DRSP Atsimo Andrefana

DRSP Atsimo Andrefana Direction Régionale de la Santé Publique Atsimo Andrefana

27/01/2026
21/01/2026

👉Andraikitriko,andraikitrinao, andraikintsika ty fisoroha sy aly amin'ny fiparitahan''ny arety MPOX na nendran-drajako

💪tsika iaby miaraky mialy💪

‼️ADY IOMBONANA NY FISOROHANA NY FIPARITAHAN'NY ARETINA MPOX NA NENDRAN-DRAJAKO 👉FARITRA ATSIMO ANDREFANA ✅Na dia mbola ...
14/01/2026

‼️ADY IOMBONANA NY FISOROHANA NY FIPARITAHAN'NY ARETINA MPOX NA NENDRAN-DRAJAKO

👉FARITRA ATSIMO ANDREFANA

✅Na dia mbola Tsy ahitana tranga voamarina aza ny ato amin'ny Faritra Atsimo Andrefana, dia Tsy mitsahatra ny mitady vahaolana hatrany ho entina hiadiana ny Tsy hiparitahan'izany aretina izany, ka namory ireo mpandrahara ekonomika, fikambana, sy ireo mpiara-miombonantoka ary ireo fitaleavana rehetra eto amin'ny Faritra ny COUSP izay notarihin'ny lehiben'ny Faritra Atsimo Andrefana mpisollo toerana sy ny Talem-paritry ny Fahasalam-bahoaka

✅Fanohanana sy fiaraha-miasa hatrany moa no nentina navoitra nandritra an'izany fivoriana izany izay nanenken'ny rehetra fa hiara-hisalahy hifanome tanana hiadiana amin'ny fiparitahan''ny aretina

➡️Marihina etoana moa fa efa misokatra koa ny sakana ara-pahahasalamana(barrage sanitaire) ao Ampanihy sy Morombe ary Sakaraha izay efa amperin'asa tanteraka amin'izao fotoana izao

💯MIASA MIARAKA ISIKA AMIN'NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA

Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka

DRSP Atsimo Andrefana

ADY AMIN'NY FIPARITAHAN''NY ARETINA MPOX NA NENDRAN-DRAJAKO ‼️FARITRA ATSIMO ANDREFANA Mitohy hatrany ny fitadiavana ire...
13/01/2026

ADY AMIN'NY FIPARITAHAN''NY ARETINA MPOX NA NENDRAN-DRAJAKO

‼️FARITRA ATSIMO ANDREFANA

Mitohy hatrany ny fitadiavana ireo paik'aidy mba hialana amin'ny fiparitahan''ny aretina MPOX na nendran-drajako

➡️Ny alatsinainy 12 janoary 2026 dia nanatontosa fivoriana niaraka tamin'ireo mpiara-miombonantoka eto an-toerana sy ireo mambran'ny COUSP ny Talem-paritry ny Fahasalam-bahoaka HOTAHIENE Raphaël

✅Samy naneho ny hevitra sy nifampizara ny traikefany avy ny tsirairay ho entina hisorohana hatrany ny fiparitahan'izany aretina izany

✅Nanamafy koa ny avy ao amin'ny croix rouge fa vonona ny hanampy amin'ny fampitanana ireo fanentanana eny amin'ny haino aman-jery sy hanao fanentanana eny an-tsekoly hiaraka amin'ireo mpiasan'ny fahasalamana,

✅Hisy koa ny fampitana ireo spot eny amin'ireny toerana be olona izay misy toerana fandraisana (salle d'attente) izay ahitana fahita-lavitra ireny
(banky,cotisse, hôpitaly....)

✅Noresahana tao ny fiaraha-miasa amin'ny fitateranana anabakabaka amin'ny fandefasana ireo santionana nalaina tamin'ireo tranga mampiahiahy mba hazahoana valiny fitialiana ara-potoana

✅Izany rehetra izany moa dia ho taterina eo anivon'ny CO izay tarihin'ny prefen''i Toliara MBA ho entina hanatanterahana azy

➡️Hisy moa ny fivoriana hatao indray miaraka amin'ireo mpiara-miombonantoka afaka herinndro izay hijerena indray ny tokony hatao araky ny fivoaran'ny zava-mis

🙏andraikitro, andraikitrinao,andraikintsika, n'y fisorohana sy ady amin'ny fiparitahan''ny aretina nendran-drajako (IMPOX)

Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka

SDSP MOROMBE𝐀𝐃𝐘 𝐀𝐌𝐈𝐍'𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐏𝐀𝐑𝐈𝐓𝐀𝐇𝐀𝐍'𝐍𝐘 𝐍𝐄𝐍𝐃𝐑𝐀𝐍-𝐃𝐑𝐀𝐉𝐀𝐊𝐎Notontosaina androany 12 janoary ny fivorian’ny mpiasan’ny fahasal...
12/01/2026

SDSP MOROMBE

𝐀𝐃𝐘 𝐀𝐌𝐈𝐍'𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐏𝐀𝐑𝐈𝐓𝐀𝐇𝐀𝐍'𝐍𝐘 𝐍𝐄𝐍𝐃𝐑𝐀𝐍-𝐃𝐑𝐀𝐉𝐀𝐊𝐎

Notontosaina androany 12 janoary ny fivorian’ny mpiasan’ny fahasalamana rehetra eto an-tampotananan’i Morombe izay notarihin’i Médecin Inspecteur sy ny PFD SIMR.

Fifampizarana no nibahana nandritra ny fotoana:
- fampahafahantarana ankapobeny ny toe-draharaha mikasika ny aretina (point de situation)
- fanazavana mikasika ny aretina: ny fisehony, ny fomba fifindrany ary ny fisorohana
- fanazavana ireo famaritana ny aretina (définition de cas) mba tsy hivaona raha sanatria misy tranga mampiahiahy
- ny tokony hatao sy ny anjara asan’ny tsirairay raha sanatria ka misy tranga

Izao no natao dia ny mba hahatsara fiomanana ny ekipa manoloana ny aretina.

Natao mba ho tatitra.
Am-panajana.

𝑯𝒐 𝒂𝒏'𝒏𝒚 𝒇𝒂𝒉𝒂𝒔𝒂𝒍𝒂𝒎𝒂𝒎-𝒃𝒂𝒉𝒐𝒂𝒌𝒂 𝒉𝒂𝒕𝒓𝒂𝒏𝒚

''𝑴𝑰𝑨𝑺𝑨 𝑴𝑰𝑨𝑹𝑨𝑲𝑨 𝑯𝑶 𝑨𝑵'𝑵𝒀 𝑭𝑨𝑵𝑨𝑽𝑨𝑶𝒁𝑨𝑵𝑨, 𝑴𝑨𝑵𝑨𝑺𝑰𝑻𝑹𝑨𝑵𝑨 𝑵𝒀 𝑭𝑰𝑹𝑬𝑵𝑬𝑵𝑨''

DRSP Atsimo Andrefana

Sdsp Morombe

Address

Tulear
601

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when DRSP Atsimo Andrefana posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Practice

Send a message to DRSP Atsimo Andrefana:

Share

Share on Facebook Share on Twitter Share on LinkedIn
Share on Pinterest Share on Reddit Share via Email
Share on WhatsApp Share on Instagram Share on Telegram

Category