12/11/2025
💪 Marina fa mila maka aina aorian’ny césarienne. Saingy tena zava-dehibe koa ny mihetsika sy mitsangana haingana araka izay azo atao (matetika ao anatin’ny 24 ora, arakaraka ny torohevitry ny mpitsabo) aorian’io fandidiana io.
𝐈𝐧𝐨𝐧𝐚 𝐚𝐫𝐲 𝐧𝐨 𝐚𝐧𝐭𝐨𝐧𝐲 ?
- 𝑴𝒂𝒎𝒑𝒊𝒗𝒆𝒓𝒊𝒏𝒂 𝒏𝒚 𝒇𝒊𝒌𝒐𝒓𝒊𝒂𝒏𝒂𝒏’𝒏𝒚 𝒓𝒂 : ny fatoriana lava loatra dia mampitombo ny mety hisian’ny phlébite (fivongan’ny ra ao anaty lalan-dra). Ny fitsanganana sy ny fihetsiketsehana kely dia manampy amin’ny famerenana ny fikorianan’ny ra sy fisorohana izany fahasarotana izany.
- 𝑴𝒂𝒎𝒑𝒊𝒗𝒆𝒓𝒊𝒏𝒂 𝒏𝒚 “𝒕𝒓𝒂𝒏𝒔𝒊𝒕 𝒊𝒏𝒕𝒆𝒔𝒕𝒊𝒏𝒂𝒍”: ny anesthésie sy ny fandidiana dia manena ny fiasan’ny tsinay. Ny fandehanana moramora dia manampy azy io hiasa indray ary misoroka ny constipation. 💪
- 𝑴𝒂𝒏𝒂𝒇𝒂𝒊𝒏𝒈𝒂𝒏𝒂 𝒏𝒚 𝒇𝒂𝒉𝒂𝒔𝒊𝒕𝒓𝒂𝒏𝒂𝒏𝒂 : ny fihetsiketsehana, na dia moramora aza, dia manampy ny hozatra hamerina ny heriny. Manatsara ny fipetraka na fijoroana, ary mampihena ny fanaintainana ateraky ny fatoriana maharitra.
𝑴𝒂𝒛𝒂𝒗𝒂 𝒉𝒐 𝒂𝒛𝒚 𝒂𝒏𝒆𝒇𝒂 : tsy maintsy atao tsikelikely foana ny famerenana ny fihetsiketsehana, eo ambany fanaraha-mason’ny ekipan’ny mpitsabo, ary mifanaraka amin’ny fanaintainana tsapanao. Ny tanjona dia tsy ny hanery tena, fa ny hanampy ny vatana ho sitrana tsara.
💪 Mirary soa !