Zanak' brickavillé 508

Zanak' brickavillé 508 Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Zanak' brickavillé 508, RN 2 à Brickavillé, Antananarivo.

06/03/2025
⭕ TOAMASINA: HISY ANGAREDONA HIARAHAN’NY TAFIKA MALAGASY, ZANDARIMARIA ARY NY POLISIM-PIRENENATaorian'ny fivorian'ireo t...
06/03/2025

⭕ TOAMASINA: HISY ANGAREDONA HIARAHAN’NY TAFIKA MALAGASY, ZANDARIMARIA ARY NY POLISIM-PIRENENA

Taorian'ny fivorian'ireo tompon'andraiki-panjakana teto Toamasina ny maraina ny Alarobia faha 5 martsa dia nisy fepetra tsy maintsy noraisina ny amin'ny hamerenana ny fandriam-pahalemana maharitra eto Toamasina.

Hisy ny fanaovana angaredona izay hiarahan'ny Tafika Malagasy, ny Zandarimariam-pirenena ary ny Polisim-pirenena manomboka ny Alarobia 5 martsa.

Tsy maintsy atao aza lambo ny nahavanon-doza ary fongorina hatramin'ny fakany ireo tambazotran-jiolahy eto Toamasina.

Tsy maintsy ho samborina ihany koa izay rehetra manao fanamiana ny mpitandro filaminana.
Ankoatry ny eny ankianja dia ho hisy ireo mpitandro filaminana manao fanamiana sivily. Izara sektera maromaro izy ireo mba ho fandrindrana ny asa ka hahitana vokatra tsara.

Faritra Atsinanana

🟥MPITONDRA MOTO TRATRA TSY NANAO AROLOHA,  NIANTSO POLISY SANDOKA REHEFA NOSAKANANA🛵 Mpitondra moto iray tsy nanao arolo...
06/03/2025

🟥MPITONDRA MOTO TRATRA TSY NANAO AROLOHA, NIANTSO POLISY SANDOKA
REHEFA NOSAKANANA

🛵 Mpitondra moto iray tsy nanao aroloha no nosakanan'ny Polisy avy ao amin'ny Troisième Compagnie d'Intervention tetsy Tsarasaotra ka saika tsy nety hijanona ary nilaza fa mahafantatra Polisy ka hiantso izany raha tsy avela handeha izy. Tsy nanaiky izany ireo Polisy nisakana ny moto ka niantso ilay havany tamin'ny finday milaza ho Polisy ilay mpitondra moto.
👮Tonga teny an-toerana ary ity lehilahy milaza ho Inspecteur de Police izay nanao akanjo ba maintso ambony toy ny an'ny Polisy ireny. Rehefa niresaka tamin'ireo Polisy ity farany dia nangatahana ny karatra maha Polisy azy sy ny asany ka fantatra tamin'ny fomba firesany sy ny fihetsiny fa tsy Inspecteur de Police ilay lehilahy no sady tsy nanana "badge" sy carte professionnelle fa kara-panondro milaza ny asany ho mpamily ny teny aminy. Nosamborina avy hatrany ity mpisandoka andraikitra ity ary ilay moto kosa dia nogiazana eny amin'ny kaomisaria toy ireny moto tsy manara-dalàna ireny.

🙏MAnantena ny fandraisana andraikitra malaky anareo force be dia be  ao Toamasina izahay. Raha ilaina dia alefaso any ny...
06/03/2025

🙏MAnantena ny fandraisana andraikitra malaky anareo force be dia be ao Toamasina izahay. Raha ilaina dia alefaso any ny eto Antananarivo be dia be ireo.
🙏MANgataka mihitsy hoe ataovy peine de mort hitan'ny rehetra mihitsy eeeeee..... Sa atao inona raha trayra hoy ianareo ?

🚨VAOVAO MOMBAN' ILAY NANATSATOKA ANTSY :

Salama ! Ataovo anonyme ty fa Sao za matimaty fahatany.

Ilay bandy nanatsatoka antsy io, ingia Kely io, bandy mafaika be efa matetika migadra mipetrapetraka andranomadio ao

Khaèl anarany io

Mamany mipetraka andranomadio ao : Goya (Mpanera) mitsofoko mahitsy aminy Michel mpivarotra mofogasy eo de rehefa aloloha ao tsisy olo tsy mahay mamany sy I zaza io.

Papany mipetraka ambolomadinika

Fandianany mihitsy io ary zaza efa matetika tratra fitsarambahoaka io fa tsy mety fay.

Tsy maintsy izy io, fantadaza aminy resaka famakina trano no afantaranolo azy sy fandravana fa famonona no hita farany izao .

Mampalahelo ilay mahazo antsika gasy mifamono

Ontsa ny fo😭mahita an'ilay video de surveillance.
Mirary fiononana feno hoany fianakaviana.🖤

Manodidina ny p/celle 11/44 andranomadio no misy ny reniny . Efa nisaraka ny ray amandreniny io ,
Manana zandry 2 ! Lucienne sy Nandrianina.

👉 AMPITAPITAO

Novonoin'ilay ramatoa ny zana-badiny,, toa hoe nangalam-pihinana ty zazalahy kely ty, vatany vô tonga rangahy nahita ny ...
06/03/2025

Novonoin'ilay ramatoa ny zana-badiny,, toa hoe nangalam-pihinana ty zazalahy kely ty, vatany vô tonga rangahy nahita ny zanany mati-pivono tsy nisy alaharo fa tonga dia , araka ny hevitrao,,, mety sa tsia?

06/03/2025

🟥ARTISTE MALAZA IRAY NANOLANANA MIVERIMBERINA SY NAMPIJALIANA NY ZANANY VAVY NO SADY NALAINY HORONAN-TSARY.

🆘 Ny 09 janoary 2025, olon-tsotra tsara sitra-po no nampahafantatra ny Polisy misahana ny zaza tsy ampy taona eny Tsaralalana fa misy zazavavy iharan 'ny vono sy herisetra ka ny rainy ihany no nahavanon-doza ao Ampasamadinika.

👮‍♀️ Nandray andraikitra avy hatrany ny Polisy nanao fitsirihana sy nanamarina izany ka nosamborina tao amin 'ny trano fonenany ity raim-pianakaviana ity tamin 'io andro io. Nihidy aman- trano ity lehilahy ity nandritra ny fidinana ifotony ho fisamborana azy ary ratovovavy efa tsy mahatsiaro tena sy feno ratra no hita tao an-trano.

👉 Araka ny fanadihadiana, nanomboka 14 taona ilay tovovavy no efa naolan’io rainy io sy nanaovany fampijaliana isan-karazany ka hatramin’izao faha 33 taonany izao. Izany hoe nandritra ny 19 taona no nanaovan’ilay rainy izany filan-dratsy mamoafady sy tsy fampiseho masoandro izany.

⁉️Nandà hatrany ho tsy nahavita ireo heloka ireo ity lehilahy ity saingy niaiky izy rehefa tratra tao anaty solosainany ny karazana horonantsary mirakitra ny fanolanana sy vono ary fampijaliana nataony tamin’ilay tovovavy. Tapenany amin 'ny lamba ny vavan’ilay zanany mba tsy ho afaka miantso vonjy mandritra ny fampijaliana sy fanolanana ataony.

🛑Nampidirina am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy ity lehilahy manana fitondràn-tena hafahafa ity rehefa niakatra fampanoavana ny alatsinainy 13 Janoary 2025.

🔴🔴🔴Raim-pianakaviana maty efa ho andro maromaro tao anaty lakandrano tetsy Nanisana Ankerana.👉Mpampianatra eny Anjanahar...
06/03/2025

🔴🔴🔴Raim-pianakaviana maty efa ho andro maromaro tao anaty lakandrano tetsy Nanisana Ankerana.

👉Mpampianatra eny Anjanahary ity lehilahy hita faty androany Alarobia 5 martsa 2025 tokony ho tamin'ny 2 ora tolakandro. Mpandalo no nahita ny razana tao anaty tatatra ary nampilaza tamin'ny fokonolona.

👉Tonga teny an-toerana ny Bmh nitsirika ny razana, efa nandre ihany koa ny fianakaviana tonga teny an-toerana satria tsy lavitry trano fonenany intsony.
Araka ny fitantaran'ny havany dia lalany mandeha mody isan'andro avy eny Anjanahary mandalo eo amin'ny sekoly Le P'Tit Nid mivoaka ny " rond point" rocade Ankerana, mihazo eo amin'ny mpanasa fiara ary iny lalana mihodina ho any Ambatobe iny no misy ny trano fonenany.
😭 efa ho andro maro ilay lehilahy ary notadiavin'ny fianakaviany, androany tolakandro vao hita faty efa nanomboka nibontsina ny kibony.

BOOM (Patrick Rakotonirina)

16/04/2024

❎Tratran'ny Zandary avy ao Mahaboboka ireo dahalo mpanakan-dalana tao @ kaominina Mihavatsy, raha ny fantatra dia anisan'ireo mpanakan-dalana sy mpanao braquage anatin'ireto kaominina telo ireto izy ireo; Vineta, Mahaboboka ,sy Miary lamatihy...

(CT Tsiebo Mahasolo Pascal)

15/04/2024

Sendra mba nifankahita de nahazo tso-drano t@papabe JAOJOBY "le roi du Salegy" ❤️🇲🇬

Address

RN 2 à Brickavillé
Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Zanak' brickavillé 508 posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share

Share on Facebook Share on Twitter Share on LinkedIn
Share on Pinterest Share on Reddit Share via Email
Share on WhatsApp Share on Instagram Share on Telegram