Mi'Hary Ny Soa Service

Mi'Hary Ny Soa Service Agence de livraison et de service🚲
Frais de livraison à partir de 3000 ar

30/06/2024

Mbola mandray liste raha misy entana ho livrena rahampitso 🥰
📞038 50 140 46

12/06/2024

Betsaka ianareo no manontany hoe aiza ny bureau antsika vaovao❓
👉Adiresy tokana : Analamahitsy repère Total (Lalana manitsy ivoaka Nanisana)
👉Mandray entana maraina sy antoandro
👉 Misokatra ny Alatsinainy ka hatramin'ny Sabotsy

12/06/2024

Shout out to my newest followers! Excited to have you onboard! Rakotonirina Titie Lathy, Pamella JM

Ireto àry ny valin'ny fisarihana izay natao androany zoma 22 martsa 2024💯Ety am-piandohana dia fisaorana mitafotafo no a...
22/03/2024

Ireto àry ny valin'ny fisarihana izay natao androany zoma 22 martsa 2024💯
Ety am-piandohana dia fisaorana mitafotafo no atolotra anareo aman-jatony izay nandray anjara🙏
Ny lalao moa mbola hisy foana fa entanina ianareo mba hanaraka tsy tapaka ny pejy☺
Miarahaba azy 4 mirahavavy izay voasarika tamin'ny fisarihana ary entanina izy ireo mba handefa hafatra miafina ny toerana hanaterana ny lokany ary ny laharana ahazoana azy🎉✅

15/03/2024

Bonne journée et bonne vente à toutes et à tous🙏

05/02/2024

AZA MAMPIJALY LIVREUR...

Manaiky aho, tena manaiky hoe: misy livreur tsy matotra, misy ny livreur mamofona toaka, misy ny livreur tara fotoana loatra, misy livreur tsy mahazo resaka mihitsy rehefa hanazavana zavatra... Hey, manaova tatitra any amin'ny patron-ny!!!

Saingy imagineo hoe: niainga ny livreur iray atao hoe: RATREMA, falifaly ery izy hihainga hanatitra ny entanao: tsy noraisinao mihitsy nefa ny appel-ny rehefa tonga teny amin'ny fotoana nifanomezana...

Alaivo sary an-tsaina hoe: moto simban'ny fiainana no homen'ny société azy, ny an'ny sasany moa bisikileta maty kapoka, ny livreur sasany mandeha bus...
Mila tonga any an-tranonao amin'ny lera nifanekena nefa izy n'inona n'inona simba!

Imagineo hoe: mandeha bisikileta izy namakivaky an'Antananarivo iray manontolo amin'ity hafanana be mampitsonika labozia ity...
Tsemboka loatra izy dia somary midofaka ny fofona isan-karazany...
Tsy noraisinao nefa ilay entana nateriny satria tsy présentable eo hanatrehanao izy?

Hey, mitombina ve ny exigeance-nao?

Alaivo sary an-tsaina hoe: désorganisé ilay patron-any, adinon'ilay patron ny nanome instruction an'ilay livreur dia misambadidaka ny planification, nifamadika ny entana, tsy ampy ny isan'ilay commande: jereo tsara hoe iza no kitakitainao?
Jereo hoe aiza no mianjera ny riatra? Any amin'ny livreur!

Alaivo sary an-tsaina hoe: marobe amin'ny olona hanaovana livraison anie no tsy mahay manazava ny toerana hanaterana an'ilay entana e; dia mihodinkodina tsy misy farany eran'ny tanàna eo ny livreur mitady an'ilay trano,....

Mijere vaovao fa maro amin'ireny livreur ireny anie no voaendaka e, tratran'ny accident eny an-dalana, voan'ny sito-mahery eny an-dalana, simba moto, kotsan'ny orana, danihan'ny masoandro, kitakitain'ny patron désorganisé... ianao nefa tsy mba afaka mba hifanazavana mihitsy!

Hey, 3000ar ve no hanaovanao tsinontsinona olona?
3000ar sy 4000ar tsy mankany am-paosiny directement akory?

⛔ Ratrema ah, fa nga moa tsy gratosy ny Livraison?
Fa maninona no 3000ar no frais de livraison omena anao? Ataovy ampy anao ity frais bus ity Ratrema ah...

Hey, tadidio fa olona hanana ny maha izy azy io olona io any aoriana kely any... maro be anie ny olona manana licence, master II manao livraison zao an! Eo am-piandrasana poste izy, na koa vacance dia mba miasa kely aloha... tandremo ny vava fa miantraika any amin'ny taranaka anie io fanambaniana olona io e!

Efa nandramanay mivady ny nanao livraison... nalainay mivady mihitsy ny toeran'ny livreur nanandramanay nandritran'ny roa andro; talanjona izahay fa hay na io ianao mandray appel io aza dia mitondra soulagement tsy takatrin'ny saina tao am-ponay, ohatran'ireny afa-panadinana ireny izahay t@zany rehefa tsy mi-sonné libre ny findain'ilay olona hanaterana entana.

Possible hiasa ao amin'io livreur tsinitsiniavinao io ianao fa tandremo ihany...
Possible ho io koa no ho vadin'ny zanakao fa tandremo
Possible ho livreur koa ianao any aoriana any.

Noho izany tandremo ny vava
Tsara ity sabotsy ity

Eny tompoko oh‼️Mandefa amin'ny faritra ihany koa izahay ho anareo mpivarotra manana client any amin'ny fari-tany🚐Ireo n...
25/01/2024

Eny tompoko oh‼️
Mandefa amin'ny faritra ihany koa izahay ho anareo mpivarotra manana client any amin'ny fari-tany🚐
Ireo ny santionan'ny androany

⭕Araraoty fa MAIMAIMPOANA avokoa ny récupération rehetra na 1 ary ny COLIS anao‼️
Aza misalasala ary mandefa hafatra miafina na miantso ny laharana +261 38 50 140 46

Ny agence de livraison no miha-mitombo isan'andro fa hafa ihany ny efa matihanina Misaotra betsaka an'ireo izay niara-ni...
17/01/2024

Ny agence de livraison no miha-mitombo isan'andro fa hafa ihany ny efa matihanina
Misaotra betsaka an'ireo izay niara-niasa hatramin'izay sy izay mbola hiara-hiasa aminay🙏
🏠Analamahitsy cité apitan'ny pharmacie d'Avaradrano
📞 038 50 140 46

28/12/2023

Noho ny fangatahanareo mpanjifa sy ho fanomezana fahafaham-po anareo mpivarotra dia misokatra izahay ato amin'ny Mi'Hary Ny Soa Service ny 31 Desambra 2023 raha misy entana ho aterina ianareo🥰🚴🏻
Hiato kely kosa anefa ny asa fanaterana entana ny Alatsinainy 01 Janoary 2024 ary hiverina amin'ny laoniny ny asa rehetra ny Talata 02 Janoary 2024✨
Izahay ato amin'ny Mi'Hary Ny Soa Service dia mirary faran'ny taona sy taom-baovao finaritra ho anareo✨

Mi'Hary Ny Soa Service
✔Haingana
✔Azo antoka
✔Natao ho an'ny rehetra

27/11/2023

Salama daholo tompoko🥰
⭕️Mpanao vente en ligne ve ianao ka mitady livreur azo hitokisana sady mari-potoana❓
⭕️Orinasa na olon-tsotra ve ianao ka mitady fiaraha-miasa maharitra amin'ny resaka service azo antoka❓
Natao ho anao indrindra ity tolotra ity🤩
Izahay ato amin'ny Mi'hary Ny Soa Service dia manao ny asa rehetra mikasika ny fanaterana ny colis-nao amin'ny fotoana rehetra izay mety aminao⏰
Livreur efa za-draharaha sady mari-potoana no hanatitra ny entana any aminao😊🚵
⭕️Nividy entana ve ianao nefa alavitra loatra ny lieu de récupération❓ Azonao alaina mivantana aty aminay ny entanao amin'ny sarany 0 ar🤩
Raha mila fanazavana fanampiny ary dia manasa anao hiditra ao amin'ny hafatra miafina na hiantso ny laharana 0385014046 na hanatona mivantana ny birao Mi'Hary Ny Soa Service
Toerana : Analamahitsy cité apitan'ny Bucky Burger
Mi'Hary Ny Soa Service :
✅ Haingana
✅Azo antoka
✅Natao ho an'ny rehetra

Address

Antananarivo
101

Telephone

+261385014046

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Mi'Hary Ny Soa Service posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Practice

Send a message to Mi'Hary Ny Soa Service:

Share

Share on Facebook Share on Twitter Share on LinkedIn
Share on Pinterest Share on Reddit Share via Email
Share on WhatsApp Share on Instagram Share on Telegram