27/11/2025
🤝Salama tompoko❗️
📢📢 Hiresaka mahakasika ny solomaso « lunettes de soleil » na « contre soleil » isika anio.
⭕️ Lasa fahazaran’ny rehetra ny fampiasana « lunettes de soleil » na « contre soleil », nohon’ny hazavana be avy amin’ny fibaliakan’ny masoandro eto amintsika, ankoatran’ireo izay efa zatra manampy haingo amin’ny fampiasana azy io. Misy antony maromaro ny tombony ara-pahasalamana azo avy amin’ny fampiasana azy ity, ka singanintsika manokana eto ny fahafahany mampihena ny fisehon'ny ketrona ho an’izay mampiasa azy.
⭕️ Manampy amin'ny fampihenana ny fisehoan'ny ketrona manodidina ny maso, arak’izany ny fanaovana solomaso « lunettes de soleil » na « contre soleil ». Ny antony dia tsotra, raha tsy manao solomaso dia, afaka miondrika na miketrona rehefa misy ny tara-pahazavan’ny masoandro indrindra raha izy vao miposaka iny.
⭕️ Ankoatr’izany, miaro koa ny hodimaso sy ny manodidina azy izay manify sy marefo tokoa ny solomaso, izay mampiadana ny fahanteran’ny hoditra.
⭕️ Na dia izany aza, mahaiza mifidy solomaso hanaovana, fa sao mahazo ilay misy « degré » ka lasa manimba ny maso indray.
⚠️ Tsara kokoa raha manatona manampahaizana amin’ny fampiasana ny solomaso. Manana « appareil » afaka hitiliana ny maso mba hampifanarahana ny solomaso ilainao, isika ato amin’ny OMSI Toamasina ka azonao atao tsara ny manatona raha te hisitraka an’izany ianao, na efa mpikambana amin’ny OMSI, na mbola tsy mpikambana.
🙏🙏🙏 Misaotra tompoko❗️