Infirmière ho Anao

Infirmière ho Anao 💉💉"Daughter, your faith has healed you..."MarK 5:34💉💉

29/10/2025

💥 𝙏𝙖𝙣𝙙𝙧𝙚𝙢𝙤! 𝙄𝙧𝙚𝙤 𝙛𝙖𝙝𝙖𝙯𝙖𝙧𝙖𝙣𝙖 𝙖𝙣𝙙𝙖𝙫𝙖𝙣𝙖𝙣𝙙𝙧𝙤 𝙢𝙚𝙩𝙮 𝙝𝙞𝙩𝙚𝙧𝙖𝙠𝙖 𝙖𝙧𝙚𝙩𝙞𝙢-𝙗𝙖𝙫𝙤𝙣𝙮 𝙣𝙚𝙛𝙖 𝙩𝙨𝙮 𝙛𝙖𝙣𝙩𝙖𝙩𝙧𝙖𝙤 𝙖𝙠𝙤𝙧𝙮 😮

---

🧠 Fantatrao ve fa ny aretim-bavony (gastrite, ulcère, sns...) dia tsy avy amin’ny fihinanana tsy ara-potoana ihany?
Misy fahazarana isan’andro ataontsika izay manimba tsikelikely ny vavony, ka miteraka fanaintainana, may ao an-kibo, na faharerahana tsy fantatra antony 😔

---

🔥 Ireto ny fahazarana mampidi-doza amin’ny vavony:
1️⃣ Misotro kafe be loatra ☕ — mampitombo asidra ao an-kibo.
2️⃣ Misotro toaka be loatra🍻
— manaitra sy manimba ny rindrin’ny vavony.
3️⃣ Mihinana haingana loatra na tsy ara-potoana ⏰ — manakorontana ny famokarana asidra.
4️⃣ Matory avy hatrany aorian’ny sakafo 😴 — mahatonga reflux sy fivontosana ao an-kibo.
5️⃣ Mifikitra amin’ny fanafody anti-douleur tsy tapaka 💊 (toy ny ibuprofen, aspirin...) — manimba mivantana ny vavony raha tsy amin’ny torohevitra ara-pitsaboana.
6️⃣ Fiainana feno adin-tsaina 😩 — mahatonga fiakaran’ny asidra sy fanaintainana tsy mitsahatra.

---

💡 Torohevitra ara-pahasalamana:
✅ Mihinàna ara-potoana sy moramora.
✅ Fadio ny misotro toaka be indrindra raha marary kibo.
✅ Aza mihinana fanafody raha tsy avy amin’ny torohevitra ara-pitsaboana.
✅ Ataovy fanao ny misotro rano ampy isan’andro 💧.
✅ Raha tsy miala ny fanaintainana dia manatona dokotera aloha fa tsy maminavina.

---

❤️ Tsarovy: Ny vavony no loharanon’aina. Raha simba izy, dia simba koa ny vatana manontolo!
👇
🩺 Mizara amin’ny namanao ity torohevitra ity, sao dia misy marary vavony ka tsy mahalala ny antony!

---

FANABEAZANAIZANA
17/10/2025

FANABEAZANAIZANA

 Navalona Ramanitriniaina  Lovasoa Raharimalala
14/10/2025


Navalona Ramanitriniaina Lovasoa Raharimalala

💧🍼 𝘼𝙎𝙏𝙐𝘾𝙀 𝙆𝙀𝙇𝙔 : 𝙁𝙖𝙣𝙖𝙢𝙗𝙤𝙖𝙧𝙖𝙣𝙖 𝙎𝙍𝙊 𝙧𝙚𝙝𝙚𝙛𝙖 𝙢𝙞𝙫𝙖𝙡𝙖𝙣𝙖 𝙣𝙮 𝙯𝙖𝙯𝙖 😰

Tandremo ry Ray aman-dReny 👂
Rehefa mivalana ny zaza dia betsaka ny rano sy sira very amin’ny vatany 💦
➡️ Izay no mety hahatonga azy ho rendrika, malemy ( déshydraté ) na dia ho faty aza raha tsy voatsabo haingana 😔

Fa aza matahotra 😇
Raha mbola malefaka ny fivalanana ary Mbola tsy misy fahasarotana dia azo tsaboina ao an-trano tsara ny zaza amin’ny SRO (Solution de Réhydratation Orale) 💧

---

🍶 ➡️ Ahoana ny fanamboarana azy ao an-trano :
( NB : MISY HAMIDY @ PHARMACIE ILAY IZY RAHA TSY TE HANAMBOATRA)

👉 Maka rano madio litatra 1 (rano nampangotrahina no tena tsara)
👉 Ampio :

6 sotro- Kely @ siramamy 🍬

½ sotrokely sira 🧂

👉 Afangaro tsara mandra-pahalevony ny sira sy siramamy

💡 Fanamarihana :
Raha manandrana ianao dia tokony mitovy tsiro amin’ny ranomaso 😅

---

🧒 ➡️ Fomba fanomezana azy :

Ho an’ny zaza latsaky ny 6 volana, dia afaka hampitomboina ny fampinonoana na omeo 50 ka hatramin’ny 100 ml isaky ny fivalanana, amin’ny sotro na seringue, hatao tsikelikely fotsiny ( NB : Zaza mivalana no hatao Ity )
Ho an’ny zaza 6 volana ka hatramin’ny 2 taona, dia 100 ka hatramin’ny 200 ml isaky ny fivalanana, omeo matetika fa kely isaky ny fotoana.
Ary ho an’ny zaza 2 ka hatramin’ny 10 taona, dia 200 ml na mihoatra raha afaka misotro tsara izy.
🍼 Raha mbola zaza kely sy mbola mampinono, dia tohizo foana ny fampinonoana satria manampy be amin’ny fanarenana ny rano very ❤️

---

⚠️ Tandremo tsara :

🚫 Aza omena rano madio fotsiny ( rano tsotra ) na ranom-boankazo mamy be
🚫 Aza mitahiry ny SRO mihoatra ny 24 ora
🚫 Raha marary loha, malemy, tsy te hisotro, na tsy mi-pipi 6 ora, dia entano haingana any amin’ny dokotera 🏥

---

💬 Torohevitra fanampiny ;

SRO = fomba tsotra indrindra hiarovana ain’ny zaza amin’ny fahaverezan ’ny rano sy sira 🙏

---

💖 Raha tianao ity torohevitra ity dia zarao mba hahafantaran’ny ray aman-dreny rehetra 👨‍👩‍👧‍👦
🗣️ Apetraho eto ambany ny fanontanianao raha misy zavatra tsy mazava fa ho valiko ny fanontaniana folo voalohany 👇

05/10/2025

Mahasoa sy tsara ho fantatra
Fuselo

🌸✨ Mbola afaka miteraka ve raha avy nodidiana kyste ( ovaire) ? 🤔👩‍⚕️

---

1️⃣ Inona no atao hoe kyste ? 🥼💧
➡️ Ny kyste dia toy ny paosy kely feno ranoka miseho amin’ny ovaire na toerana hafa ao amin’ny vatana.
➡️ Mety hiteraka fanaintainana 😣, tsy fahatomombanan’ny fadimbolana ⏳, na olana hafa.

---

2️⃣ Ahoana no fandidiana kyste ? 🏥✂️
👉 Raha lehibe loatra na mamerina olana ilay kyste, dia indraindray mila esorina amin’ny fandidiana.
✔️ Ny tanjona dia manala ilay kyste fa mitahiry araka izay azo atao ny ovaire, mba tsy hanimba ny fahafahana miteraka.

---

3️⃣ Mbola afaka miteraka ve aorian’izany ? 👶💖
💡 Eny, mbola azo atao tsara ny miteraka raha mbola misy ovaire salama:

👉 Raha kyste iray ihany no nesorina → mbola misy ovaire iray miasa tsara.

👉 Raha ovaire iray nesorina → mbola afaka bevohoka amin’ny ovaire iray hafa.

❌ Raha ovaire roa no nesorina → tsy azo atao intsony ny miteraka.

---

4️⃣ Inona no tokony ho fantatra ? 📋🌹
✔️ Miresaha amin’ny dokotera alohan’ny fandidiana mba hahafantarana tsara ny risika sy ny safidy.
✔️ Ny fikarakarana ara-potoana dia afaka mitahiry nofy ho lasa reny 🤱🌟.

---

🌺 Teny fanampiny ho an’ny vehivavy sy reny rehetra :
👉 Aza menatra manontany rehefa misy fanaintainana na tsy fahatomombana.
👉 Ny fahalalana dia fahefana sy fiarovana. 🛡️

---

💬 Raha efa nodidiana kyste ianao, mba zarao eto ambany ny traikefanao 👉 Afaka manampy vehivavy hafa mbola manahy izany.
🔁 Zarao amin’ny namanao ity hafatra ity, satria mety ho valin-teny mitahiry fanantenana ho azy ireo.

23/09/2025

🧼 Mini-cours: Le Toilette d’un Patient, Soins avec le cœur ❤️

Objectif: Assurer l’hygiène, le confort et la dignité du patient tout en préservant sa sécurité.

👩‍⚕️ 1. Préparation
- Informer le patient: Explique ce que tu vas faire, rassure-le.
- Préparer le matériel: Gants, bassine, gant de toilette, serviette, savon doux, linge propre, sac à déchets.
- Respecter l’intimité: Fermer la porte ou tirer le rideau. Couvrir les parties non lavées.

🛏️ 2. Installation
- Vérifier la température de la pièce.
- Installer le patient confortablement: position semi-assise ou décubitus selon son état.
- Protéger le lit avec un alèse.

🚿 3. Déroulement du soin
Laver dans l’ordre suivant:
1. Visage (sans savon)
2. Cou et bras
3. Thorax et abdomen
4. Jambes et pieds
5. Dos
6. Parties intimes (avec gant spécifique ou jetable)

🔁 Changer l’eau si elle devient froide ou souillée.

🧺 4. Après le soin
- Sécher soigneusement chaque zone.
- Habiller le patient avec du linge propre.
- Réinstaller confortablement.
- Ranger et désinfecter le matériel.

📝 5. Surveillance et transmission
- Observer la peau: rougeurs, plaies, escarres.
- Noter tout changement ou inconfort.
- Transmettre à l’équipe si besoin.
💡 Astuce: Même si le patient ne parle pas, parlez-lui. Le respect et la bienveillance font partie du soin. 🌸

👉 Vous êtes étudiant(e), aidant(e) ou simplement curieux(se)? Ce mini-cours est pour vous!
📲 N’oubliez pas de liker, commenter et partager pour soutenir les soins infirmiers accessibles à tous.

17/09/2025

🌸 𝗞𝘆𝘀𝘁𝗲 𝗼𝘃𝗮𝗿𝗶𝗮𝗻𝗮 ❗️𝗜𝗿𝗲𝗼 𝗳𝗮𝗺𝗯𝗮𝗿𝗮 𝘁𝗼𝗸𝗼𝗻𝘆 𝗵𝗼 𝗳𝗮𝗻𝘁𝗮𝘁𝗿𝗮𝗼 𝗺𝗶𝗮𝗹𝗼𝗵𝗮 🌸

Ny kyste ovariana dia tsoka misy ranon-javatra mipetraka ao amin’ny ovaire (atodinaina). Matetika izy io tsy mampidi-doza, fa indraindray mety hiteraka olana lehibe raha tsy tsaboina ara-potoana.

🔍 Ireo fambara mampiahiahy :
✅ Fanaintainana kibo ambany (indrindra amin’ny ilany iray)
✅ Fiovana amin’ny fadimbolana (tsy tonga ara-dalàna, be loatra na ela loatra)
✅ Fahatsapana mivonto ao an-kibo
✅ Fivalanana tsy milamina na fandevonan-kanina miovaova
✅ Fanaintainana rehefa manao firaisana ara-nofo
✅ Fahasarotana mitera-doza raha sendra mipoaka na mivadika ilay kyste

⚠️ Tandremo : Indraindray tsy misy soritr’aretina mihitsy ny kyste, ka hita tampoka rehefa manao échographie.

💡 Torohevitra :

Manao contrôle gynécologique tsy tapaka

Mitady dokotera raha misy ireo fambara etsy ambony

Aza miandry vao miharatsy ny toe-javatra

👉 𝗡𝘆 𝗳𝗮𝗵𝗮𝗹𝗮𝗹𝗮𝗻𝗮 𝗺𝗶𝗮𝗹𝗼𝗵𝗮 𝗻𝗼 𝗺𝗮𝗻𝗮𝘃𝗼𝘁𝗿𝗮 💪. 𝗭𝗮𝗿𝗮𝗼 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗻𝗮𝗺𝗮𝗻𝗮𝗼 𝗶𝘁𝘆 𝗺𝗯𝗮 𝗵𝗼 𝗳𝗮𝗻𝘁𝗮𝘁𝗿𝘆 𝗻𝘆 𝗺𝗮𝗿𝗼 👩‍⚕️👨‍⚕️.



©️Docteur Fuselo

Address

Antananarivo Nanisana
Antananarivo

Telephone

+261346092120

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Infirmière ho Anao posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Practice

Send a message to Infirmière ho Anao:

Share

Share on Facebook Share on Twitter Share on LinkedIn
Share on Pinterest Share on Reddit Share via Email
Share on WhatsApp Share on Instagram Share on Telegram