OSTIE Serasera

OSTIE Serasera Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from OSTIE Serasera, Medical and health, Rue Drive Zamenhof/Behoririka, Antananarivo.

Ankoatra ireo fitsaboana amin’ny ankapobeny izay omena ny mpiasa sy ny vady aman-janaka, dia manohana ireo orinasa ihany koa ny fikambanana ahafahana misoroka ny aretina sy ho fiarovana amin’ny loza izay mety hitranga eny amin’ny toeram-piasana.

👉 Ny RAM « Résistance aux Antimicrobiens » dia vokatry ny fanoheran’ny aina bitiky (bactéries, virus na ihany koa champi...
18/11/2025

👉 Ny RAM « Résistance aux Antimicrobiens » dia vokatry ny fanoheran’ny aina bitiky (bactéries, virus na ihany koa champignons) ny fanafody.

💊❗Antony iray lehibe mahatonga izany dia ny fampiasana tsy araky ny tokony ho izy ny « Antibiotique », izay mampitombo ny herin’ireo otrik’aretina ary manome vahana ny fanoherany fanafody.

🧑‍⚕️🚨 Ny fanafody indrindra fa ny "Antibiotique" dia omen'ny mpitsabo arak’izay tokony hilan’ny marary azy. Efa misy ny fatra mifanaraka amin'izany.

𝗡𝘆 𝗮𝗻𝘁𝗼𝗻𝘆 𝗱𝗶𝗮 :
✅ Fisorohana ny tohitry ny mikraoba
✅ Fiarovana ny tontolo iainana mba tsy hisian’ny fandaniana fanafody fahatany
✅ Ialana amin'ny fiparitahan’ireo fanafody tsy lany ao an-tokantrano

Herinandro maneran-tany entina mampafantatra ny ⚠️

𝗗𝗜𝗔𝗕𝗘𝗧𝗔 ⚠🔴 | Ny antony lehibe mahatonga ny diabeta dia ny fihinanana sakafo be siramamy sy matavy loatra, ny tsy fanetse...
14/11/2025

𝗗𝗜𝗔𝗕𝗘𝗧𝗔 ⚠🔴 | Ny antony lehibe mahatonga ny diabeta dia ny fihinanana sakafo be siramamy sy matavy loatra, ny tsy fanetseham-batana, ny hatavezana diso tafahoatra ary eo ihany koa ny tarazo na avy amin’ireo ray aman-dreny.

🟦👩‍⚕️ Ny soritr'aretina hita matetika amin’ny diabeta dia : mipipy lava, manjavona ny maso, reraka matetika ary mihena ny vatana noho ny antony tsy fantatra mazava.

‼🤕 Raha toa ka tsy voatsabo izany dia mety hiteraka fahasarotana ara-pahasalamana toa ny fahasimban’ny lalan-drà amin’ny maso, ny voa ary ny fo. Mahatonga aretina maro ihany koa izany toa ny AVC, « Insuffisance rénale » ary « cécité » na olana eo amin’ny fahitana.

✅👉 Miankina lehibe amin’ny fomba fiaina no ahafahana misoroka ny diabeta : fihinanana sakafo voalanjalanja, famerana ny fihinanana siramamy, fanaovana fanatanjahan-tena tsy tapaka, fitazonana ny lanja ara-pahasalamana, fialana amin’ny sigara, ary ny fanaraha-maso ny tahan'ny siramamy ao amin'ny vatana na « glycémie ».

🧏 Raha toa ka misy ny olona ara-pahasalamana, tsara manatona ireo mpitsabo avy hatrany. 🚨

Ny “pneumonie” 🫁 dia aretin'ny havokavoka vokatry ny “bactéries, virus na ihany koa champignons”. 👉 Miteraka tazo, kohak...
12/11/2025

Ny “pneumonie” 🫁 dia aretin'ny havokavoka vokatry ny “bactéries, virus na ihany koa champignons”.

👉 Miteraka tazo, kohaka, fahasarotana rehefa miaina ary havizanana izany 🦠

⚠️ Ny zaza, ny zokiolona ary ny olona manana aretina mitaiza na hery fiarovana malemy no tena voakasiky ny aretina 🤕

Noho izany :
✅ Sasao matetika ny tanana
✅ Fadio ny mifoka sigara
✅ Manaova vaksiny miaro @ aretina

🟦 Raha toa ka misy ny olona ara-pahasalamana, tsara manatona ireo mpitsabo avy hatrany. 🧑‍⚕️

Fantatrao ve ny maha-zava-dehibe ny “Radiologie” amin'ny fiarovana ny fahasalaman'ny marary ? 🤔👇Androany 8 novambra 2025...
08/11/2025

Fantatrao ve ny maha-zava-dehibe ny “Radiologie” amin'ny fiarovana ny fahasalaman'ny marary ? 🤔👇

Androany 8 novambra 2025 dia andro iraisam-pirenena natokana ho an'ny “Radiologie”, izay andry iankinan'ny fitsaboana maoderina.

𝗧𝘀𝘆 𝗳𝗶𝘁𝗮𝗿𝗮𝗳𝗮𝗻𝗮 𝗳𝗼𝘁𝘀𝗶𝗻𝘆 𝗶𝗵𝗮𝗻𝘆 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗮𝗼𝘃𝗮𝗻𝗮 𝗶𝘇𝗮𝗻𝘆 𝗳𝗮 𝗺𝗮𝗻𝗮𝗺𝗽𝘆 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗵𝗮𝗳𝗮𝗻𝘁𝗮𝗿𝗮𝗻𝗮 𝘀𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗮𝗿𝗮𝗵𝗮𝗺𝗮𝘀𝗼 𝗶𝗿𝗲𝗼 𝗼𝗹𝗮𝗻𝗮 𝘀𝘆 𝗮𝗿𝗲𝘁𝗶𝗻𝗮 𝗺𝗮𝗵𝗮𝘇𝗼 𝗻𝘆 𝗺𝗮𝗿𝗮𝗿𝘆 (mazava sy azo antoka). 🩻👩‍⚕️

Ny sampana “Radiologie” eto amintsika dia miasa mba hanomezana fikarakarana avo lenta, manaraka ny fivoarana eo amin’ny sehatry ny fahasalamana ho an’ireo mpikambana.

Mirary soa ho azy ireo ! 💙🙏

  💙🩵
07/11/2025

💙🩵

Miteraka aretina maro toa ny homamiadan’ny fitaovam-pisefoana, AVC, aretin’ny fo sns ny fifohana sigara 🚭🔔 Tsy mbola tar...
05/11/2025

Miteraka aretina maro toa ny homamiadan’ny fitaovam-pisefoana, AVC, aretin’ny fo sns ny fifohana sigara 🚭

🔔 Tsy mbola tara ny fialana amin’izany. Manomboka amin'ny andro voalohany hijanonanao dia hihatsara ny fahasalamanao ka hahazo hery vaovao indray.

31/10/2025

Horonantsary fohy entina mamintina ireo izay tsara ho fantatra mahakasika ny homamiadan'ny nono 👩‍⚕️👇

Misaotra antsika rehetra nifanohana nandritra ity volana oktobra ity ! Volana izay natokana ho an'ny ady amin'ny homamiadan'ny nono sy ny vozon'ny tranon-jaza 🌸🎗

𝘼𝙑𝘾 🧠🔴 | Olona an-tapitrisany maro eran-tany no voan'ny AVC isan-taona. Anisan’ny aretina izay mahatonga fahafatesana be...
29/10/2025

𝘼𝙑𝘾 🧠🔴 | Olona an-tapitrisany maro eran-tany no voan'ny AVC isan-taona. Anisan’ny aretina izay mahatonga fahafatesana betsaka sy takaitra, indrindra ho an’ny olon-dehibe izany.

Mitranga izany rehefa tsy mikoriana araka ny tokony ho izy intsony ny rà ao amin'ny atidoha. Mety ho avy amin'ny lalan-drà tsentsina (AVC ischémique) na lalan-drà vaky (AVC hémorragique) no mahatonga izany.

❌ Ny antony lehibe mitarika ny AVC dia mifandray amin'ny fomba fiainantsika : ny fiakaran'ny tosidra, ny fifohana sigara, ny diabeta, ny adin-tsaina, ary ny tsy fanetseham-batana.

👉 Na izany aza, tranga maro no azo ialana amin'ny alàlan'ny fisorohana sy ny fahafantarana ireo famantarana na fambara izay mety hita soritra mialoha.

Inona avy izany ? 👩‍⚕️👇
Ny “paralysie” na fahalemen'ny ilany iray amin'ny vatana, ny fahasahiranana miteny, fahasarotana amin’ny fahazoana resaka, ny fahaverezan'ny fahitana tampoka, ny aretin'andoha mafy ary fanina.

✅ Araka izany, miankina amin’ny fomba fiaina ara-pahasalamana ny fisorohana : fanaraha-maso ny tosi-drà, fihinanana sakafo voalanjalanja, fanaovana fanatanjahan-tena tsy tapaka ary fialana sigara.

29 okotobra 2025, andro iraism-pirenena entina miady amin’ny « AVC »
Ampafantaro ny manodidina anao mba ahafahan’izy ireo misoraka ihany koa.

⚠️ Raha toa ka misy ny tranga mampiahiahy, antsoy haingana ny mpitsabo !

Faly miarahaba antsika rehetra tompoko 😁Ireto avy ny OSTIE de garde antsika :𝗦𝗮𝗯𝗼𝘁𝘀𝘆 𝘀𝘆 𝗮𝗹𝗮𝗵𝗮𝗱𝘆 :🌷🎗 OSTIE Anosibe, Amboh...
24/10/2025

Faly miarahaba antsika rehetra tompoko 😁

Ireto avy ny OSTIE de garde antsika :
𝗦𝗮𝗯𝗼𝘁𝘀𝘆 𝘀𝘆 𝗮𝗹𝗮𝗵𝗮𝗱𝘆 :
🌷🎗 OSTIE Anosibe, Ambohimanarina, Tanjombato ary Andranomena, mandray marary manomboka amin'ny 07 ora maraina hatramin'ny 12 ora atoandro.

𝗢𝗦𝗧𝗜𝗘 𝟮𝟰 "𝘀𝗲𝗿𝘃𝗶𝗰𝗲 𝗱'𝘂𝗿𝗴𝗲𝗻𝗰𝗲" :
🌷🎗 OSTIE Andranomena, Tanjombato ary Ambohimanarina, mandray ireo "cas urgent" manomboka amin'ny 12 ora atoandro hatramin'ny 07 ora maraina.

Mirary soa sy fahasalamana ho antsika rehetra tompoko 🙏

Address

Rue Drive Zamenhof/Behoririka
Antananarivo
101

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when OSTIE Serasera posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share

Share on Facebook Share on Twitter Share on LinkedIn
Share on Pinterest Share on Reddit Share via Email
Share on WhatsApp Share on Instagram Share on Telegram