Centre Médical Fy Aina

Centre Médical Fy Aina Centre Médical Fy Aina, accueil chaleureux et des soins de proximité pour toute la famille. Ouvert 24h/24 et 7j/7 pour vos urgences médicales.

Situé près du bureau du Centre Fiscal de Maintirano
"Ny fahasalamanao no antom-pisianay"

Salama tompoko.Fantantrao ve fa ny fitiliana aloha sy haingana dia antoky ny fahasitranana tanteraka?Ny Centre Médical F...
31/03/2026

Salama tompoko.
Fantantrao ve fa ny fitiliana aloha sy haingana dia antoky ny fahasitranana tanteraka?
Ny Centre Médical Fy Aina dia eto foana hanampy anao amin'alalan'ireo fitiliana haingana na "Test de Diagnostic Rapide" (TDR) sy matihanina ho an'ny rehetra, amin'ny fotoana rehetra.

🤰 HO AN’NY VEHIVAVY BEVOHOKA (SUIVI PRÉNATAL)

Mba ho fiarovana ny fahasalaman’ny reny sy ny fivoaran’ny zaza ao am-bohoka, dia manao ireto fitiliana ireto izahay:

1* Toxoplasmose: Fitiliana ny katsentsitra avy amin’ny biby na loto, mba hisorohana ny aretina mety hahazo ny zaza (malformations).

2* Syphilis: Areti-mifindra mety hiteraka fahavotsana (fausse couche) raha tsy voatsabo aloha.

3* Hépatite B: Miaro ny zaza tsy hifindran'ny aretin’ny aty avy amin’ny reniny mandritra ny fiterahana.

4* VIH: Fitiliana ilaina handraisana fepetra hiarovana ny zaza (PTME).

5* TDR Comb pour CPN DE BASE 4 en 1 : Syphilis, VIH, hépatite B et C

🌸 HO AN’IZAY MANOMANA HITERAKA:

1*Test d’Ovulation: Manampy anao hahafantatra tsara ny andro mahalonaka (période fertile) hanamorana ny fahazoana zaza.

🌡️ FITILIANA HAFA HAINGANA (URGENCES):

1* Paludisme (Tazo moka): Fitiliana raha vao misy tazo.

2* Fièvre Typhoïde: Hamantarana ny tsimokaretina avy amin’ny loto izay miteraka aretin-kibo sy fanaviana.

📍 Toerana: Andranovoribe - Maintirano
📞 Laharana finday: 038 92 417 01 / 037 48 045 00
⏰ Fandraisana: 24h/24 sy 7j/7 (Andro aman'alina)

Faly izahay mampahafantatra anareo fa misokatra ho an'ny rehetra ny Centre Médical Fy Aina Andranovoribe-Maintirano. Von...
23/03/2026

Faly izahay mampahafantatra anareo fa misokatra ho an'ny rehetra ny Centre Médical Fy Aina Andranovoribe-Maintirano. Vonona hatrany izahay handray sy hitsabo anareo amin'ny fomba matihanina sy am-pitiavana.

Nahoana no mifidy anay?

✅ Misokatra 24h/24 sy 7j/7: Mandray marary isan'andro izahay, na andro na alina.

✅ Fiahiana ny reny sy ny zaza: Fiterahana (Accouchement), Fisafoana (Consultation prénatale), ary Vaccination.

✅ Torohevitra sy fandrindrana fiainam-pianakaviana: Planning familial sy Conseil.

Ireo tolotra misy ato aminay:

Fizahamanina ankapobeny (Consultation médicale)

Urgences médicales (Vonjy taitra)

Fanaovana vaksiny (Vaksiny)

Fizahana am-piterahana

Échographie ( en cours).

📍 Toerana misy anay: Andranovoribe-Maintirano akaikin'ny "bureau du centre fiscal (Contribution)"

📞 Fifandraisana: 038 92 417 01 / 037 48 045 00

📧 Mailaka: centremedicalfyaina@gmail.com

Aza misalasala manatona anay na miantso raha misy fanontaniana.

"Ny fahasalamanao no antom-pisianay"

Address

Andranovoribé, Secteur I
Maintirano
413

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Centre Médical Fy Aina posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share

Share on Facebook Share on Twitter Share on LinkedIn
Share on Pinterest Share on Reddit Share via Email
Share on WhatsApp Share on Instagram Share on Telegram