09/02/2026
Salama tompoko❗️
👉👉 Ny Vehivavy tsy manam-bady na efa nisara-bady izay miasa amin’ny Orin’asa tsy miankina ary efa mpikambana amin’ny OMSI na OMSI ANNEXE Foulpointe ve afaka mampiditra ny zanany mba hisitraka fitsaboana amin’ny OMSI ?
👉 Valiny : ENY.
⭕️ Be dia be ankehitriny ireo Vehivavy manan-janaka kanefany tsy karakarain’ny Rain-janany ilay zaza. Mitady fomba hamelomana sy hikarakarana ilay zaza ny Vehivavy sasany ka miasa amin’ireny orin’asa tsy miankina ireny. Ny Orin’asa hiasany indray no mampiditra azy ho mpikambana ato amin’ny OMSI, ka rehefa tafiditra izy dia azony atao tsara ny mampiditra ny zanany hisitraka ny fiahiana ara-pahasalamana ato amin’ny OMSI.
⭕️ Aza misalasala manatona ny « service des Adhérents » ao amin’ny varavarana faha-05, raha eto Toamasina, fa eo amin’ny « ACCUEIL » kosa raha ao Foulpointe, satria ao no mikarakara izany. Azo atao koa ny mangataka fanampim-panazavana mahakasika izany amin’ny laharam-pifandraisana :
▶️ OMSI Toamasina : +261 34 58 323 37,
▶️ OMSI ANNEXE Foulpointe : + 261 38 39 971 47 /
+261 38 16 320 46.
🙏🙏🙏 Misaotra tompoko❗️