zavatra tsapany.

8️⃣ MIRESAHA NY FAHASALAMANY SY NY ZAZA
Asehoy fa manara-maso azy foana ianao. Anontanio hoe salama ve izy, rahoviana no misafo kibo manaraka? Firy ny tosi-drànao? Henonao mihetsika tsara ny zazakely? Aiza ny toerana tiany hiterahana?

👉 Ao @ comms ny tohiny...

🍓🍇 NY VOANKAZO 🍇🍓Manasa anao hihinana   sy   5 karazana isanandro. Ohatra hoe voankazo karazany 2 dia legioma karazany 3...
20/10/2025

🍓🍇 NY VOANKAZO 🍇🍓

Manasa anao hihinana sy 5 karazana isanandro. Ohatra hoe voankazo karazany 2 dia legioma karazany 3, na voankazo 3 dia legioma 2.

Ny antony dia satria mahasalama ny sy ary hoentin’ireo voankazo sy legioma 5 karazana isanandro ireo. Ny dia tsy voatery hahalany ilay voankazo 1 manontolo ianao. Sahabo eo amin’ny 80 grama dia ampy, izany hoe 400 grama isanandro ny voankazo sy legioma mitambatra.

Raha Mananasy🍍dia tranches 2, raha Frezy 🍓dia voany 6, raha Akondro 🍌 dia singany 1. Raha Karôty dia sigany 2 🥕🥕, ary raha Courgette dia 🥒 singany 1. Tsy mety araka izany ny Akondro 3 indray mihinana sy Manga atsasakilao.

🔘 Ireto misy sopapa kely ary :

🍈 Mazotoa mihinana Ampongabendanitra, fa mahasalama fo sy lalandrà izy ireny. Na dia hihinana isanandro aza ❤

🍊 Raha resaka vitamine C dia mitovy @ Voasary 05 ny Goavy 01.

🍊 Mazotoa mihinana fa voankazo tena mahasalama, satria dia mahasalama ny fo, mampihena ny Cholestérol ratsy, mampilamina ny siramamy ao anaty rà, mampihena ny tavy sy ny kibo, mahasalama ny hoditra, miaro @ homamiadana maro (vavony, sns) 🌿

🥭 Mazotoa mihinana :
anisany sakafo be Vitamine C sy Vitamine B, izay mampihena ny havizanana sy mampitombo ny hery fiarovana. Feno Polyphénols sy Lupéol ary Substances antioxydantes ihany koa ny manga. Ireo hotrikaina ireo dia mampihena ny risque hahavoan'ny Homamiadana maro, indrindra fa ny Homamiadany Prostate. Manampy amin'ny fandevonan-kanina, indrindra raha navesabesatra ny sakafo (feno hena, tsaramaso, sns). Mora levona ny manga ka mampihena ny fitohànana (constipation).

💧Manampy an'izany, aza adino ny misotro rano 1.5 litatra isanandro.

Izay indray ny anio fa dia mirary tontolo andro mahafinaritra ho antsika rehetra 🙏

Abonnéo ny pejy a! 🙏

Aza adino fa mandray sy mizaha marary isanandro izahay - afaka mizaha marary any an-trano - manao ny analyse rehetra momba ny rà sy p**i.

Tel 034 04 447 36

𝙈𝙖𝙝𝙖𝙚𝙡𝙖 𝙫𝙚𝙡𝙤𝙣𝙖 𝙣𝙮 𝙆𝘼𝙁𝙀 Voaporofo ara-siantifika fa ny mpisotro kafe 01 tasy isanandro dia lava velona kokoa mihoatry ny ...
10/10/2025

𝙈𝙖𝙝𝙖𝙚𝙡𝙖 𝙫𝙚𝙡𝙤𝙣𝙖 𝙣𝙮 𝙆𝘼𝙁𝙀

Voaporofo ara-siantifika fa ny mpisotro kafe 01 tasy isanandro dia lava velona kokoa mihoatry ny tsy misotro.

👉🏽 Mampihena ny areti-po
👉🏽 Mampihena ny tavy anaty vatana
👉🏽 Manampy hampihena ny hatavezana
👉🏽 Mampihena ny fahafatesana tampoka
👉🏽 Mampihena ny fahatongavany Diabeta
👉🏽 Miaro ny aty ho salama sy tsy ho feno tavy
👉🏽 Manatsara ny fitadidina sy ny fifantohana
👉🏽 Mampihena ny Parkinson sy ny Alzheimer

❌ 𝗧𝗦𝗬 𝗠𝗔𝗛𝗔𝗭𝗢 𝗠𝗜𝗦𝗢𝗧𝗥𝗢 𝗞𝗔𝗙𝗘 : ny olona rehetra manana areti-po tsy voatsabo tsara (fo mikorotana, insuffisance cardiaque, fahatsetsenany lalandrà @ fo). Toa izany koa ny olona manana tension avo tsy mbola voatsabo tsara.

🚨 𝗔𝗡𝗧𝗢𝗡𝗬 : rehefa misotro kafe dia matetika mitarika ireto fambara ireto (midobodoboka be ny fo, miakatra kely ny tension). Kanefa tsy maharitra ela ireo fambara ireo. Tsy mitarika tension ambony izay tsy hidina intsony izany akory. Tsy mitarika fikorotanan’ny fo maharitra. Tsy voatery hiseho @ rehetra kanefa ireo, fa miankina @ habetsaky ny kafe laniny sy ny toebatan’ny tsirairay.

❌ 𝗙𝗔𝗠𝗕𝗔𝗥𝗔 𝗙𝗔 𝗧𝗦𝗬 𝗠𝗔𝗛𝗔𝗭𝗔𝗞𝗔 𝗞𝗔𝗙𝗘 : tsy mahazaka kafe ianao raha toa ka miseho aminao ny iray na maromaro @ ireto fambara ireto (marary an-doha, manao palpitation be, maloiloy, mangovitra, fanina tampoka, faharerahana tampoka, fahakizitinana, fahasorenana).

☕ FATRA ISANANDRO : 1 kaopy ihany.

Source : nadika tatsy ambadika

Izay indray ny anio fa dia mirary tontolo andro mahafinaritra ho antsika rehetra 🙏

Abonnéo ny pejy a! 🙏

Dia aza adino fa mandray sy mizaha marary isanandro izahay - afaka mizaha marary any an-trano koa - manao ny analyse rehetra momba ny rà sy p**i - manao échographie - manana ambulance koa izahay.

Mivoha alatsinainy hatr@ sabotsy, @ 7ora maraina ka hatr@ 6ora hariva.

Azo antso foana @ 034 04 447 36

📢 NDAO HO RESAHINA : Zazakely mikohaka be amin’alina.Tena mampalahelo ny mahazo ny zazakely rehefa sendra ilay mikohaka ...
08/10/2025

📢 NDAO HO RESAHINA : Zazakely mikohaka be amin’alina.

Tena mampalahelo ny mahazo ny zazakely rehefa sendra ilay mikohaka be amin’alina iny.

➡️ Ireo antony mety mahatonga ny zaza hikohoka amin’ny alina :

🌼 « Réflexe » ara-boajanahary ataon’ny vatana hiarovana ny taovam-pisefoana ny kohoka. Manampy amin’ny famoahana ny « mucus », ny « agents irritants » na ny « corps étrangers » izy io. Eo amin’ny zazakely, dia misy ireo anton-javatra sasany mampikohoka azy kokoa rehefa matory amin’ny alina, anisan’izany ny :

☑ Fatoriana mitsilany izay manamora ny fidinan’ny lelo mankany amin’ny tenda ka mampikohoka ny zaza .

✴ Rivotra maina na ny efitrano fatoriana mafana be loatra dia manamaina ny « muqueuses » ka mahatonga ireto farany ho « sensibles » .

▪« Bronchiolite », « rhinopharyngite », « allergie », « reflux gastro-œsophagien ».
Amin’ny tranga sasany moa dia mety ho fambarana sohika eo amin’ny zazakely ny kohoka amin’ny alina. Miseho amin’ny koho-maina, tsy misy fanaviana, amin’ny alina ihany vao tena mitranga.

➡️ Ireo karazana kohoka eo amin’ny zazakely
Marihana fa misy karazany maro ireo kohoka eo amin’ny zazakely :

🔸Kohoka matavy na « toux grasse » izay miaraka amin’ny fisian’ny lelo na rehoka. Manampy amin’ny famoahana ny viriosy sy ny bakteria izy io .
🔹Koho-maina na « toux sèche » izay « irritative ». Matetika izy io dia avy amin’ny « inflammation », sohika…
-« Toux rauque » na « aboyant » izay mety avy amin’ny « laryngite ».

🔘 Mila arahi-maso hatrany ireo soritr’aretina hafa mety miseho miaraka amin’izany, toy ny fanaviana, fahasahiranana miaina (respirer), malain-komana, fikorontanan’ny torimaso… Manampy amin’ny fandraisana an-tanana ny zaza ataon’ny mpitsabo ny fahafantarana ireo fambara ireo.

➡️ Ahoana ny hampitoniana ny kohoky ny zaza amin’ny alina ?

Misy ireo fihetsika tsotra manampy mba hampitoniana ny kohoka eo amin’ny zazakely :

✅Ao @ commentaires ny tohiny...

🍻 𝙃𝙞𝙨𝙤𝙩𝙧𝙤 𝙏𝙊𝘼𝙆𝘼 ve? 🍻👉 Zoma ny andro, ny eto @ tanàna koa mamaimay ihany ka mety mila risika kely. Efa maty paika ny gra...
03/10/2025

🍻 𝙃𝙞𝙨𝙤𝙩𝙧𝙤 𝙏𝙊𝘼𝙆𝘼 ve? 🍻

👉 Zoma ny andro, ny eto @ tanàna koa mamaimay ihany ka mety mila risika kely. Efa maty paika ny grama miaraka amin'ny bandy akama hoe @ firy dia aiza ny fotoana.

⚠️ Tena ilaina tokoa ve ny fimamoana ? Hoy ny vazaha hoe, "tout excès est nocif pour la santé", izay midika hoe rehefa atao be loatra ny zavatra iray dia manimba foana.

☠️ Mamotika ny taova sy ny vatana iray manontolo ny fisotroan-toaka diso tafahoatra sy maharitra. Ho zaraiko eto ambany ireo voka-dratsiny :

🔹 MAMPALEMY NY FILAHINA.
🔹 Mahavoan'ny Diabeta.
🔹 Mampiakatra Tosidrà.
🔹 Mahatonga AVC.
🔹 Mampalemy ny hozatry ny fo (Gros Cœur).
🔹 Mahatonga fahasimban'ny aty (Cirrhose).

🔹 Manimba sy mahagoaka Vavony (Ulcère).
🔹 Manimba ny atidoha ka mahavery tadidy.
🔹 Mampanaonao foana ka mety hahavanon-doza.
🔹 Mampihena ny tanjaka sy ny habean'ny hozatra.
🔹 Maharatsy tarehy.
🔹 Mampiteny frantsay.

Mirary zoma manifika ho antsika rehetra ary e! Dia aza manimba fananan'olona zalah a!

Abonnéo ny pejy a! 🙏

Dia aza adino fa mandray sy mizaha marary isanandro izahay - afaka mizaha marary any an-trano koa - manao ny analyse rehetra momba ny rà sy p**i - manao échographie - manana ambulance koa izahay.

Mivoha alatsinainy hatr@ sabotsy, @ 7ora maraina ka hatr@ 6ora hariva.

Azo antso foana @ 034 04 447 36

Miarahaba antsika rehetra indray ary ooh 👋👋Efa mihamafana ny andro. Mihamaro ny asa atao. Mihamitombo araka izany koa ny...
24/09/2025

Miarahaba antsika rehetra indray ary ooh 👋👋

Efa mihamafana ny andro. Mihamaro ny asa atao. Mihamitombo araka izany koa ny hery ilain'ny vatantsika hiatrehana ny isanandro.

Ireto ary misy sakafo sy voankazo tsara hohanina e :

💪 IREO SAKAFO MANOME HERY NY VATANA
➖ Vary, paty, m**o dipaina, katsaka, vomanga, akondro, tantely, voanjo, zavoka, hena, trondro, atody, chocolat noir, sakamalao, rano.

🤔 IREO SAKAFO MANATSARA NY FITADIDIANA :
➖ Trondro matavy, sardine, chocolat noir, voanjo, épinards, brocoli, frezy, cacao, thé vert, beteravy, soja, atody..

🤯 IREO SAKAFO MAMPIHENA FIKOROTANAN-TSAINA
➖ Epinards, brocolis, zavoka, akondro, chocolat noir, kiwis, poivron, voamboatavo, tongolo gasy, atody, ny vokatra avy @ ronono.

🥑 IREO SAKAFO MANAMPY @ FANDEVONAN-KANINA
➖ Mananasy, papay, kiwi, yaourt, citron, sakamalao

👩‍❤️‍💋‍👨 IREO SAKAFO TSARA HOHANINA AORIAN'NY FIRAISANA ARA-NOFO
➖ Rano, yaourt, atody, akoho, trondro, vary, paty, m**o, zavoka.

😴 IREO SAKAFO MANATSARA NY TORIMASO
➖ Vokatra avy @ ronono, atody, voanjo, legioma, trondro, akondro, katsaka, vary, soja,

👉 Aza adino ny misotro rano 1.5L hatr@ 2L isanandro

Izay indray ary ny anio e!
Dia abonnéo ny pejy a! 🙏

Dia aza adino fa mandray sy mizaha marary isanandro izahay - afaka mizaha marary any an-trano koa - manao ny analyse rehetra momba ny rà sy p**i - manao échographie - manana ambulance koa izahay.

Mivoha alatsinainy hatr@ sabotsy, @ 7ora maraina ka hatr@ 6ora hariva.

Azo antso foana @ 034 04 447 36

📢 Ndao ho resahina : NY DIABETA🔵 Ny diabeta dia aretina mitarazoka vokatry ny famokarana tsy ampy na ny fampiasana tsy a...
22/09/2025

📢 Ndao ho resahina : NY DIABETA

🔵 Ny diabeta dia aretina mitarazoka vokatry ny famokarana tsy ampy na ny fampiasana tsy araka ny tokony ho izy ny "insuline" (hormone mandamina ny siramamy ao @ rà) ao @ vatana.

➖ MILA MITILY NY FISIANA DIABETA MATETIKA IANAO RAHA TOA KA :
🙆 Matavy mihoatra ny tokony ho izy @ vatanao (surpoids ou obesité, IMC > 25 Kg/m2)
👫 Manana ray amandreny diabetika
💔 Manana aretin'ny fo sy lalan-drà, sy/na tosi-drà avo
🧘 Vehivavy manana ovaires polykystiques
🤰 Vehivavy nahitana tahana siramamy ambony nandritra ny fitondràna vohoka
🧟 Olona mitondra ny tsimok'aretina VIH/SIDA

➖ NY FAMBARA HIAHIANA FA DIABETA NO METY MAHAZO ANAO :
🍜 Noana matetika ary mora noana
🚽 Mip**i betsaka ary matetika
💘 Ela vao sitrana rehefa misy fery
🥃 Mangetaheta matetika be
💆 Malemilemy, rera-dava
👁 Manjavona ny fijerin'ny maso
⏲️ Fahaverezan-danja tsy hay hazavaina

➖ NY FISOROHANA SY FITSABOANA NY DIABETA :
🥬 Mihinàna sakafo ara-pahasalamana manome vahana ny legioma, voankazo, ny voamaina.
⛹️ Manaova fampiasam-batana matetika sy mitohy.
🏨 Tilio matetika ny tahan'ny "glycémie".
💊 Arao tsara ny fanafody sy ny fanaraha-maso ataon'ny mpitsabo.

👋 Izay no nozaraina anio ary fa dia mirary herinandro feno fahombiazana ho antsika rehetra.

Dia abonnéo ny pejy a! 🙏

Dia aza adino fa mandray sy mizaha marary isanandro izahay - afaka mizaha marary any an-trano koa - manao ny analyse rehetra momba ny rà sy p**i - manao échographie - manana ambulance koa izahay.

Mivoha alatsinainy hatr@ sabotsy, @ 7ora maraina ka hatr@ 6ora hariva.

Azo antso foana @ 034 04 447 36

💦CYCLE MENSTRUEL 💦Andao ianareo ampianarina manisa andro fa be loatra ny bevohoka tsy lera ka mampalahelo fa simba tante...
19/09/2025

💦CYCLE MENSTRUEL 💦

Andao ianareo ampianarina manisa andro fa be loatra ny bevohoka tsy lera ka mampalahelo fa simba tanteraka ny hatanorana sy ny ho avy manontolo.

Maro manko ny vehivavy no mamerimberina ny resaka hoe 14e jour no mahabehoka ve sa tsia?

💠 Aza adino fa samy manana ny toe-batany avy ny vehivavy ka samy @ cycle'ny. Tsy voatery ho 14e jour ny jour d'ovulation an'ny vehivavy rehetra, ankoatra izay manana cycle régulier 28jours, izany hoe cycle tsy miova fa 28jours ihany.

👉 Cycle régulier dia cycle tsy miova, fa mitovy isa ihany isam-bolana, izany hoe rehefa 28 dia 28 ihany, na koa 30 dia 30 ihany.
👉 Cycle irrégulier dia cycle miovaova isam-bolana, tsy mitovy isa isakin'ny mandeha, izany hoe 30, dia manaraka 28, @ manaraka 32.(ohatra ihany iny).

📝 NY FANISANA ANDRO 📆

⚠️ Eto amizay no tena tsara tadidina, ny fanisana cycle dia manomboka amin'ny 1er jour ny règles ka hatramin'ny règles manaraka. Ary ny jour d'ovulation dia 14jours avant 1er jour ny règles manaraka fa tsy 14e jours ny cycle (ankoatra izay manana cycle régulier 28jours ihany).

⛔Diso tanteraka isika milaza hoe tsy maintsy ho 14e jours fona ny ovulation tompoko. Tsy voatery ho izay io⛔

👉Ireto misy ohatra kely ary dia mandraisa calendrier sy stylo dia soloy ny datin'ny cycle anao ilay izy.

➖ Ohatra 1 :
01/09/25 règles no nandeha, de 29/09/25 ny règles manaraka.
Ny 01/09/25 hatr@ 28/09/25 zany ny cycle'nao, ary manomboka ny 29/09/25/dia efa manomboka ny cycle vaovao. Midika izany fa 28jours ny cycle'nao.

Ka ny datin'ny 28/09/25 no anesorana (moins) "14", dia io no manome ny datin'ny ovulation anao, izany hoe 28 - 14 = 14, dia ny 14/09/25. Eto izy dia sady 14e jour du cycle (izay mitontona ho 14e jour araka noteneniko teo, izay manana cycle 28jours ihany no manana 14e jour ho jour d'ovulation)

➖ Ohatra 2 :
01/09/25 règles no nandeha, de 01/10/25 ny règles manaraka.

Ao @ comms ny tohiny

CALCIUM 🥛 Raha ny zavatra hita eny @ fiaraha-monina, dia isika Malagasy ngamba no firenena be olona mi-décal indrindra.➡...
12/09/2025

CALCIUM 🥛

Raha ny zavatra hita eny @ fiaraha-monina, dia isika Malagasy ngamba no firenena be olona mi-décal indrindra.

➡️ Satria mihetsika kely, mi-décal. Miodina kely, mi-décal. Farany tena hi-décal tokoa anie.

✅ Ka zaraiko anareo androany ny tena fambara raha mi-décal tena mi-décal ianao.

❌ Volivoly ny molotra sy ny manodidina ny vava
❌ Mi-Crampes ny ratsa-tanana
❌ Mora mi-crampes ny hozatra rehetra @ vatana
❌ Mifanitontsitona ny ozatry ny tarehy, ny volomaso
❌ Midororo sy mihanahana, tsy mahavita ninoninona
❌ Maina kina ny hoditra, sady miofakofaka
❌ Malemy ny hoho, mora tapaka sy vakivaky
❌ Mahavakivaky sy mampiongotra volon-doha
❌ Mahakivikivy lava @ zavatra tsy tokony hahakivy
❌ Mampifanintona sy mahatorana
❌ Mampikorontana ny fidoboky ny fo
❌ Mahafaty raha tsy voatsabo tsara

🔥 Marihina fa ny analyse-na rà ihany no manamarika fa latsaka tokoa ny Calcium-nao. Ka aoka izay ny fihinànana Calcium isaky ny mihetsika fa ho tsentsina eo ny fantsona mpamoaka amany ka ho raharaha be.

Mirary faran'ny herinandro feno fiadanana indray ary ooh. Dia ny Pejy a!

Dia aza adino fa mandray sy mizaha marary isanandro izahay, ny alatsinainy ka hatr@ sabotsy, ety ambohipo, ary afaka manantona anao any an-trano koa.

Antsoy @ 034 04 447 36

😆 MAHAIZA MIFALY 😆Maro ny olona mety hanao zavatra tsy araka ny eritreretintsika sy ny andrasantsika ; Maro ny zavatra m...
10/09/2025

😆 MAHAIZA MIFALY 😆

Maro ny olona mety hanao zavatra tsy araka ny eritreretintsika sy ny andrasantsika ; Maro ny zavatra mety handiso fanantenana antsika. Fa misafidiana hifaly foana e!

💠 NY ATAO MBA HAMPIFALY ANAO FOANA ??
1️⃣ Mila manana an'i Jesosy ianao.
2️⃣ Mivavaha alohan'ny hanombohana tontolo andro
3️⃣ Misafidiana hifaly foana
4️⃣ Mahaiza mamela heloka
5️⃣ Jereo @ lafy tsarany foana ny olona sy ny zava-misy

🔷 IREO SAKAFO MANAMPY ANAO KOA :
🥜 Avoine
🌾 Germe de blé
🥬 Salady
🥑 Zavoka (avocat)
🥥 Amande
🥜 Noix de Brésil
🥝 Noix de cajou
🥜 Noix
🍒 Fruit de la passion
🌾 Petit pois
🍂 Abricot
🥛 Yaourt
🍌 Banane

🔘 TOMBONTSOA REHEFA MAHAY MIFALY IANAO :

💆 Mitombo ny hery fiarovana
💪 Manantsara ny fahasalamana @ ankapobeny
😖 Miala/Mihena ny rari-tsaina sy tahotra
😃 Mitombo ny famokaran'ny vatana "hormones endorphines" izay "hormones" ny fifaliana.
🙏 Mitombo ny fahavitrihana sy fahatokisa-tena rehefa manao zavatra.
🤝 Manokatra fifandraisana tsara @ olona tsara
🥳 Mampivelatra ny saina
🎉 Manampy anao hahay hankafy fiainana.

📖 Hoy ny Baiboly ao @ FILIPIANA 4/4. Mifalia* mandrakariva amin'ny Tompo; hoy izaho indray: Mifalia*.

Dia mirary herinandro feno fifaliana ho antsika rehetra. 😁

Dia ny pejintsika.

🔴 Dia aza adino fa mandray sy mizaha marary isanandro izahay, na ety @ birao, ary afaka manantona any @ misy anao koa.

Tel 034 04 447 36

Address

Ambohipo
Antananarivo
101

Opening Hours

Monday 07:00 - 17:00
Tuesday 07:00 - 17:00
Wednesday 07:00 - 17:00
Thursday 07:00 - 17:00
Friday 07:00 - 17:00
Saturday 08:00 - 01:00

Telephone

+261340444736

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Shiloh Medical Services Madagascar posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share

Share on Facebook Share on Twitter Share on LinkedIn
Share on Pinterest Share on Reddit Share via Email
Share on WhatsApp Share on Instagram Share on Telegram