Dadao Larson Page

Dadao Larson Page page oan ny namana rehetra tsy ankanavaka

05/10/2021

πŸ’•β˜ΊπŸ˜πŸ˜˜

Malala a!!Tsy sasatra aho mitenyManambara ny ato am-pokoFa ny tiako dia ianao irerylay tokako tsy foikoKa n'inona n'inon...
04/07/2019

Malala a!!
Tsy sasatra aho miteny
Manambara ny ato am-poko
Fa ny tiako dia ianao irery
lay tokako tsy foiko
Ka n'inona n'inona hiseo
Na mora io na mafy
Dia matokia f'izaho tsy ho leo
Ary vonona ny hiafy
Tiako enao malala a!
Na handalo aza ny ady sarotra
Minoa ahy fa za tsy hiala
Satry vonona ny hiaritra
Nanoratra:Nomenjanahary Ny toky velotsiky

tsikyVao nahitanao za dia fantatro fa ianao ilay niriakoVao nifanena isika dia tsapako fa ianao ilay tiakoVao nahitanao ...
04/04/2018

tsiky
Vao nahitanao za dia fantatro fa ianao ilay niriako
Vao nifanena isika dia tsapako fa ianao ilay tiako
Vao nahitanao voalohany aho tamin' izay
Dia fantatro fa ianao ho ahy mandrakizay

Tiako ianao ka nofidiko
Tiako ianao ka tsy ho ariko
Tiako ianao ka ho ahy irery
Ra tsy ho anilanao aho dia ho very

Aza matahotra fa ny fitiavako anao dia tsy ho foana
Na ande ny andro na volana na aman taona
Na inona hidona na inona hitranga
Ny fitiavako anao dia tsy hisy izany hoe ho banga
Onja tabita Rakotondranivo

12/06/2017

Mamiratra
Ilay masoandroko najombon-dava
Izay efa toa lasa nahazatra ahy
Noheveriko fa hameno ny fiainako lalandava
Ka hanimba hatramin’ ny atim-panahy

Ilay fiainanako toa zary aloka
Nisinda ihany ankehitriny
Ka namiratra indray ilay endriko maloka
Adinoko hatreo ilay alahelo tamin’iny

Nipoitra indray ilay masoandroko
Ef tsy nantenaina hiposaka intsony
Tonga hamelona indray ny andavanandroko
Ka hiandrandra indray izany fiainana ho tony
Onja Tabita RAKOTONDRANIVO(Dadao Larson)

27/03/2017
πŸ™ŠπŸ™ŠπŸ‘ŽπŸ‘ŽπŸ˜«πŸ˜«πŸ˜«
09/03/2017

πŸ™ŠπŸ™ŠπŸ‘ŽπŸ‘ŽπŸ˜«πŸ˜«πŸ˜«

22/12/2016

EMBONA
Vita ihany indray iny ny andro iray
tena sarotra ho ahy ny nandany azy izay
indrindra mo fa le rehefa irery iny
ka lasa ny vinany manembona azy indray

Rehefa mba variana misy atao iny aho toa vita ihany
fa toa vao tafajanona irery dia ny saiko no lasany any
miezaka foana ny hiala tsy hieritrertra ilay nahazatra
nefa tsy mety manaiky ny saina na dia te hiezaka hitraka

Fa maninona ary no manahirana ho ahy ny miala amzany
efa vonona aho anefa ny hanova ilay fiaina taloha tany
Olombelona marina tsy mahay manadino fa manana ilay fo
izay no mahasarotra azy satria efa niraikitra ao am-po

DADAO LARSON :) :) :)

05/12/2016

TIAKO IZY INY

tsy aiko,fa manina ary aho!!!
no toa ts tafatombina ny aiko
fa any amin ilay olona iny foana ny saiko
toa ts andriko indray ilay andro ahitako azy
na fotsiny aza hoe hifampi topi-maso amnazy

Iny sipakely iny no mambabo ahy
Te hiresaka aminy aho nefa toa tsy sahy
Raha mba izaho ngamba ny ho tody eo anilany
tena ho sambatra aho ka hijanona mandrakariva eo anilany

Mety ho tanterakaa iany ve ilay faniriako
Ny hoe tafiaraka aminy ,ilay tena tiako
Haka ilay fony ho ahy samirery ka tsy ho zaraiko
Eny na ny fisiany fotsiny aza dia efa mampifaly ny saiko

DADAO Larson tononkalo ts mande amze laoniny hihihihi

13/09/2016

Tena mbola tiako

Tiako izy tena tiako
Atramin'izay tsy mbola nisy toa azy
Tiako izy ka faniriako
Ilay fitiavako anie ka tsy vazivazy

Na ela aza izy no tsy hita
Ny aty anie ka mbola mino
Na nisy aza ilay adiadintsika
Ilay foko mbola tia anao ts nanadino

Any ianao zay r'ilay tiako
Sa efa nanadino ilay fiarahana?
Ianao iany nefa no tena tiako
Ho eo anilako sy ho tantanana

Sa mbola ao iany ko ve ilay fitiavana
Ilay fitiavana mamy nafinaritra atrizay
Ndao re tohizina ilay lalana
Ka ho fitiavana tsy ho ritra mandrakizay

Onja Tabita Rakotondranivo (Dadao Larson)

Address

Rue Pasteur
Antananarivo
101

Telephone

261331806770

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Dadao Larson Page posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share

Share on Facebook Share on Twitter Share on LinkedIn
Share on Pinterest Share on Reddit Share via Email
Share on WhatsApp Share on Instagram Share on Telegram

Category